Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Amosa, Bokin’i

Amosa, Bokin’i

Natao indrindra ho an’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra ny faminaniana ao amin’io boky anisan’ny Soratra Hebreo io. Toa nambaran’i Amosa ilay faminaniana tamin’ny andron’i Jeroboama II mpanjakan’ny Israely sy Ozia mpanjakan’ny Joda (nifanindry ny fotoana nitondran’izy ireo tamin’ny 829-t. 804 T.K.). (Am 1:1) Nosoratany ilay izy avy eo tamin’ny 804 T.K. tany ho any, angamba rehefa tafaverina tany Joda izy. Misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba azy ao amin’ny AMOSA No. 1.

Neken’ny maro hatry ny ela, anisan’izany ny Jiosy, fa anisan’ny Soratra Masina ny bokin’i Amosa. Hita ao amin’ny lisitra voalohany misy an’ireo boky neken’ny Kristianina ho anisan’ny Soratra Hebreo koa izy io. Naka teny tao amin’ny Amosa i Justin Maritiora tamin’ny taonjato faharoa, ao amin’ilay bokiny hoe Resadresaka Tamin’i Tryphon Jiosy (toko XXII). Mifanaraka tsara amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa ilay bokin’i Amosa, satria miresaka momba ny lalàn’i Mosesy sy tantara hafa ao amin’ny Baiboly. (Am 1:11; 2:8-10; 4:11; 5:22, 25; 8:5) Niaiky ny Kristianina voalohany fa anisan’ny Soratra Masina ilay boky. Nilaza, ohatra, i Stefana maritiora (As 7:42, 43; Am 5:25-27) sy Jakoba rahalahin’i Jesosy (As 15:13-19; Am 9:11, 12) fa tanteraka ny faminaniana sasany ao amin’izy io.

Mifanaraka tsara amin’ny tantara koa ny zavatra nambaran’i Amosa. Voamarina fa ‘nandefasana afo’ na naringana tokoa ny firenena rehetra nomelohiny. Nataon’ny Asyrianina fahirano, ohatra, i Samaria, tanàna voaro mafy, ka resiny tamin’ny 740 T.K. ary nataony ‘sesitany tany ankoatran’i Damaskosy’ ny mponina tao. (Am 5:27; 2Mp 17:5, 6) Nofaizina koa ny Joda tany atsimo ka resy tamin’ny 607 T.K. (Am 2:5) Tanteraka ny teny nampilazain’i Jehovah an’i Amosa, ka nody tany amin’ny taniny ny Israely sy Joda tamin’ny 537 T.K. mba hanorina indray ny tanànany.​—Am 9:14; Ezr 3:1.

Hitan’ireo mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa marina ny tenin’i Amosa hoe nanana “trano ivoara” sy “farafara ivoara” lafo vidy be ireo mpanefohefo tamin’ny androny. (Am 3:15; 6:4) Hoy i Jack Finegan: “Mahaliana fa maro be ny ivoara nofongarina tao Samaria. Takelaka manify na takelaka kely mivohitra ny ankamaroany, izay angamba niraikitra tamin’ny fanaka na nipetaka tamin’ny rindrina.”​—Fanazavan’ny Tantara Fahiny, 1959, p. 187, 188.

Notarihin’ny fanahin’i Jehovah i Amosa mba hampiasa teny tsotra, mivantana, manaitra ny saina, ary mihaja toy ny fampiasan’ny mpaminanin’Andriamanitra. Mafonja sy misy heviny ireo teny nofidiny mba ho azon’ny rehetra, na olona ambony izy na anisan’ny vahoaka. Nampiasa fanoharana samihafa izy, toy ny zavatra fahita any ambanivohitra, mba ho velombelona ny hafatra nambarany. (Am 2:13; 4:2; 9:9) Niresaka an’izay tena nitranga teo amin’ny tantara (1:9, 11, 13; 4:11) sy ny fomba amam-panao tamin’ny androny koa izy. (2:8; 6:4-6) Mirindra tsara sady misy zava-kendrena ilay boky manontolo.

Mpanompon’i Jehovah i Amosa, ka nankalazainy ny tenin’ilay Mahery Indrindra, ny anarany, ny fahamarinany, ary ny zony hitondra. “Tompon’ny tafika sady Tompo Fara Tampony” i Jehovah ka tsy misy tsy takatry ny tanany, izany hoe afaka mampiasa ny heriny hatraiza hatraiza izy. (Am 9:2-5) Na ny masoandro, ny volana, ny antokon-kintana, ary ny herin’ny natiora aza baikoiny. (5:8; 8:9) Tsy ho sarotra aminy àry ny hampiseho fa mahery lavitra noho ireo firenena izy.​—1:3-5; 2:1-3; 9:7.

Hafatra mafonja manambara loza sy fanamelohana an’ireo firenena mpanompo sampy sy Joda ary Israely no nampitain’i Amosa, mifanaraka amin’ny dikan’ny anarany. Nilaza koa anefa izy fa hody any amin’ny taniny ireo tsy mivadika amin’i Jehovah, ka nampahery sy nahavelom-panantenana azy ireo izany.

[Efajoro, pejy 97]

HEVITRA MISONGADINA: AMOSA

Faminaniana natao indrindra ho an’ny Israely na ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, anisan’izany i Dana sy Betela, foiben’ny fivavahana tamin’ny zanak’omby

Nosoratana tamin’ny 804 T.K. tany ho any, tamin’ny andron’i Jeroboama II mpanjakan’ny Israely

Hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo firenena manodidina i Jehovah, ary indrindra fa amin’ny Israely (1:1–2:16)

Amin’i Syria sy Filistia ary Tyro noho izy ireo lozabe tamin’ny Israely

Amin’i Edoma (taranak’i Esao) sy Amona (taranak’i Lota) noho izy ireo nankahala sy nampijaly ny Israelita rahalahiny; amin’i Moaba noho izy nandoro ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma mba hahazoana sokay

Amin’ny Joda noho izy tsy niraharaha ny lalàn’i Jehovah

Amin’ny Israely noho izy nampahory ny mahantra, ratsy fitondran-tena, tsy nanaja an’ireo mpaminanin’Andriamanitra sy Nazirita; tsy ho afa-maina

Fanamelohan’i Jehovah ny Israely (3:1–6:14)

Nofidin’i Jehovah manokana ny Israely; hataony ampamoaka

Maminany ny mpanompon’i Jehovah rehefa ampahafantarina ny fikasany; hataon’i Jehovah ampamoaka ireo mpanompo sampy tao Betela sy ireo nanana fiainana mirenty nanambaka olona tao Samaria

Tsy niverina tamin’i Jehovah ny Israely na dia efa nosazina aza; nilazana hoe: “Miomàna hifanatrika amin’Andriamanitrao”

Nampitandrina momba an’ireo loza ho avy i Jehovah sady nampirisika hoe: “Mitadiava ahy, dia ho velona ianareo”, “Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara”

Fahitana sy faminaniana momba ny farany ho an’ny Israely (7:1–8:14)

Fahitana tany lao nolalovan’ny andiam-balala; nitalaho i Amosa

Fahitana afo nandravarava; nitalaho indray i Amosa

Nampiasa pilao teo amin’ny Israely i Jehovah; tsy holeferina intsony ny fahadisoany

Nodidian’ny mpisorona tao Betela tsy haminany ao intsony i Amosa; naminany izy fa hisy loza hanjo azy io

Harona nisy voankazo masaka fahavaratra: Tonga ny farany ho an’ny Israely

Mosary na faniriana handre ny tenin’i Jehovah

Hosazina ary hampodina (9:1-15)

Tsy misy toerana azo andosirana; tsy misy toerana tsy tratran’ny tanan’i Jehovah Tompo Fara Tampony

Haorina indray ny trano rantsankazon’i Davida (lapa); hampodina ireo babo ka tsy hanana ahiahy intsony