Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amiela

Amiela

(Amièla) [Vahoakan’Andriamanitra].

1. Zanakalahin’i Gemaly avy amin’ny fokon’i Dana. (No 13:12) Anisan’ireo 12 lahy nirahin’i Mosesy hijery taratra ny tany Kanana. Nilaza zavatra ratsy momba ny Tany Nampanantenaina anefa ny 10 lahy, ary anisan’ireny i Amiela ka matin’ny loza avy tamin’i Jehovah.​—No 14:36, 37.

2. Rain’i Makira izay nipetraka tany Lo-debara, any atsinanan’i Jordana. Tao an-tranon’i Makira i Mefiboseta, zanak’i Jonatana, no nipetraka rehefa naniry haneho hatsaram-panahy feno fitiavana taminy i Davida.​—2Sa 9:4, 5, 7; 17:27.

3. Rain’i Batseba vadin’i Oria (nalain’i Davida ho vady i Batseba tatỳ aoriana). (1Ta 3:5) Antsoina hoe Eliama i Amiela ao amin’ny 2 Samoela 11:3. Amiela ihany no Eliama saingy nisy zavatra nampifamadihana fotsiny tao amin’ilay anarana. Midika hoe “Andriamanitry ny Vahoaka” ny hoe Eliama. Angamba izy zanak’i Ahitofela Gilonita. Mpanolo-tsain’i Davida i Ahitofela saingy namadika azy.​—2Sa 23:34; 15:31.

4. Levita ary zanakalahy fahenina naterak’i Obeda-edoma. Mpiandry vavahady i Amiela sady anisan’ny niandraikitra an’ireo trano fitehirizana entana tao an-tranon’i Jehovah, tamin’ny andron’i Davida.​—1Ta 26:4, 5, 12-15.