Amonima
(Amônìma) [Ireo Vahoaka].
Milaza ny 2 Tantara 20:1, araka ny soratra nataon’ny Masoreta, fa niaraka tamin’ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona ny sasany tamin’ny “Amonima [heb.: ʽAmmôhnim]”, mba hiady tamin’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Milaza kosa ny Fandikan-teny Protestanta hoe “ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amona mbamin’ny any ankoatry ny Amonita.” Ny Baiboly hafa indray manao hoe “ary nisy Amonita niaraka taminy” (Kat.). Toa tsy mitombina anefa io dikan-teny io satria efa voatonona eo amin’ilay andininy ny taranak’i Amona na Amonita. Ny Biblia Hebraica Stuttgartensia (f.a.p.) sy ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina (anisan’izany ny DIEM) kosa, milaza fa ny Meonita resahin’ny 2 Tantara 26:7 no tiana holazaina amin’ny hoe Amonima. Nanao fahadisoana mantsy, hono, ny mpanao dika soratra ka nifamadika ny renisoratra roa voalohany (מע) amin’ilay teny hebreo hoe Meʽonim ary lasa hoe ʽAmmôhnim. Mety hitombina ny hoe ny Meonita ihany no Amonima. Milaza mantsy ny tohin’ilay fitantarana fa “ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira” (fa tsy hoe “ny Amonima”) no niaraka tamin’ny tafiky ny Amonita sy Moabita mba hiady tamin’i Josafata. (2Ta 20:10, 22, 23) Teny grika iray ihany (Minaiôn) no nandikana an’ilay teny hebreo ao amin’ny 2 Tantara 20:1 sy ny hoe Meonita, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Midika izany fa ny Meonita ihany no Amonima amin’ireo nandika azy io.—Jereo MEONITA.
Tsy azo antoka anefa izany. Naleon’ny Baiboly sasany àry naka tahaka fotsiny ny soratra nataon’ny Masoreta, ka nanao hoe Amonima. Toy izany, ohatra, ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.