Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amosa

Amosa

(Amôsa) [Enta-mavesatra; Mitondra Enta-mavesatra].

1. Mpaminanin’i Jehovah sady mpanoratra an’ilay boky mitondra ny anarany, ary velona teo anelanelan’ny 900 sy 801 T.K. (Jereo AMOSA, BOKIN’I.) Tsy taranaka mpaminany anefa izy, sady tsy anisan’ireo lazaina hoe “zanaky ny mpaminany.”​—1Mp 20:35; 2Mp 2:3; 4:1; Am 7:14.

Tekoa no tanàna niaviany. Any amin’ny 16 km eo ho eo any atsimon’i Jerosalema izy io, ary any amin’ny 820 m eo ho eo any ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Ny tany efitr’i Joda no teo atsinanany. Tany karakaina izy io, ary misolampy mankany amin’ny Ranomasina Maty, izay any amin’ny 1200 m any ambany any. Nanao asa tsotsotra i Amosa tamin’ny voalohany, satria mpiompy ondry tany amin’io tany efitra io. (Am 1:1) Nôkedim no teny hebreo nadika hoe “mpiompy ondry” eo amin’io andininy io, ary ankoatra an’io dia indray mandeha ihany (2Mp 3:4) izy io no ampiasaina ao amin’ny Baiboly. Misy ifandraisany amin’ny nôkedim ny hoe nakkad, izay teny arabo ilazana karazana ondry anankiray tena ratsy tarehy fa ny volony kosa lafo vidy be. Nanao asa ambany hafa koa i Amosa tany amin’io tany efitra io, satria mpanindrona aviavidia izy isaky ny fotoam-piotazana. Ny mahantra ihany no nihinana an’io karazana aviavy io. Tsindronina kely izy io, raha tiana ho masaka haingana sady ho ngeza sy mamy kokoa.​—Am 7:14; jereo AVIAVIDIA.

Voalaza fa “nalain’i Jehovah teny am-piandrasana ondry” i Amosa, ary nataony mpaminany. Nantsoin’Andriamanitra mba hanao fanompoana ho an’ny besinimaro izy, toy ny nataony tamin’i Davida mpiandry ondry.​—Am 7:15.

Niasa irery tany an-tany efitra tany atsimo i Amosa tamin’ny voalohany, ary avy eo nirahina tany avaratra, tany amin’ilay fanjakan’ny foko folo mpanompo sampy sy tany Samaria renivohiny.

Roa taona talohan’ilay horohoron-tany lehibe tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’ny Joda no nanomboka ny asan’ny mpaminany i Amosa. I Jeroboama II, zanak’i Joasy, no mpanjakan’ny Israely tamin’izay. (Am 1:1) Tamin’ny fe-potoana iray teo anelanelan’ny 829 sy 804 T.K. tany ho any (izany hoe fe-potoana iray tao anatin’ny 26 taona) àry i Amosa no naminany, satria teo anelanelan’ireo taona ireo izy roa lahy no nanjaka tany amin’ny fanjakany avy. Tena nahery ilay horohoron-tany, hany ka mbola niresaka momba ilay izy i Zakaria efa ho 300 taona tatỳ aoriana.​—Za 14:5.

Tsy fantatra hoe hafiriana i Amosa no naminany tany amin’ilay fanjakana tany avaratra. Nitady hevitra handroahana azy i Amazia, ilay mpisorona nanao asa fisoronana ho an’ilay zanak’omby tao Betela. Nolazainy fa mpanakorontana fanjakana i Amosa. (Am 7:10-13) Tsy voalaza anefa raha nahomby ny tetik’i Amazia na tsia, fa fantatra kosa hoe tsy maintsy niverina tany amin’ny fokony, tao amin’ny faritanin’i Joda, i Amosa rehefa vita ilay asan’ny mpaminany nampanaovina azy. Toa rehefa tafaverina tany Joda izy vao nanoratra an’ilay faminaniana, fa nampitaina am-bava fotsiny ilay izy tamin’ny voalohany. Nilaza i Jérôme sy Eusèbe fa tao Tekoa ny fasan’i Amosa tamin’ny andron’izy ireo. Matetika izy no antsoina hoe mpaminany “madinika”, na dia tsy madinika mihitsy aza ny hevitra nambarany. Nalahatra ho boky fahatelo amin’ireo boky 12 farany ao amin’ny Soratra Hebreo ilay boky nosoratany.

2. Anisan’ny razamben’i Jesosy ity Amosa ity, ary taranaka faha-8 talohan’i Maria.​—Lk 3:25.