Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amona

Amona

(Amôna).

1. [Ny Vahoaka]. Zanakalahin’i Lota nateraky ny faravaviny, ary razamben’ny Amonita. (Ge 19:38) Nipetraka tao anaty lava-bato teny amin’ny faritra be tendrombohitra i Lota sy ny zanany mirahavavy. Nanao firaisana tamin’i Lota ny vavimatoany, ary avy eo ny faravaviny, rehefa avy nampisotroin’izy ireo divay be dia be izy. (Ge 19:30-36) Nantsoin-dreniny hoe Ben-amy, midika hoe “Zanakalahin’ny Vahoakako [izany hoe havako]”, i Amona, satria tsy hafa firenena toy ny Sodomita ny rain’izy io. Nanahy mantsy ilay zokiny vavy sao tsy hahita vady teo amin’ilay vahoaka niaviany na teo amin’ireo iray firazanana taminy izy roa vavy.

Ilazana ny firenen’ny taranak’i Amona koa ny hoe “Amona” ao amin’ny Salamo 83:7. Nantsoina hoe “taranak’i Amona” ny Amonita, mba hampahatsiahivana ny Israelita fa mpihavana ihany izy ireo. Nampitandreman’i Jehovah àry ny Israelita mba tsy hihetraketraka na hiady amin’ny Amonita, satria taranak’i Lota zana-drahalahin’i Abrahama izy ireny.​—De 2:19; jereo AMONITA.

[2-4: Mendri-pitokisana; Tsy Mivadika; Maharitra Ela]

2. Lehiben’ny tanànan’i Samaria tamin’ny andron’i Ahaba mpanjakan’ny Israely (t. 940-920 T.K.). Nasaina niambina an’i Mikaia mpaminany izy, rehefa lasa niady tamin’ny tanànan’i Ramota-gileada i Ahaba.​—1Mp 22:10, 26; 2Ta 18:25.

3. Mpanjakan’ny Joda (661-660 T.K.), ary zanak’i Manase mpanjaka ratsy fanahy. Nanomboka nanjaka izy tamin’izy 22 taona. Nanompo sampy toa an-drainy taloha koa izy. Azo antoka fa nitranga tamin’ny androny ireo zava-dratsy resahin’ny Zefania 1:4; 3:2-4. Novonoin’ny mpanompony izy raha vao nanjaka roa taona monja. Novonoin’ny “vahoaka [ʽam haʼarets]” anefa ireo namono azy ka i Josia zanany no natao mpanjaka. Nalevina “tao amin’ny zaridainan’i Oza” i Amona. (2Mp 21:19-26; 2Ta 33:20-25) Anisan’ny razamben’i Jesosy i Amona.​—Mt 1:10.

4. Loham-pianakavian’ny Israelita sasany nody avy tany an-tsesitany izay anisan’ny “taranaky ny mpanompon’i Solomona.” (Ne 7:57-59) “Amy” no iantsoana azy ao amin’ny Ezra 2:57.

5. Andriamanitry ny tanànan’i Thèbes, na No-amona. Nantsoina hoe Amona-Ra izy ary lasa “mpanjakan’ireo andriamanitra.” Ny mpisoronabeny no lasa lehiben’ny mpisorona rehetra tany Ejipta. Hoatr’izao ny sarin’izy io matetika: Lehilahy manao satroboninahitra misy volom-borona roa lavalava, na ondrilahy, na lehilahy fa lohana ondrilahy ny lohany. Matetika izy no mitazona lakroa misy boribory eo an-tampony, na ny “mariky ny fiainana”, toy ny ataon’ireo andriamanitra ejipsianina maro. Andriamanitra telo mitambatra nivavahana tany Thèbes i Amona sy Mout vadiny ary Khonsou (zanakalahy natsangany).

Nalefa tao amin’ny fitehirizan-karenan’i Amona ny ankamaroan’ny zavatra nobaboin’ny tafika ejipsianina. Lasa nanana fahefana sy harena be àry ny mpisoron’i Amona. Nilaza i E. Budge fa toa nampirisika ny tafika hiady ny mpisorona mba ho tombontsoany fotsiny. (Tantaran’i Ejipta, 1902, Boky Faha-5, p. 205-217) Nifandovana ny toeran’ny mpisoronaben’i Amona, ary nanjary nanana fahefana lehibe noho ny an’ny mpanjaka izy. Nandimby an’ilay mpanjaka farany tamin’ireo Ramsès, ohatra, i Hérihor mpisoronabe. Hoy i J. Breasted momba ny andron’i Hrihor (Hérihor): “Izay tian’ny Mpisoronabe hotanterahin’ny fanjakana dia tanteraka foana, rehefa nisy hafatra manokana avy tamin’i [Amona] andriamanitra fotsiny. Nahazo valiny mahafa-po foana ny Mpisoronabe rehefa nilaza izay niriny teo anoloan’ilay sarivongana. Tetika maty paika anefa ilay izy. ... Fetsifetsy ny Mpisoronabe, ary nanjakazaka sady sahy namingavinga ny lalàna sy ny rariny mihitsy. Afaka nilaza foana izy hoe sitrapon’ilay andriamanitra izay rehetra tiany hotanterahina.”​—Tantaran’i Ejipta, 1937, p. 523.

Niharan’ny loza maro i Thèbes sy Amona andriamaniny, ka ny roa amin’izany no resahin’ny Baiboly. Nandrava tanteraka an’i Thèbes sy nandroba ny harenany rehetra ny Asyrianina notarihin’i Asorobanipala, tamin’ny taonjato fahafito T.K. Niresaka momba izany i Nahoma mpaminany, ary nilaza izy fa horavana toa azy koa i Ninive. (Na 3:8) Tafarina ihany i Thèbes, nefa tsy naharitra izany. Nilaza mantsy i Jeremia fa hiharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah i Ejipta sy ireo andriamaniny, anisan’izany i Thèbes sy Amona andriamaniny. Hatolotra eo an-tanan’i Nebokadnezara i Ejipta, ka ho afa-baraka izy sy ireo andriamaniny, indrindra fa i Amona avy any No (Thèbes).​—Je 46:25, 26; jereo NO, NO-AMONA.