Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aminadaba

Aminadaba

(Amìnadàba) [Ny Vahoakako Tia Manome (Tsara Toetra; Malala-tanana)].

1. Zanakalahin’i Rama izay anisan’ny fianakavian’i Hezrona, avy amin’ny fokon’i Joda. (1Ta 2:10) Zanak’i Aminadaba i Nasona, izay mpiadidy teo amin’ny fokon’i Joda tany an-tany efitra. (No 1:7; 7:11, 12) Lasa vadin’i Arona i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba. (Ek 6:23) Razamben’i Davida Mpanjaka sy Kristy Jesosy koa i Aminadaba.​—Rt 4:19-22; Mt 1:4-16; Lk 3:23-33.

2. Mety ho anarana hafa niantsoana an’i Jizara, zanakalahin’i Kehata sady rain’i Kora. (1Ta 6:22; ampit. and. 2, 18, 37, 38; Ek 6:18, 21; No 3:19, 27.) “Jizara”, fa tsy hoe “Aminadaba”, no hita ao amin’ny 1 Tantara 6:22 (6:7, LXX), ao amin’ny sasany amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.

3. Levita taranak’i Oziela, ary loham-pianakaviana tamin’ny andron’i Davida. Anisan’ny nanampy i Aminadaba rehefa naverina tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena.​—1Ta 15:10-12.