Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amazia

Amazia

(Amazìa) [Mahery i Jehovah].

1. Levita anisan’ny fianakaviamben’i Merary. Zanak’i Hilkia i Amazia, ary rain’i Hasabia. Nataon’i Davida ho mpitarika ny hira teo anoloan’ny tranolay masina ny iray tamin’ny taranany.​—1Ta 6:31, 32, 45.

2. Mpanjakan’ny Joda, taorian’ny namonoana an’i Joasy rainy. Nanomboka nanjaka i Amazia tamin’ny 858 T.K., tamin’izy 25 taona, ary naharitra 29 taona ny fanjakany. I Joadina (Joadana) no reniny, ary i Jekolia no vadiny. (2Mp 14:1, 2; 15:2; 2Ta 25:1; 26:3) Raha vao mafy orina ny fanjakany, dia novonoiny ireo namono ny rainy. Nankatò ny lalàn’i Mosesy anefa izy, ka tsy novonoiny ny zanak’ireo mpamono ireo. (2Mp 14:5, 6; De 24:16) Azo lazaina hoe nafana fo ihany izy nanaraka ny fivavahana marina, saingy tsy tamin’ny “fony manontolo.” (2Ta 25:2) Nanao fahadisoana lehibe koa izy, ka nitondra loza ho an’ny tenany sy ho an’ny firenen’ny Joda. Ny ady roa nataony no tena mibahana ao amin’ny tantarany.

Ny fanafihana an’i Edoma, na Seira, no ady voalohany nataon’i Amazia, niaraka tamin’ny miaramilany 300 000 avy tamin’i Joda sy Benjamina. Nanakarama miaramila 100 000 avy tamin’ny Israely koa izy. Nanoro hevitra azy anefa ny lehilahin’Andriamanitra anankiray, ka nalefany nody ireo miaramila, na dia efa voaloany aza ny karamany. Fandresena lehibe no azon’i Amazia teo amin’ny Lohasahan-tsira, noho ny fanampian’i Jehovah: Nisy 20 000 ny fahavalo matiny teo, ary azony koa ny tanànan’i Sela ka novany hoe Joktela ny anaran’izy io. Nentin’i Amazia anefa ireo andriamanitry ny mponin’i Seira rehefa nody izy, ary nivavaka tamin’ireny izy. Tezitra taminy i Jehovah, ka nanao hoe: “Nahoana ianao no nitady an’ireo andriamanitry ny firenen-kafa, nefa tsy nahavonjy ny vahoakany avy teo an-tananao akory ireny?” Niteny azy koa ilay mpaminanin’i Jehovah, nefa norarany. Nanampy trotraka ny fahadisoany izany.​—2Mp 14:7; 2Ta 25:5-16.

Nanomboka teo am-piandohan’ilay ady faharoa nataon’i Amazia ka hatrany am-pifaranany, dia nitondra faisana izy. Nanafika an’ireo tanànan’i Joda mantsy ireo miaramila 100 000 avy tamin’ny Israely, taorian’ny nandefasan’i Amazia azy ireo hody tany avaratra. Izany angamba no nahatonga an’i Amazia hanaonao foana ka hila ady tamin’i Joasy, nefa ilay fanjakana tany avaratra natanjaka kokoa noho izy. Hoy izy: “Tongava, andao isika hifanandrina.” Namaly i Joasy fa tsy ho tafavoaka mihitsy ny tsilo raha miady amin’ny hazo sedera goavana, fa hohosihosen’ny bibidia fotsiny. Tsy niraharaha an’izany anefa i Amazia. Angamba izy nieboebo satria vao avy naharesy. Efa fikasan’i Jehovah anefa ny haharesy azy noho izy lasa mpanompo sampy. Raikitra àry ny ady tany Beti-semesy. Nandositra ny Joda, voasambotra i Amazia, voagorobaka 178 m teo ho eo ny mandan’i Jerosalema, ary nentina tany Samaria ny ankamaroan’ny zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly. Maro koa ny olona nentina tany ho takalon’aina.​—2Mp 14:8-14; 2Ta 25:13, 17-24.

Rehefa tsy nivavaka tamin’i Jehovah intsony i Amazia, dia nisy olona niray tetika hanohitra azy. Voatery nandositra tany Lakisy àry izy, tamin’ny farany. Tany anefa no namonoan’ireo olona ireo azy. I Azaria (Ozia) zanany, 16 taona, no nandimby azy.​—2Mp 14:17-21; 2Ta 25:25-28.

3. Mpisorona nanao ny asa fisoronana ho an’ilay zanak’omby tao Betela. Nitaraina tamin’i Jeroboama II Mpanjaka i Amazia hoe mitarika ny olona hikomy i Amosa mpaminany. Izy mihitsy no nandrahona an’i Amosa mba hiverina tany Joda. Tsy nihemotra anefa ilay mpaminany fa nilaza tamin’i Amazia hoe: ‘Ny vadinao ho lasa mpivaro-tena, ary ny zanakao ho lavon-tsabatra. Ianao ho faty eo amin’ny tany maloto.’​—Am 7:10-17.

4. Rain’i Josa, ary avy amin’ny fokon’i Simeona. Anisan’ny mpiadidy nanala an’ireo Meonita sy Hamita nipetraka tany amin’ny lohasaha tany akaikin’i Gedora i Amazia, tamin’ny andron’i Hezekia.​—1Ta 4:24, 34, 38-41.