Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampemby

Ampemby

[Heb.: han].

Heverina mazàna fa ilazana ny ampemby (Panicum miliaceum) sy ny ahitra lehibe mitovy karazana aminy, toy ny sôrgô na bakaka, ny teny hebreo hoe han. Lehibe ny ravin’ampemby, ary misampantsampana sy be voa ary henjana ny salohiny. Atao sakafon’ny biby fiompy ny tahony, fa ny voany bitika (afangaro voamadinika hafa) kosa mbola anaovana mofo any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. (Ezk 4:9) Toa ampemby koa ilay hoe sôhrah (heb.) resahin’ny Isaia 28:25.