Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ambasadaoro

Ambasadaoro

Lehilahy matotra izay efa zokinjokiny matetika, nirahin’ny mpitondra fahiny noho ny antony manokana, ho solontenany tamin’ny fotoan-dehibe iray. Iray tarika amin’ny teny grika hoe presbyterôs (“anti-panahy” [As 11:30; Ap 4:4]) ny hoe presbeoô (‘mahatonga ho ambasadaoro’ [Ef 6:20]); “ambasadaoro” [2Ko 5:20]) sy presbeia (“ambasadaoro” [Lk 14:32]).

“Apostoly” na ‘nirahin’i’ Jehovah Andriamanitra i Jesosy Kristy, izay “nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo.”​—He 3:1; 2Ti 1:10.

Niakatra tany an-danitra i Kristy rehefa nitsangana tamin’ny maty. Ny mpianany tsy nivadika indray àry no solontenany na “solon’i Kristy” sy ambasadaoron’Andriamanitra. Nilaza i Paoly fa ambasadaoro koa ny tenany. (2Ko 5:18-20) Nirahina ho ambasadaoro any amin’ireo firenena sy vahoaka i Paoly sy ny voahosotra rehetra, satria tafasaraka amin’i Jehovah Andriamanitra Mpanjaka Fara Tampony sy tsy mihavana aminy izy ireny. (Jn 14:30; 15:18, 19; Jk 4:4) Nampirisihin’i Paoly ny olona hihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy. ‘Ambasadaoro nifatotra rojo vy’ àry izy tamin’izy nigadra. (Ef 6:20) Nankahala an’Andriamanitra sy Kristy ary ny Fanjakan’ny Mesia ireo namatotra an’i Paoly, satria tsy azo ampiasana herisetra mihitsy ny ambasadaoro. Tena nankahala sy nanivaiva ireo firenena tsy nanaja ny ambasadaoro nisolo tena ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy.

Nanaja lalàna i Paoly tamin’ny naha ambasadaoro azy, kanefa tsy nanao politika na nanao miaramila mihitsy. Tsy maintsy manaja lalàna mantsy ny ambasadaoro, saingy vahiny izy ka tsy mianiana hoe tsy hivadika amin’ilay firenena anirahana azy.

Toa an’i Paoly ihany, dia “ambasadaoro solon’i Kristy” ny Kristianina rehetra tsy mivadika nateraky ny fanahy, izay olom-pirenen’ny lanitra.​—2Ko 5:20; Fi 3:20.

Arakaraka ny fandraisan’ny olona ny ambasadaorony no hataon’Andriamanitra aminy. Manamafy izany ny fanoharana nataon’i Jesosy Kristy momba ilay lehilahy nanana tanimboaloboka. Nirahiny ho solontenany ny mpanompony, avy eo ny zanany lahy. Nampijaly ny mpanompony anefa ireo mpamboly ary namono an’ilay zanany, ka naringan’ilay tompon’ny tanimboaloboka. (Mt 21:33-41) Nanao fanoharana hafa koa i Jesosy: Nirahin’ny mpanjaka hiantso an’ireo nasaina ho amin’ny fampakaram-bady ny mpanompony, nefa nisy namono. Lasa fahavalon’ilay mpanjaka àry ireo namono ny solontenany. (Mt 22:2-7) Hoy i Jesosy: “Izay mandray ny irahiko dia mandray ahy. Ary izay mandray ahy kosa, dia mandray ilay naniraka ahy koa.”​—Jn 13:20; jereo koa Mt 23:34, 35; 25:34-46.

Manao raharaham-pihavanana ny ambasadaoro. Mila mihavana amin’i Jehovah Andriamanitra koa isika tsirairay, hoy i Jesosy, ary mahafoy ny zava-drehetra sy manaraka ny diany, mba hankasitrahan’Andriamanitra isika ka hiaina mandrakizay. (Lk 14:31-33) Hadalana kosa ny miaraka amin’ireo maniraka ambasadaoro mba hanoherana an’ilay voatendrin’Andriamanitra ho mpanjaka. (Lk 19:12-14, 27) Ohatra tsara ny Gibeonita satria nahay nandanjalanja rehefa nitady fihavanana.​—Js 9:3-15, 22-27.

Iraka talohan’ny andro kristianina. Tsy nisy manam-pahefana nitovy tanteraka tamin’ny ambasadaoro tamin’izany. Tsy nisy solontenan’ny firenena iray nipetraka tany an-tany hafa. “Iraka” (heb.: malʼak sy tsir) àry no azo ilazana an’ireo solontenam-panjakana fahiny. Be itovizana amin’ny an’ny ambasadaoro anefa ny fahefany sy ny andraikiny, ary hodinihintsika ny sasany amin’izany. Solontenam-panjakana mpanelanelana firenena sy mpitondra izy ireny.

Tsy toy ny ambasadaoro ny iraka fahiny satria tsy nipetraka tany amin’ny renivohitry ny tany hafa, fa nirahina fotsiny noho ny antony manokana, tamin’ny fotoan-dehibe sasany. Olona ambony izy ireo matetika (2Mp 18:17, 18), ka tena nohajaina. Tsy azo nampiasana herisetra àry izy ireo rehefa nitsidika mpitondra hafa.

Toy ny hoe natao tamin’ny mpanjaka sy ny fanjakany ny natao tamin’ireo irany. Nandray tsara an’ireo irak’i Josoa nitsikilo an’i Jeriko i Rahaba. Nekeny mantsy fa i Jehovah no Andriamanitra sy Mpanjakan’ny Israely. Namaly soa an’i Rahaba àry i Jehovah. (Js 6:17; He 11:31) Nandefa iraka tany amin’i Hanona mpanjakan’i Amona i Davida Mpanjaka, ho mariky ny fihavanana. Fanaon’ny firenena rehetra ny nanaja iraka, na dia tsy nisy lalàna momba izany aza. Nalan’i Hanona baraka ampahibemaso anefa ny irak’i Davida, satria ninoany ny tenin’ny andrianany hoe mpitsikilo ireny. Tena tsy nanaja an’i Davida sy ny fanjakany izy ka niteraka ady izany.​—2Sa 10:2–11:1; 12:26-31.

Rehefa tsy mifanaraka ny firenena roa tonta ankehitriny, dia asaina mody ny ambasadaoro. Ny firenena tsy nifankahazo fahiny kosa nandefa iraka hitondra teny mba hamitram-pihavanana. “Iraka mpitady fihavanana” izy ireny, hoy i Isaia. (Is 33:7) Nandefa iraka toy izany tany amin’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria i Hezekia. Efa hanafika an’ireo tanàna voaro mafy tany Joda i Sankeriba, kanefa navelan’ny Asyrianina nivezivezy ireo irak’i Hezekia. (2Mp 18:13-15) Nandefa iraka hitondra taratasy tany amin’ny mpanjakan’ny Amonita koa i Jefta, mpitsara tany Israely. Nohazavainy tao amin’ilay taratasy fa tsy nanao ratsy ny tenany ary tsy nangalatra ny tanin’ny Amonita ny Israely. Te handamina an’ilay olana mantsy i Jefta fa tsy te hiady. Navela nivezivezy ireo iraka fa tsy nisy nanakantsakana.​—Mpts 11:12-28; jereo IRAKA.