Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amonita

Amonita

AMONITA

(Amônìta) [An’i Amona].

Taranak’i Amona (Ben-amy), zanakalahin’i Lota tamin’ilay faravaviny. (Ge 19:36-38) Mpihavana akaiky ny Amonita sy ny Moabita, izay taranak’i Moaba zanakalahin’i Lota hafa. Voatonona miaraka foana izy ireo ao amin’ny Baiboly sy ny tantara fahiny. Havan’izy ireo lavitra koa ny Israelita, araka ny voalazan’ny Baiboly. Porofon’izany ny hoe tenim-paritra hebreo ny teny amonita. Saika nitsangan-ko fahavalon’ny firenen’Israely foana anefa ny Amonita.

Ny taniny. Tsy nivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra i Lota, razamben’ny Amonita. Navelan’Andriamanitra halain’ny Amonita àry ny faritra nonenan’ny Refaima, izay olona lava be nantsoin’izy ireo hoe Zamzomita. (De 2:17-21) Teo atsinanan’ny faritra atsimon’ny Reniranon’i Jordana no nisy azy io. Efa nisy fotoana koa nifanila ny faritanin’ny Amonita sy ny an’ny Moabita, teo amin’ny lembalemba atsinanan’ny Ranomasina Maty. Nisy nalain’ny Amorita anefa ny faritanin’ny Amonita, talohan’ny nidiran’ny Israelita tao Kanana. Voatery nianavaratra sy niantsinanana àry izy ireo, ka niteraka lonilony teo aminy sy ny Moabita (izay namoy faritany be koa) izany. (No 21:26; Js 12:2; Mpts 11:13, 22) Nanomboka hatrany akaikin’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka ny tanin’ny taranak’i Amona taorian’izay, ary niantsinanana nankany an-tany efitra. (No 21:24; Js 12:2) I Raba (Amman ankehitriny), izay teo akaikin’ny loharano nipoiran’i Jaboka, no renivohiny. (De 3:11) Nahita toeram-ponenan’ny Amonita sy tanàna voaro mafy tany amin’iny faritra iny ireo mpikaroka.

Nitandrina tsara ny Israelita mba tsy hiditra tao amin’ny tanin’ny Amonita rehefa nanafika an’ireo Amorita teo akaiky teo. Noraran’Andriamanitra tsy ho any mantsy izy ireo. (De 2:37; Js 13:8-10) Rehefa milaza àry ny Josoa 13:25 fa nomena ho lovan’ny fokon’i Gada “ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amona”, dia ilay faritra nalain’ny Amorita tamin’ny Amonita no nomena azy ireo. Teo anelanelan’ny Reniranon’i Jordana sy Jaboka izy io.

Niady tamin’ny Israely. Tamin’ny andron’i Eglona mpanjakan’i Moaba ny Amonita vao nanafika ny Israely. Niaraka tamin’ny Amalekita sy ny Moabita izy ireo, ary nanafika niankandrefana hatrany Jeriko, andrefan’i Jordana. (Mpts 3:12-14) Navotan’i Ehoda Mpitsara anefa ny Israelita. (Mpts 3:26-30) Tsy nandrahona azy ireo intsony àry ny Amonita, raha tsy tamin’ny andron’i Jefta. Nanompo an’ireo andriamanitry ny firenena indray mantsy ny Israelita, ka nampahorin’ny Amonita izay nanafika avy any atsinanana sy ny Filistinina avy any andrefana, nandritra ny 18 taona. Tsy hoe nampihorohoro ny Israelita tany Gileada fotsiny ny tafika amonita, fa niampita tany andrefan’i Jordana mihitsy mba hampahory ny fokon’i Benjamina sy Joda ary Efraima. (Mpts 10:6-10) Niala tamin’ny fivavahan-diso ny Israelita tamin’ny farany, ary niray hina teo ambany fitarihan’i Jefta. Nolavin’i Jefta ny fiampangan’ny Amonita hoe naka ny taniny ny Israely. Niadiany ny Amonita taorian’izay, ka resiny.—Mpts 10:16–11:33; jereo JEFTA.

Misy manam-pahaizana milaza fa diso i Jefta nilaza hoe “Kemosy andriamanitrao.” Andriamanitry ny Moabita mantsy, hono, i Kemosy, fa tsy an’ny Amonita. (Mpts 11:24; No 21:29) Marina fa antsoina hoe Moleka na Milkoma na Malkama (1Mp 11:5, 7; Je 49:1, 3) ny andriamanitry ny Amonita. Misy manam-pahaizana anefa milaza fa anaram-boninahitra ihany ireny (izay samy avy amin’ny fototeny hoe “mpanjaka”), ka mety ho azo niantsoana koa an’i Kemosy. Na ahoana na ahoana, dia maro ny andriamanitra nivavahan’ny Amonita (Mpts 10:6), ka mety ho andriamanitra lehibe tamin’izy ireo i Kemosy, toy ny tamin’ny Moabita havany ihany.

Araka ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, dia nanafika ny tanànan’i Jabesy tany Gileada i Nahasy mpanjakan’i Amona, iray volana teo ho eo taorian’ny nanendrena an’i Saoly ho mpanjakan’ny Israely. Nasainy nitolo-batana ny mponina tao, ary nilazany fa tsy hamelany ny lehilahy rehetra raha tsy hopotsirina daholo ny mason’izy ireo ankavanana. (Jereo NAHASY No. 1.) Noporofoin’i Saoly fa mendrika ny ho mpanjaka tokoa izy, rehefa reny fa natao fahirano ilay tanàna. Novoriny mantsy ny tafiky ny Israely, ary niady tamin’ny Amonita izy ireo ka nandresy. (1Sa 11:1-4, 11-15) Ny fandrahonan’ireo Amonita notarihin’i Nahasy no nahatonga ny Israelita hangataka mpanjaka, araka ny tenin’i Samoela tatỳ aoriana.—1Sa 12:12.

Nandritra ny fitondran’i Davida. Resin’i Davida koa ny Amonita, ka nahazoany zavatra maro be sy hetra. (1Ta 18:11) Mitantara momba izany ny 2 Samoela 8:11, 12, izay anisan’ny mamintina an’ireo fandresena azon’i Davida. Tsy voatery hoe milahatra araka ny fotoana nisehoany izay voalazan’ireo andininy ireo sy ny fitantarana eo alohany na aoriany. Hitantsika ao amin’ny 2 Samoela 10:1, 2, ohatra, fa azo lazaina ho nifandray tsara ihany i Amona sy Israely tamin’ny andron’i Davida, mandra-pahafatin’i Nahasy Mpanjaka. Nampahatezitra mafy an’i Davida anefa i Hanona, zanakalahin’i Nahasy sady mpandimby azy. Nalany baraka mantsy ny olona nirahin’i Davida hampionona azy. Hitan’ny Amonita fa tena ratsy ny nataony, ka nanakarama miaramila syrianina izy ireo ary niomana hiady tamin’ny Israely. Resin’i Joaba, mpitari-tafika israelita, sy Abisay rahalahiny anefa izy ireo.—2Sa 10:1-14; 1Ta 19:6-15.

Nataon’ny tafik’i Davida fahirano i Raba, renivohitr’i Amona, tatỳ aoriana. Nisy nivoaka hiady tamin’izy ireo anefa ny Amonita natao fahirano, indray mandeha, ka maty i Oria Hetita. (2Sa 11:1, 17, 24, 26, 27; jereo RABA No. 1.) Tsy tena fantatra hoe naharitra hafiriana ilay fahirano. Mety ho nandritra ilay fahirano no teraka ilay zanak’i Batseba tamin’izy nijangajanga tamin’i Davida. Mety ho tamin’izay koa no teraka i Solomona. Na mety hoe efa tapitra ilay fahirano vao teraka ireo zaza roa ireo na ny iray taminy, fa notantaraina fotsiny ny nahaterahan’izy ireo mba hamaranana ny tantaran’i Batseba. Toa tsy naharitra ela be ilay fahirano raha jerena ny 1 Tantara 20:1, 2, kanefa nety ho nitohy ny taona nanaraka ihany. I Davida no namabo tanteraka an’ilay renivohitry ny Amonita, tamin’ny farany.—2Sa 12:26-29.

Nalainy ilay “satroboninahitra teny an-dohan’i Malkama” rehefa resy i Raba. Toa satroboninahitra teny an-dohan’ilay andriamanitry ny Amonita atao hoe Moleka na Milkoma izy io. Nadikan’ny Fandikan-teny Protestanta hoe “mpanjaka” ilay teny hebreo hoe Malkam eto. Toa tsy mitombina anefa io dikan-teny io, satria nilanja “talenta volamena iray” (34 kg eo ho eo) ilay satroboninahitra. Toa vetivety kely koa no nametrahana an’ilay izy teo an-dohan’i Davida, mba hampisehoana fotsiny angamba fa resy ilay andriamani-diso.—2Sa 12:30.

Maro no mihevitra fa notsofan’i Davida sy nokapainy tamin’ny famaky ary nodorany ireo Amonita resiny, rehefa jerena ny fomba nandikan’ny Baiboly sasany ny 2 Samoela 12:31 (Prot., JM). Marina kokoa anefa ny dikan-teny sasany (TV, Kat., DIEM), izay milaza fa nampanaovina asa an-terivozona ireo Amonita, ka nasaina nampiasa tsofa sy famaky ary nanao biriky. Manamarina izany ny hevitr’ilay teny hebreo nadikan’ny Baiboly sasany hoe “fandoroam-biriky.” Fantatra mantsy izao fa lasitra hazo efajoro fanaovana biriky tanimanga, no dikan’izy io.

Tsy fahavalon’ny Israelita daholo anefa ny Amonita. Amonita, ohatra, i Zaleka, iray tamin’ireo lehilahy maherin’i Davida. (2Sa 23:37) Nisy Amonita koa ireo vehivavy hafa firenena nalain’i Solomona Mpanjaka ho vady, anisan’izany ny renin’i Rehoboama. (1Mp 11:1; 14:31) Ny nanambadiany an’ireny vehivavy ireny anefa no nahatonga an’i Solomona hivadi-pinoana, ka hanao “toerana avo” ho an’i Milkoma sy ny andriamanitra hafa. Noravan’i Josia Mpanjaka ireny toerana ireny tatỳ aoriana.—1Mp 11:5; 2Mp 23:13.

Rehefa nizara roa ny fanjakan’ny Israely. Tsy nofehezin’ireo mpanjaka taranak’i Davida intsony ny Amonita tatỳ aoriana, fa nahaleo tena. Nanafika an’i Joda izy ireo sy ny Moabita ary ny mponina avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira, tamin’ny andron’i Josafata (936-t. 911 T.K.). Resy tanteraka anefa izy ireo sy ny namany. (2Ta 20:1-4, 10-26) Nanoratra i Salmanesera III mpanjaka asyrianina tamin’ny andron’i Jeho mpanjakan’ny Israely (t. 904-877 T.K.), fa niaraka tamin’ireo mpanjaka niady tamin’i Asyria tao Karkar ny tafik’i “Baʼsa, zanakalahin’i Rohobi, avy any Amona.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 279) Anisan’ireo niray tetika hamono an’i Joasy mpanjakan’ny Joda (t. 859 T.K.) i Zabada, zanak’i Simata vehivavy amonita. (2Ta 24:22, 26) Nampandoa hetra an’ireo Amonita indray i Ozia (829-778 T.K.), mpitondra mahery tao Joda. (2Ta 26:8) Resin’i Jotama zanany koa ny Amonita, ka nampandoaviny talenta volafotsy 100 (660 600 dolara), sy varimbazaha 10 000 kora (2 200 000 L), ary vary orza 10 000 kora. (2Ta 27:5) Ahoana no nahafahan’ny Amonita nandoa ireo rehetra ireo, nandritra ny telo taona nisesy? Tsara toerana angamba ny tanin’izy ireo, satria nandalovan’ny mpivarotra nivezivezy tany Arabia sy Damaskosy. Azo lazaina ho lonaka koa ny Lohasahan’i Jaboka, ary mbola ny varimbazaha sy ny vary orza no tena vokatra any izao.

Nihanahazo vahana tany Palestina ny fanjakana asyrianina nandritra ny fitondran’i Ahaza (761-746 T.K.), izay nandimby an’i Jotama. Tsy teo ambany fahefan’ny Jodianina intsony àry ny Amonita, fa lasa nampahorin’ny Asyrianina indray. Nolazain’i Tiglato-pilesera III mantsy fa anisan’ireo nandoa hetra tamin’i Asyria i “Sanipo mpanjakan’i Bit-Amona [tranon’i Amona]” sy Ahaza mpanjakan’ny Joda ary Salamano mpanjakan’i Moaba. Resahin’ilay Iraizotongotr’i Sankeriba (SARY, Boky 1, p. 957) ny nanafihany an’i Joda tamin’ny andron’i Hezekia. Resahiny koa fa nitondra fanomezana ho azy i Amona. I Esara-hadona zanany, izay niara-belona tamin’i Manase, kosa nilaza fa anisan’ireo nanome fitaovana hanorenana ny tanànan’i Ninive i “Podoil, mpanjakan’i Beti-Amona.”

Resin’i Tiglato-pilesera III sy ny iray tamin’ireo mpandimby azy ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, ka nataon’izy ireo sesitany ny mponina tany. (2Mp 15:29; 17:6) Toa nipetrahan’ny Amonita àry ny faritanin’ny fokon’i Gada. Io ihany ilay faritra niadian’izy ireo tamin’i Jefta, fa tsy azony. (Ampit. Sl 83:4-8.) Notenenin’i Jehovah mafy àry ireo Amonita naka ny lovan’ny Gadita, ao amin’ilay faminaniana nampanoratiny an’i Jeremia. Nampitandremany koa izy ireo fa ho lao ny taniny ary hopotipotehina i Malkama (Milkoma) andriamaniny. (Je 49:1-5) Nandefa mpandroba hampijaly ny Joda mihitsy aza ny Amonita tamin’ny andron’i Joiakima Mpanjaka, taloha kelin’ny nandravana ny fanjakan’ny Joda.—2Mp 24:2, 3.

Notafihin’ny Babylonianina. Nandositra tany Amona sy Moaba ary Edoma ny Jiosy sasany, rehefa resin’ny Babylonianina i Joda (607 T.K.). Nody indray izy ireo rehefa reny fa i Gedalia no voatendry ho governoran’i Joda. (Je 40:11, 12) Niray tetika tamin’i Ismaela, mpitari-tafika jodianina, anefa i Balisa mpanjakan’i Amona, ka nampamono an’i Gedalia. (2Mp 25:23; Je 40:14; 41:1-3) Nitsoaka tany Amona i Ismaela avy eo.—Je 41:10-15.

Faly erỳ ny Amonita rehefa noravana i Jerosalema. Tonga koa anefa ny andro nanaovan’i Jehovah ampamoaka an’ireo Amonita voafora, noho izy ireo tsy voafora fo. (Je 9:25, 26) Araka ny faminanian’i Jeremia sy Ezekiela ary Amosa, dia nisotro tamin’ny kaopin’ny fahatezeran’i Jehovah ny Amonita, ka matin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana. Natao lao koa ny taniny.—Je 25:17, 21; 27:1-8; Ezk 25:1-10; Am 1:13-15.

Tsy nanaiky hofehezin’ny Babylonianina ny Amonita, matoa i Ezekiela nilaza fa nijoro teo amin’ny sampanan-dalana ny mpanjakan’i Babylona (Nebokadnezara), ary nanao sikidy mba hahitany hoe i Raban’ny taranak’i Amona no hotafihiny sa i Joda. (Ezk 21:19-23, 28-32) I Jerosalema no voafidy tamin’izay. Nilaza anefa i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa niverina i Nebokadnezara ka niady tamin’i Cœlésyrie sy Amona ary Moaba, dimy taona taorian’ny nandravany an’i Jerosalema. (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 181 [ix, 7]) Voalaza fa ho lasa “toeram-pialan-tsasatra ho an’ny ondry aman’osy” i Amona, ary i Raba kosa hatao “kijana ho an’ny rameva.” (Ezk 25:5) Lasan’ireo Tatsinanana mpitaingina rameva tokoa ilay tany, ary natsangany tao ny tranolainy.—Ezk 25:4.

Resin’i Kyrosy i Babylona tatỳ aoriana. Azo inoana àry fa navelany hody tany an-tanindrazany ny Amonita sy ireo firenen-kafa natao sesitany, araka ny Jeremia 49:6.

Nifanambady tamin’ny Israelita. Nody avy tany an-tsesitany ny Jiosy tamin’ny 537 T.K. Anisan’ny lohandohany nanakantsakana ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema i Tobia Amonita. (Ne 4:3, 7, 8) Sahy nampiasa efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly mihitsy aza izy, tatỳ aoriana. Sosotra be i Nehemia ka natsipiny tany ivelany ny fanak’i Tobia. (Ne 13:4-8; jereo TOBIA No. 2.) Maro tamin’ireo Jiosy avy tany an-tsesitany koa no nanambady vehivavy amonita sy hafa firenena, ka voateny mafy. Noroahina àry ireny vehivavy ireny.—Ezr 9:1, 2; 10:10-19, 44; Ne 13:23-27.

Rehefa noroahina niala tao amin’ny tempoly i Tobia, dia novakina sy nampiharina ny Deoteronomia 23:3-6. Voalazan’ilay lalàn’Andriamanitra ao fa tsy mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’Israely ny Amonita sy ny Moabita. (Ne 13:1-3) Nomena io lalàna io efa 1 000 taona teo ho eo talohan’izay, satria tsy nety nanampy an’ireo Israelita nadiva hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Amonita sy ny Moabita. Midika izy io fa tsy afaka ny ho anisan’ny firenen’Israely izy ireo, sady tsy afaka ny hanana ny zo sy tombontsoa rehetra nananan’ny Israelita. Tsy midika anefa izany hoe tsy azon’ny Amonita na Moabita natao mihitsy ny nifandray tamin’ny Israelita na niara-nonina taminy, ka nahazo ny fitahian’Andriamanitra toy ny vahoakany ihany. Efa voalaza tetsy aloha, ohatra, fa Amonita i Zaleka, izay anisan’ireo lehiben’ny miaramilan’i Davida. Moabita koa i Rota.—Rt 1:4, 16-18.

Nanambady an’i Boaza i Rota. Midika izany fa azon’ny vehivavy moabita na amonita natao ny nanambady lehilahy jiosy, raha toa ka lasa mpanompon’ilay tena Andriamanitra izy ireo. Manondro lehilahy ilay hoe “Amonita” sy “Moabita” ao amin’ny Deoteronomia 23:3-6, amin’ny teny hebreo. Milaza àry ny Mishnah jiosy (Yevamôt 8:3) fa ny lehilahy amonita sy moabita ihany no tsy navela ho anisan’ny firenen’Israely. Tsy navela ho anisan’ilay firenena koa anefa ny vehivavy amonita sy moabita raha tsy nanaraka ny fivavahana marina, matoa nasain’i Ezra sy Nehemia noroahina ireo vehivavy hafa firenena nalain’ny lehilahy jiosy ho vady.

Mbola faritany niavaka tsara i Amona hatramin’ny taonjato faharoa T.K., araka ny voalazan’ny tantara sy ny boky tsy anisan’ny Baiboly toy ny 1 Makabeo (5:6). Toa nanjary anisan’ny fanjakana nabateanina anefa izy io, tamin’ny taonjato voalohany T.K. Tsy nisy intsony kosa ny firenena amonita nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo A.K., satria lasa nifangaro tamin’ireo foko arabo. Lasa ‘tahaka an’i Gomora ... tsy nisy mponina’ tokoa i Amona, araka ny faminanian’i Zefania.—Ze 2:8-10.

Manana heviny an’ohatra àry ilay Amona noresahin’i Daniela ao amin’ny faminaniany momba ny “fotoanan’ny farany.” Azo inoana fa manondro an’ireo firenena na fikambanana tsy ho voafehin’ny “mpanjakan’ny avaratra” izy io ao.—Da 11:40, 41.