Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amena

Amena

Avy amin’ny teny hebreo hoe ʼamen midika hoe “ho tanteraka anie izany” na “izany tokoa anie”, io teny malagasy io sy ny teny grika hoe amen. Midika hoe “azo antoka; mendri-pitokisana” ny fototeny hebreo hoe ʼaman.

Toy izao avy no nampiasana ny hoe “Amena” ao amin’ny Soratra Hebreo: Rehefa manaiky an’izay voalaza ao amin’ny fianianana na fifanekena na manaiky izay ho vokany raha tsy mahatanteraka an’ilay izy (No 5:22; De 27:15-26; Ne 5:13), rehefa manaiky an’izay voalaza ao amin’ny vavaka (1Ta 16:36) na fiderana (Ne 8:6) na fikasana (1Mp 1:36; Je 11:5). Samy mifarana amin’ny hoe “Amena” ireo fizarana efatra voalohany ao amin’ny Salamo. Fanaon’ny fiangonan’Israely angamba ny niara-nanao hoe “Amena”, rehefa vita ny hira na salamo iray.​—Sl 41:13; 72:19; 89:52; 106:48.

Nadika hoe “mendri-pitokisana” ny teny hebreo hoe ʼaman rehefa ilazana an’i Jehovah (De 7:9; Is 49:7), ary hoe “azo itokisana” sy “azo antoka” rehefa ilazana ny fampahatsiahivany sy ny fampanantenany. (Sl 19:7; 89:28, 37) Antsoina hoe “Amena” i Kristy Jesosy, “ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina”, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Ap 3:14) Nampiasa matetika ny teny grika hoe amen i Jesosy rehefa hilaza zava-misy, fampanantenana, na faminaniana, tamin’izy nitory sy nampianatra. Nadika hoe “marina tokoa” izy io, na hoe “marina dia marina tokoa” (naverina indroa) ao amin’ny bokin’i Jaona. (Jn 1:51) Nohamafisiny àry fa tena marina sy azo itokisana izay nolazainy. (Mt 5:18; 6:2, 5, 16; 24:34) Voalaza fa i Jesosy ihany no nampiasa ny hoe “amena” tamin’izany fomba izany ao amin’ny boky masina, noho ny fahefana nomen’Andriamanitra azy.​—Mt 7:29.

I Jesosy no ilay “Amena” (2Ko 1:19, 20), hoy i Paoly, satria nilaza ny marina izy, tena mpaminany sy mpitondra tenin’Andriamanitra, ary tanteraka taminy sy hotanterahiny ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra. Tsy nivadika izy ary nankatò foana mandra-pahafatiny. Tsy maintsy ho tanteraka àry ny fampanantenana sy fikasan’Andriamanitra rehetra. I Jesosy no Fahamarinana, na antoka fa marina sy ho tanteraka ny fikasana efa nanaovan’Andriamanitra fianianana.​—Ampit. Jn 1:14, 17; 14:6; 18:37.

Nampiasa imbetsaka ny hoe “Amena” ireo nanoratra taratasy ao amin’ny Soratra Grika, indrindra fa i Paoly, rehefa nidera an’Andriamanitra (Ro 1:25; 16:27; Ef 3:21; 1Pe 4:11) na nirary ny hitahian’Andriamanitra an’izay nanoratany. (Ro 15:33; He 13:20, 21) Nanao hoe “Amena” koa ny mpanoratra rehefa nekeny izay voalaza.​—Ap 1:7; 22:20.

Mety ny manao hoe “Amena” amin’ny faran’ny vavaka, rehefa jerena ny vavaka ao amin’ny 1 Tantara 16:36 sy ny Salamo (41:13; 72:19; 89:52; 106:48) ary ireo taratasy anisan’ny Soratra Masina. Marina fa tsy nifarana tamin’ny hoe “Amena” ny vavaka nataon’i Davida ho an’i Solomona (1Ta 29:19), na ny vavak’i Solomona rehefa notokanana ny tempoly. (1Mp 8:53-61) Mety ho nisy niteny hoe “Amena” ihany anefa tamin’izay. (Mariho ny 1Ta 29:20.) Tsy voalaza koa hoe niteny izany i Jesosy (Mt 26:39, 42; Jn 17:1-26) na ny mpianany rehefa nivavaka. (As 4:24-30) Maro anefa ny porofo hitantsika teo fa mety ny manao hoe “Amena” rehefa vita ny vavaka. Nohamafisin’i Paoly fa niara-nanao hoe “Amena” ny Kristianina tafavory rehefa nifarana ny vavaka. (1Ko 14:16) Nanao toy izany koa ireo any an-danitra. (Ap 5:13, 14; 7:10-12; 19:1-4) Mety àry ny manao hoe “Amena” rehefa mivavaka na mianiana. Feno toky mantsy ireo miteny hoe “Amena”, ary tena manaiky an’izay voalaza sady manantena ao am-pony ao hoe ho tanteraka izany.