Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampahafolon-karena

Ampahafolon-karena

Hetra 10 isan-jato nomena na naloa mba hanohanana fivavahana.

Resahin’ny Baiboly fa nisy olona roa nanome ny ampahafolon’ny fananany ho an’Andriamanitra na ny solontenany, talohan’ny nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna. I Abrahama ny iray: Nomeny an’i Melkizedeka ny ampahafolon’ny zavatra nobaboiny tamin’izy nandresy an’i Kedorlaomera sy ny mpiray dina taminy. (Ge 14:18-20) Toy ny hoe nandoa ny ampahafolon-karena tamin’i Melkizedeka i Levy tamin’izay, satria mbola tao an-kibon’i Abrahama izy. Porofo izany, hoy ny apostoly Paoly, fa lehibe noho ny fisoronan’ny taranak’i Levy ny an’i Kristy izay mpisorona tahaka an’i Melkizedeka. (He 7:4-10) I Jakoba kosa ny iray: Nivoady izy tao Betela fa homeny an’Andriamanitra ny ampahafolon’izay hananany.​—Ge 28:20-22.

An-tsitrapo no nanomezan’i Abrahama sy Jakoba ny ampahafolon’ny fananany. Tsy nodidiany hanome izany koa ny taranany. Tsy fomba fanaon’ny mpanompon’i Jehovah na lalàna tamin’izany àry ilay izy. Tsy fanaon’ny Hebreo fahiny na lalàna narahiny koa ilay izy, matoa i Jakoba nivoady hanome ny ampahafolon’izay hananany. Rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna vao notakina ny fandoavana ny ampahafolon-karena.

Lalàn’i Mosesy momba ny ampahafolon-karena. Nisy antony matoa i Jehovah nandidy ny Israely hanome ny ampahafolon-karena, afa-tsy tamin’ireo taona Sabata, izay tsy nisy vokatra niakatra. Toa nisy karazany roa ilay ampahafolon-karena. (Le 25:1-12) Mihevitra anefa ny manam-pahaizana sasany fa iray ihany ilay izy. Tsy maintsy nanome ny ampahafolon-karena ny Israely, ankoatra ny voaloham-bokatra.​—Ek 23:19; 34:26.

Ny ampahafolon’ny vokatry ny tany sy voankazo ary biby fiompy (izany hoe ny naterak’ireo biby) ilay ampahafolon-karena voalohany, ary nomena ny Levita tao amin’ny toerana masina. Tsy nanana lova tao amin’ilay tany mantsy izy ireo, fa nanompo tao amin’ny toerana masina. (Le 27:30-32; No 18:21, 24) Nomen’ny Levita ho an’ny mpisorona taranak’i Arona kosa ny ampahafolon’izay azony.​—No 18:25-29.

Voa efa avy teny am-pamoloana sy voaloboka natao divay ary oliva navadika ho menaka no nomena ho ampahafolon-karena. (No 18:27, 30; Ne 10:37) Azo navadika ho vola koa ilay izy, fa nampiana ampahadiminy fotsiny. (Le 27:31) Toy izao kosa ny natao tamin’ny biby fiompy: Navoaka tsirairay avy tao am-bala izy ireo, ary nitsangana teo anilan’ny vavahady ny tompony. Tsy nijery na nifidy mialoha izy, fa nomarihiny tamin’ny tehiny ary natokany izay rehetra fahafolo tamin’ireo nivoaka teo am-bavahady.​—Le 27:32, 33.

Toa nisy ampahafolon-karena hafa koa natokana isan-taona. Tsy nanohanana mivantana ny Levita ilay izy, na dia nahazo tamin’ilay izy ihany aza izy ireo, fa nampiasain’ny fianakaviana tsirairay sy nahafahany nifalifaly kosa, isaky ny fety. Azo navadika ho vola ilay izy raha tsy zaka nentina tany Jerosalema noho ny halaviran-dalana. Ilay vola indray no nampiasain’ilay fianakaviana tany Jerosalema, mba hahazoany izay nilainy sy hifaliany nandritra ny fivoriambe masina. (De 12:4-7, 11, 17, 18; 14:22-27) Natokana ho an’ny Levita, mpivahiny, mpitondratena, ary kamboty ray tao an-tanàna kosa ilay ampahafolon-karena, isaky ny nifarana ny taona fahatelo sy fahenina talohan’ny taona Sabata nanaraka (Sabata isaky ny fito taona).​—De 14:28, 29; 26:12.

Tsy navesatra ilay lalàna momba ny ampahafolon-karena. Nampanantena koa Andriamanitra fa hamoha “ny vavahadin-dranon’ny lanitra” ka handrotsaka fitahiana be dia be, raha narahina ilay lalàna. (Ml 3:10; De 28:1, 2, 11-14) Sahirana kosa ny mpisorona sy ny Levita ka voatery niasa, raha tsy narahina ilay lalàna. Lasa tsirambina àry ny fanompoana tao amin’ny tempoly. (Ne 13:10) Niala tsikelikely tamin’ny fivavahana marina koa ny vahoaka. Mampalahelo fa nivadika ny foko folo, ka nampiasainy hanohanana ny fivavahana tamin’ny zanak’omby ny ampahafolon-karena. (Am 4:4, 5) Nanome ny ampahafolon-karena ho an’ny Levita indray ny Israely rehefa nifikitra tamin’i Jehovah, ary rehefa nanao izay mahitsy ny mpitondra azy. Nitana ny teniny àry i Jehovah ka tsy nisy nahory azy ireo.​—2Ta 31:4-12; Ne 10:37, 38; 12:44; 13:11-13.

Tsy nilaza ny Lalàna hoe hosazina izay tsy nandoa ny ampahafolon-karena. Ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay kosa no nanosika azy hankatò an’ilay lalàn’i Jehovah. Tsy maintsy nilaza tamin’i Jehovah koa ny rehetra hoe voaloa daholo ilay izy, rehefa nifarana ilay taona fahatelo. (De 26:12-15) Toy ny hoe nangalatra taminy mantsy izy ireo raha nisy tsy naloany.​—Ml 3:7-9.

Nazoto nandoa ny ampahafolon-karena sy nanao fombafomba ara-pivavahana ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany, indrindra fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Fisehosehoana fotsiny izany, fa ny fony kosa lavitra an’Andriamanitra. (Mt 15:1-9) Notenenin’i Jesosy mafy izy ireo satria tia tena sy nihatsaravelatsihy. Nomen’izy ireo daholo mantsy ny ampahafolon’ny “anana toy ny solila sy ny aneta ary ny komina” (izay tokony homeny), nefa tsy noraharahainy “izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, dia ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.” (Mt 23:23; Lk 11:42) Nihevi-tena ho marina ny Fariseo iray tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, noho izy nifady hanina sy nanome ny ampahafolon-karena. Ny mpamory hetra iray noheverin’ilay Fariseo ho tsinontsinona kosa anefa, nanetry tena sy niaiky heloka tamin’Andriamanitra ary niangavy Azy hamindra fo taminy.​—Lk 18:9-14.

Tsy takina amin’ny Kristianina. Tsy nodidiana handoa ny ampahafolon-karena mihitsy ny Kristianina voalohany. Nandoa ilay izy ny Israely teo ambanin’ny Lalàna, mba hanohanana ny mpisorona sy ny fanompoana tao amin’ny tempoly. Tsy notakina intsony àry ny ampahafolon-karena, rehefa nofantsihana niaraka tamin’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ny Lalàn’i Mosesy. (Ef 2:15; Kl 2:13, 14) Marina fa mbola nisy mpisorona sy Levita nanompo tao amin’ny tempoly, mandra-paharavan’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Lasa mpisorona anisan’ny Israely ara-panahy anefa ny Kristianina nanomboka tamin’ny taona 33, ka tsy nivelona tamin’ny ampahafolon-karena.​—Ro 6:14; He 7:12; 1Pe 2:9.

Nampirisihina hitory sy hanao fanomezana kosa ny Kristianina, mba hanohanana ny fanompoany. Tsy nofaritana ny vola tokony ho nomeny hisahanana izay nilain’ny fiangonana. Nanome ‘araka izay nananany’ kosa ny Kristianina tsirairay, ‘araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy tamin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.’ (2Ko 8:12; 9:7) Narahiny izao toro lalana izao: “Aoka hatao mendrika hahazo fanajana roa heny ny anti-panahy mahay mitondra, indrindra fa izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana. Hoy mantsy ny Soratra Masina hoe: ‘Aza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana’, sy hoe: ‘Mendrika hahazo karama ny mpiasa.’” (1Ti 5:17, 18) Fakan-tahaka i Paoly satria niezaka izy mba tsy hampitondra enta-mavesatra ny fiangonana.​—As 18:3; 1Te 2:9.