Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amorita

Amorita

(Amôrìta).

Anisan’ireo zanak’i Kanana “ny Amorita.” Ilazana ny foko kananita rehetra taranaky ny Amorita voalohany koa anefa ny teny hebreo nadika hoe “ny Amorita”, izay amin’ny endriny milaza tokana foana any amin’ny andininy hafa. Avy amin’i Hama àry izy ireo.​—Ge 10:6, 15, 16; 1Ta 1:13, 14.

SARITANY: Tanin’ny Amorita

Nanafika ny faritra atsimon’i Kanana ny mpanjakan’i Elama sy ny mpanjaka telo hafa, tamin’ny andron’i Abrahama. Resin’izy ireo ny Amorita sasany tao Hazazona-tamara, izay toa tany atsimoandrefan’ny Ranomasina Maty. “Efa nanao fifanekena tamin’i Abrama” anefa ny Amorita telo lahy nipetraka teny akaikin’i Hebrona na tao Hebrona, ka nanampy an’i Abrahama hanenjika sy handresy an’ireo mpanafika. Voavonjy àry i Lota zana-drahalahin’i Abrahama. (Ge 14) Nilazan’Andriamanitra i Abrahama fa ‘hahatratra ny fara tampony’ ny fahadisoan’ny Amorita any aoriana. Hiverina any Kanana ny taranak’i Abrahama rehefa avy nivahiny tany an-tany hafa, ka ho lasany ny tanin’ny Amorita.​—Ge 15:13-21.

Nampanantena an’i Josefa toy izao i Jakoba rainy, taloha kelin’ny nahafatesany tany Ejipta: “Homeko tany iray fanampiny ianao, mihoatra noho ny an’ny rahalahinao. Nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako teo an-tanan’ny Amorita izany tany izany.” (Ge 48:22) Ny teny hebreo shekem no nadika hoe “fanampiny” eto. Misy àry mihevitra fa ilay tany novidin’i Jakoba tany akaikin’i Sekema (heb.: Shekem) ilay noresahiny eto. (Ge 33:18, 19) Tsy nila niady anefa i Jakoba mba hahazoana an’io tany io, satria nifanaraka tsara izy sy ilay olona nividianany azy. Nilaza koa izy fa tsy tompon’andraikitra tamin’ny nataon’i Simeona sy Levy zanany lahy, izay nandripaka ny mponina tao Sekema. (Ge 34:30) Nanozona ny fahatezeran’izy roa lahy mihitsy aza izy, tamin’izy efa ho faty. (Ge 49:5-7) Azo lazaina àry fa faminaniana ilay fampanantenan’i Jakoba. Efa tsinjony sahady fa ho resy i Kanana, ka toy ny hoe nampiasa ny sabatra sy ny tsipìkan’ny taranany izy mba ‘hakana ny tanin’ny Amorita.’

Foko lehibe indrindra tany Kanana. Misy mpivaofy teny milaza fa ny foko rehetra tany Kanana no nantsoina hoe “Amorita” ao amin’ny Genesisy 15:16 sy 48:22. Ny Amorita tokoa no foko lehibe indrindra tany Kanana, tamin’ny fotoana nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. (Ampit. De 1:6-8, 19-21, 27; Js 24:15, 18; Mpts 6:10.) Tsy mahagaga àry raha nolazaina hoe Amorita koa indraindray ireo foko kely kokoa. Milaza, ohatra, ny Nomery 14:44, 45 fa ny “Amalekita” sy “Kananita” no voalohany nandresy ny Israelita. Notsorin’i Mosesy anefa tatỳ aoriana hoe “ny Amorita” no nandresy azy ireo. (De 1:44) Milaza koa, ohatra, ny Josoa 10:5 fa Amorita ilay mpanjaka tao Jerosalema (ampit. Ezk 16:3, 45), nefa milaza ny andininy hafa fa ny Jebosita no nonina tao. (Js 15:8, 63; Mpts 1:21; ampitahao koa amin’ny Js 9:7 sy 2Sa 21:2 momba ny Gibeonita.) Mitovitovy amin’izany ihany koa fa avy amin’ny hoe Joda, izay anaran’ny foko iray teo amin’ny Israely, no nahatonga ny Israelita rehetra hantsoina hoe “Jiosy” (midika hoe: An’i Joda).

Tanisaina miaraka amin’ireo foko kananita nahaleo tena koa anefa ny Amorita. Midika izany fa foko hafa mihitsy izy ireo. (Ek 3:8; 23:23, 24; 34:11-15) Anisan’ireo “firenena fito be mponina sady mahery” noho ny Israelita ny Amorita. Tsy maintsy haringana daholo ireo firenena ireo. Tsy nahazo nanao fifanekena tamin’izy ireo àry ny Israely, na nanao fifanarahana ara-panambadiana taminy, na nanompo ny andriamaniny.​—De 7:1-4.

Hitan’ireo 12 lahy nirahin’i Mosesy hijery taratra an’i Kanana, fa tany amin’ny faritra be tendrombohitra ny Amorita sy ny Hetita ary ny Jebosita. Tany Negeba kosa ny Amalekita, ary tany amoron-dranomasina sy amoron’i Jordana ny Kananita. (No 13:1, 2, 29) Mbola tao Hebrona sy tany amin’ny tanàna hafa teny amin’ireo tendrombohitra andrefan’i Jordana ny Amorita, toy ny tamin’ny andron’i Abrahama ihany. (Js 10:5) Notafihin’izy ireo anefa ny tanin’ny Moabita sy Amonita teo atsinanan’i Jordana, tamin’ny Israelita niala tany Ejipta. Lasan’izy ireo àry ilay faritra nanomboka teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona tany atsimo (lasa sisin-tanin’i Moaba tatỳ aoriana), ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka tany avaratra (sisin-tanin’i Amona). (No 21:13, 24, 26; Js 12:2; Mpts 11:22) Nofehezin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita io faritra io. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara, fa “faritra teo afovoan’ny renirano telo [Jordana, Arnona, ary Jaboka] izy io, ka toy ny hoe nosy.” (Rakitry ny Ela Jiosy, IV, 95 [v, 2]) Mbola an’ny Amorita koa ny teo avaratry ny fanjakan’i Sihona, ka i Oga no mpanjaka tany ary tany amin’ny faritr’i Basana ny foiben’ilay fanjakany. Toa nifanila tamin’ny tanin’i Sihona sy ny an’ny Amonita ny sisin-taniny teo atsimo. Hatrany Jaboka tany atsimo ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hermona tany avaratra àry ny tanin’ny Amorita.​—De 3:1, 8.

Resin’ny Israely. Efa hiditra ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, nefa noraran’Andriamanitra tsy handalo tao amin’ny tanin’ny Moabita sy Amonita. (De 2:9, 37) Niera tamin’i Sihona Mpanjaka tany Hesbona renivohiny àry izy ireo mba handalo tao amin’ny taniny. Nanome antoka izy ireo hoe: “Avelao aho handalo ao amin’ny taninao. Tsy hivily ho amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro rano amin’ny lavadrano. Ny lalan’ny mpanjaka no handehananay, mandra-pivoakanay ny taninao.” Nangonin’i Sihona anefa ny miaramilany rehetra mba hiady tamin’ny Israelita, saingy resy tao Jahaza, tsy lavitra an’i Hesbona, izy ireo. Lasan’ny Israelita àry ny taniny manontolo. (No 21:21-32; De 2:24-36; jereo SIHONA.) Resin’ny Israelita koa i Oga mpanjakan’ny Amorita teo akaiky, ka lasan’izy ireo ny tanàna 60 voaro mafy. (No 21:33-35; De 3:1-7; jereo OGA.) Raiki-tahotra mafy àry i Moaba. (No 22:2-4) Nihorohoro koa ny Kananita, araka ny tenin’i Rahaba tamin’ireo mpitsikilo israelita. (De 2:24, 25; Js 2:9-11) Lasa lovan’ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny tanin’ireo mpanjaka roan’ny Amorita ireo.​—No 32:31-33, 39; De 3:8-13.

‘Nihorohoro ny fon’ny’ Amorita teny andrefan’i Jordana, rehefa ren’izy ireo ny fomba nitan’ny Israely an’i Jordana tamin’ny fomba mahagaga. Izany sy ny fandresen’ny Israely teo aloha angamba no anisan’ny antony tsy nanafihan’izy ireo ny tobin’ny Israelita, rehefa avy noforana ny lehilahy israelita rehetra na rehefa nankalaza ny Paska ny Israelita. (Js 5:1, 2, 8, 10) Saika ny foko kananita rehetra anefa no nivondrona mba hiady tamin’ny Israely, taorian’ny naharavan’i Jeriko sy Ay. (Js 9:1, 2) Notafihin’ny “mpanjaka dimy teo amin’ny Amorita” ny Hivita tao Gibeona, satria nifidy ny hihavana tamin’ny Israely. Soa ihany anefa fa tonga namonjy azy ireo ny tafik’i Josoa izay nandeha nandritra ny alina, ary nanao fahagagana i Jehovah.​—Js 10:1-27; 11:19.

Nihena ny herin’ny Amorita tany atsimon’i Palestina, taorian’iny ady iny sy ny fandresen’i Josoa nanerana an’ilay tany. Mbola niray dina tamin’ny foko hafa niady tamin’ny Israely “teo amoron’ny ranon’i Meroma” anefa, ny Amorita tany avaratra. Resy tanteraka izy ireo, ka tsy sahy nanafika ny Israely intsony. (Js 11:1-9) Vitsy sisa no tsy maty tamin’izy ireo, ary lasa kely koa ny taniny. Nampanaovin’ny Israely asa an-terivozona izy ireo tatỳ aoriana. (Js 13:4; Mpts 1:34-36) Naka vady vehivavy amorita anefa ny Israelita ka lasa nanompo sampy. (Mpts 3:5, 6) Voalaza fa ‘nanjary tsy nisy ady teo amin’ny Israely sy ny Amorita’ tamin’ny andron’i Samoela, rehefa resy tanteraka ny Filistinina. Midika izany fa mbola nanafika ihany ny Amorita talohan’izay. (1Sa 7:14) Nampanaovina asa an-terivozona indray izy ireo, tamin’ny andron’i Solomona. (1Mp 9:20, 21) Nalaza ho mpanompo sampy sy ratsy toetra ny Amorita, ary tahaka azy ireo daholo ny Kananita hafa rehetra. (1Mp 21:26; 2Mp 21:11) Mbola naka vady vehivavy amorita ihany ny Israelita sasany avy tany an-tsesitany tany Babylona, ka nampisy olana izany. (Ezr 9:1, 2) Foko lehibe indrindra tany Kanana ny Amorita, nefa lany tamingana tatỳ aoriana, toy ny hazo mijoalajoala tsy misy voany sy fakany intsony.​—Am 2:9, 10.

Ireo “Amoro.” Miresaka ny amin’ny firenena atao hoe Amoro ny soratra miendri-pantsika akadianina fahiny (asyrianina-babylonianina). Nanafika an’i Mezopotamia tany am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K., hono, izy ireo, ary nanana fanjakana tany Babylonia nandritra ny taonjato maro. Ny Amorita resahin’ny Baiboly ihany, hoy ny mpahay tantara, no Amoro. Matetika no lazaina fa “Amorita” i Hammourabi, mpanao lalàna nalaza be tamin’izany.

Asehon’ny porofo anefa fa tsy mitombina ny hoe ny Amorita ihany no Amoro. Midika hoe “andrefana” mantsy ny hoe Amoro ao amin’ireo soratra miendri-pantsika fahiny, ka ilazana ny faritra andrefan’i Mezopotamia. Hoy i A. Sayce momba ny hoe Amoro: “Ilazana fotsiny ny toerana niavian’izy ireo raha oharina amin’i Mezopotamia [izy io], fa tsy ny firazanany na ny tena anarany.” (Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena, nataon’i G. Bromiley, 1979, Boky 1, p. 113) Milaza ny mpahay tantara fa avy tao Mari (tanàna teo amoron’i Eofrata tany amin’ny faritra avaratr’i Mezopotamia) ireo Amoro no niely nankany Mezopotamia. Saika amin’ny teny akadianina semitika (asyrianina-babylonianina) daholo anefa ny takelaka an’arivony hita tao, ary misy anaran’olona taranak’i Sema avy any andrefana. Taranak’i Hama koa, fa tsy taranak’i Sema, ireo Amorita resahin’ny Baiboly. Nampiasa ny fitenin’ny taranak’i Sema angamba ny sasany tamin’izy ireo. Mety ho “Tandrefana” fotsiny anefa ireo Amoro fahiny, ary niara-nonina tamin’ny firenena taranak’i Sema tany amin’ny faritra andrefan’i Babylonia. Hoy i John Bright, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Amoro, na ‘Tandrefana’, no nilazan’ireo soratra miendri-pantsika an’ireo mponina tany amin’ny faritra avaratrandrefan’i Mezopotamia sy ny faritra avaratr’i Syria, nandritra ny taonjato maromaro [tamin’ny faramparan’ny taonarivo fahatelo sy teo am-piandohan’ny taonarivo faharoa T.K.]. Toa izany no fiantsoana an’ireo olona nampiasa tenim-paritra semitika samihafa tany avaratrandrefana, ary azo inoana fa anisan’izy ireo ny razamben’ny Hebreo sy Aramianina.”​—Tantaran’ny Israely, 1981, p. 49.