Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampondra

Ampondra

[Heb.: hamôhr; ʼathôhn: “ampondravavy”; ʽayir: “ampondra”; gr.: ônôs; ônariôn: “zanak’ampondra”].

Biby mafy kitro anisan’ny fianakaviamben’ny soavaly saingy kely kokoa, fohy kokoa ny volo amin’ny hatony, lava sofina kokoa, ary fohy kokoa ny rambony izay misy volo matevina ny tendrony. Tsy mora mianjera izy satria kely matsoko ny kitrony, ka tsy sarotra aminy ny mandeha eny amin’ny faritra mikitoantoana sy be tendrombohitra any Palestina. Malaza ho tsy misaina sy mafy loha ny ampondra, nefa kinga saina noho ny soavaly izy, raha ny marina. Manam-paharetana sy tsy mora mitroatra koa izy, na dia anisan’ny biby ampijalin’ny olona matetika aza.

Efa hatry ny ela no mpitondra entana, mpitatitra olona, ary mpitarika sarety na zavatra hafa ny ampondra (Equus asinus). Ny tantaran’i Abrahama no miresaka voalohany azy io ao amin’ny Baiboly. (Ge 12:16; 22:3; Js 15:18; 2Ta 28:15; Is 30:24) Niasa mafy nitondra entana ny ampondra, ka noharin’i Jakoba tamin’io biby io i Isakara zanany. (Ge 49:14) Toy ny ampondra maimay mitady vavy kosa ny fanjakan’ny Joda noho izy nijangajanga tamin’ny firenen-kafa.​—Ezk 23:20.

Nampiasaina tamin’ny ady koa ny ampondra, matoa nahita “kalesin’ady tarihin’ampondra” i Isaia mpaminany tao amin’ny fahitana. (Is 21:7) Natao mpitondra entana angamba izy ireny, na nitaingenan’ny miaramila. Mahaliana fa nampiasa ampondra ny tafik’i Persa, hoy i Hérodote, Grika mpahay tantara (IV, 129).

Biby maloto ny ampondra, hoy ny Lalàna, ka tsy azo natao sorona ny voalohan-terak’izy io. An’i Jehovah anefa ny voalohan-teraka rehetra, ka nilaina ny nanome ondry hanavotana ny voalohan-teraky ny ampondra, fa raha tsy izany dia novelezina ny hatony mba hahafaty azy.​—Ek 13:13; 34:20.

Mafy loatra ny mosary nandritra ny fahirano nataon’i Beni-hadada Mpanjaka, ka nihinana ampondra ny mponin’i Samaria na dia biby maloto aza izy io. Lasa lafo be (farantsa volafotsy 80 na 176 dolara, raha sekely ilay farantsa) na dia ny lohan’ampondra aza, izay tsy fihinana mihitsy fa be taolana sy zara raha nisy nofo.​—2Mp 6:24, 25.

Mila anehoana fiahiana ny biby fiompy, toy ny ampondra, araka ny didin’Andriamanitra. Tsy tokony havela amin’izao izy io raha mivalampatra voatsindrin’ny entana. (Ek 23:5) Tsy azo ampiraisina zioga koa ny ampondra sy omby, satria tsy mitovy habe sy tanjaka ka hijaly ilay ampondra.​—De 22:10.

Nanana ampondra maro ny Israelita. Ampondra 61 000 be izao, ohatra, no azony babo, tamin’ny Midianita fotsiny. (No 31:3, 32-34) Saika nanana ampondra ny tokantrano rehetra, matoa resahin’ny Baiboly imbetsaka io biby io. (De 5:21; 22:4; 1Sa 12:3) Ampondra iray ho an’olona enina teo ho eo (tsy nisaina ny mpanompo sy mpihira) koa tamin’ny antsalany, ny an’ireo niara-nody tamin’i Zerobabela avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Ezr 2:1, 2, 64-67; Ne 7:66-69) Voateny mafy ny Israely nivadika satria tsy nety nanaiky an’i Jehovah, nefa ny ampondra aza mahalala hoe manan-tompo izy.​—Is 1:3.

Notaritaritina tany ivelan’ny tanàna fotsiny izay ampondra maty, ary natsipy teny ambony fako. Hoy àry ny Jeremia 22:19 momba ny fietren’i Joiakima zanak’i Josia: “Halevina toy ny fandevina ampondra izy, ka hotaritaritina sy hatsipy any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.” Niavonavona sy tsy nanam-pinoana mantsy io mpanjakan’ny Joda io.

Nitaingina ampondra ny lehilahy sy vehivavy israelita, na dia ny olo-nanan-kaja aza. (Js 15:18; Mpts 5:10; 10:3, 4; 12:14; 1Sa 25:42) Rehefa hosorana ho mpanjaka i Solomona, dia nitaingina ny ramolen’i Davida rainy (zanak’ampondra lahy sy soavaly vavy ny ramole). (1Mp 1:33-40) Lehibe noho i Solomona i Jesosy, ka nety tsara raha tsy soavaly, fa zanak’ampondra “mbola tsy nitaingenan’olona mihitsy” no nitaingenany, ho fahatanterahan’ny Zakaria 9:9.​—Lk 19:30, 35.

Mifanohitra, hono, ny voalazan’ny Filazantsara momba ny biby nitaingenan’i Jesosy, tamin’izy niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema. Nilaza i Marka (11:7) sy Lioka (19:35) ary Jaona (12:14, 15) fa nitaingina zanak’ampondra i Jesosy, ary tsy niresaka ampondra efa lehibe ry zareo. I Matio (21:7) kosa nilaza fa nentin’ny mpianatra “ilay ampondra sy ny zanany, ka nametrahany ny akanjony ivelany, ary teo amin’izany i Jesosy no nipetraka.” Tsy hoe nipetraka teo ambony biby roa akory i Jesosy, fa teo amin’ireo akanjo natao teo ambonin’ilay zanak’ampondra kosa. Tsy niresaka momba ilay ampondra lehibe àry i Marka sy Lioka ary Jaona, satria tsy io no nitaingenan’i Jesosy fa ny zanany.

Ampondradia. Mitovy bika amin’ny ampondra ompiana ihany ny ampondradia [heb.: ʽarôhd; aram.: ʽarad], saingy monina any an-tany efitra sady tsy misy mahafehy azy. Marina àry ny voalazan’ny Baiboly hoe toy ny ‘mivaha ny tadiny.’​—Jb 39:5.

Monina any amin’ny lemaka karakaina sy tanin-tsira, lavitry ny tabataban’ny tanàn-dehibe, ny ampondradia (Equus hemionus). Halaviriny ny toerana misy olona, ary “tsy misy dikany aminy ny fitsaitsaikan’ny mpijoko azy.” Mailo be mantsy ny ampondradia satria matsilo maso sy sofina ary mora mahare fofona, ka handositra faran’izay haingana izy raha misy mijoko azy. Mifindrafindra monina mitady zava-maitso izy, ary mitety tendrombohitra mihitsy aza mba hitady tanimbilona. Haniny daholo rehefa mety ho zava-maitso, ary laniny hatramin’ny fakany. Mihinan-tsira koa izy. (Jb 39:5-8) Tsy tia fehifehezina ny ampondradia sady aleony lavitry ny toerana misy olona. Mazava àry hoe nahoana no lazaina fa niara-nitoetra fito taona tamin’ny ampondradia i Nebokadnezara rehefa lasa adala.​—Da 5:21; jereo ZEBRA.