Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ametista

Ametista

Vatosoa tsy tena sarobidy, ary karazana vatokaranana (quartz) volomparasy. Toy ny kristaly ny ametista ary fampiasa amin’ny firavaka. Kristaly misy lafiny enina mitovy ny ametista, ary ny manganezy na vy ao aminy no manome ny lokony. Vatokaranana (tandrefana) ny karazany iray amin’ny ametista, fa karazana kôrindona na safira kosa ny ametista sarobidy (tatsinanana). Avy amin’ilay teny grika hoe ametystôs (midika hoe “tsy mahamamo”) ny hoe ametista. Io teny grika io no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo mba handikana an’ilay teny hebreo hoe ʼahlamah ao amin’ny Eksodosy 28:19 sy 39:12.

Ametista ny vato fahatelo teo amin’ny laharana fahatelo tamin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely. (Ek 28:2, 15, 19, 21; 39:12) Nahazo fahitana an’i “Jerosalema Vaovao” i Jaona, ary hitany fa ametista ny fototra faha-12 tamin’ny mandan’ilay tanàna masina.​—Ap 21:2, 10, 19, 20.