Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amaria

Amaria

(Amarìa) [Niteny i Jehovah].

1. Mpisorona taranak’i Arona avy tamin’i Eleazara zanany lahy sy avy tamin’i Finehasa. Zanakalahin’i Meraiota i Amaria sady rain’i Ahitoba. Izy koa no raiben’i Zadoka, izay mpisorona lefitra tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka sady mpisoronabe tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. (1Ta 6:7, 52) Toa tsy mpisoronabe kosa i Amaria, satria tamin’ny androny dia ny taranak’i Ely no lasa mpisoronabe, nandritra ny fotoana kelikely.

2. Levita taranak’i Kehata avy tamin’i Hebrona zanany lahy. Anisan’ireo voasoratra anarana izy, tamin’i Davida nandamina indray ny fanompoana tao amin’ny tempoly.​—1Ta 23:1, 12, 19; 24:23.

3. Lehiben’ny mpisorona sady lehibe teo “amin’ny raharaha rehetra momba an’i Jehovah”, indrindra fa tamin’ny raharaha ara-pitsarana tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka.​—2Ta 19:11.

4. Taranak’i Eleazara koa, saingy velona taorian’i Amaria No. 1. Azaria no anaran-drainy, ary nanan-janaka hoe Ahitoba koa izy.​—1Ta 6:11; Ezr 7:3.

5. Levita anisan’ireo nizara ny ampahafolon-karena ho an’ny mpisorona tany an-tanànany avy, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.​—2Ta 31:14, 15.

6. Zanakalahin’i Hezekia (mety ho ilay Hezekia mpanjakan’ny Joda). Dadan’ny dadaben’i Zefania mpaminany izy.​—Ze 1:1.

7. Anisan’ireo mpisorona nitana andraikitra lehibe, izay niverina avy tany Babylona niaraka tamin’i Zerobabela tamin’ny taona 537 T.K. (Ne 12:1, 2, 7) Nisy ‘fianakaviamben’ny’ mpisorona nantsoina hoe fianakavian-dry Amaria, tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 12:12, 13, 26.

8. Taranak’i Binoy, sady anisan’ireo nandroaka ny vady aman-janany mpanompo sampy tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:10-12, 38, 42, 44.

9. Mpisorona, na razamben’ny mpisorona. Anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia Governora izy. (Ne 9:38; 10:1, 3) Raha izy ihany ilay Amaria No. 7, dia mety ho velona maherin’ny 112 taona izy.

10. Razamben’ny mponina sasany tao Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia, ary anisan’ny fokon’i Joda.​—Ne 11:4.