Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amboadia

Amboadia

1. [Heb.: zeʼev; gr.: lykôs]. Biby mpihinan-kena mitovitovy amin’ny alika berger alemà lehibe, saingy lava fe sy ngeza tongotra ary be loha kokoa, sady matanjaka kokoa ny valanoranony. Matetika no nihaza irery, tsiroaroa na tsitelotelo, hono, fa tsy nanao andiany, ny amboadia tany Palestina sy Syria. Maizimaizina izy vao mihaza, fa ny antoandro kosa izy miafina. (Ha 1:8; Ze 3:3) Masiaka, mirangorango, sahisahy, ary tsy mety afa-po ny amboadia, ka matetika no mihoatra noho izay laniny sy zakany ny ondry vonoiny. Tsy maintsy be herim-po sy nitady hevitra hiarovana ny ondriny àry ny mpiandry fahiny.​—Jn 10:12, 13.

Amboadia an’ohatra no tena resahin’ny Baiboly. Nilaza i Jakoba taloha kelin’ny nahafatesany fa toy ny amboadia i Benjamina zanany, satria hahay hiady ilay fokony. (Ge 49:27; jereo BENJAMINA No. 2.) Toy ny amboadia koa ny andrianan’i Joda maty eritreritra (Ezk 22:27), mpaminany sandoka (Mt 7:15), mpanohitra mafy ny Kristianina (Mt 10:16; Lk 10:3), ary ny mpampianatra sandoka eo anivon’ny fiangonana (As 20:29, 30). Tsy ho mpandringana intsony kosa ny amboadia (Je 5:6), fa hihavana sy hiara-komana amin’ny zanak’ondry rehefa mitondra ny Mesia. Ho tanteraka ara-bakiteny izany, nefa efa tanteraka koa ankehitriny rehefa misy olona miova.​—Is 11:6; 65:25.

2. [Heb.: shoʽal; gr.: alôpeks]. Biby mitovy amin’ny alika, saingy matsokotsoko ny vavany, miendrika telozoro lehibe sady ranga ny sofiny, ary matevina ny rambony. Malaza ho fetsy ny amboadia, ka niantso an’i Heroda Mpanjaka hoe “iny amboadia fetsy iny” i Jesosy Kristy. (Lk 13:32) Aleon’ny amboadia mampiasa hafetsena toy izay mirifatra mandositra fahavalo, na dia mety hahatratra 70 km/ora mahery aza, hono, ny hafainganam-pandehany raha tsy mandeha lavitra izy.

Tsy dia avahan’ny Syrianina sy Palestinianina foana ny amboadia sy alikadia ankehitriny. Azo ilazana ny amboadia (Vulpes vulpes) sy ny alikadia (Canis aureus) ny hoe shoʽal (heb.), hoy ny manam-pahaizana maro. Baiboly maro no nandika azy io hoe “alikadia” ao amin’ny andininy sasany.

Nilaza tamin’ilay lehilahy te hanaraka azy i Jesosy Kristy hoe ny amboadia manan-davaka hisitrihana, fa ny Zanak’olona kosa tsy manana izay hametrahany ny lohany. (Mt 8:20; Lk 9:58) Mihady lavaka tokoa ny amboadia, rehefa tsy misy lava-bato voajanahary na lavaka nonenan’ny biby hafa taloha azony isitrihana. Mety hibodo lavaka efa misy biby hafa koa anefa izy.

Tsy dia mpangalatra akoho araka ny fiheveran’ny olona azy ny amboadia, hoy ny mpandinika ny zavaboary. Bibikely, biby mpikiky, biby madinika, vorona, fatim-biby, ahitra, ary voankazo no fihinany. (To 2:15) Nilaza i F. Hasselquist, mpandinika ny zavaboary (taonjato faha-18), fa tsy maintsy narovan’ny mponina nanodidina an’i Betlehema sy tany an-toeran-kafa ny tanimboaloboka mba tsy hidiran’ny amboadia, rehefa masaka ny voaloboka. (Dia Tany Atsinanana, Londres, 1766, p. 184) Maro no milaza fa alikadia ireo amboadia resahin’ny Salamo 63:10 hoe hihinana an’ireo voavono. Tsy diso anefa ilay hoe “amboadia” eo, satria mihinana fatim-biby koa ireny.

Miresaka amboadia monina any amin’ny toerana aolo sady lavitra tanàna, ny Baiboly. (Ft 5:18; Ezk 13:4) Amboadia 300 no nampiasain’i Samsona handoroana ny voly sy tanimboaloboka ary sahan’olivan’ny Filistinina. (Mpts 15:4, 5) Naneso an’ireo Jiosy nody an-tanindrazana i Tobia Amonita hoe ‘na amboadia aza dia haharava ny mandan’i Jerosalema’ naorin’izy ireo.​—Ne 4:3.