Amzy
(Amzỳ) [fanafohezana ny hoe Amazia, izay midika hoe “Mahery i Jehovah”].
1. Levita anisan’ny fianakaviamben’i Merary. Izy no razamben’ilay Etana notendren’i Davida ho mpihira tao an-tranon’i Jehovah.—1Ta 6:31, 44-47.
2. Mpisorona zanak’i Zakaria. Izy no razamben’ilay Adaia nonina tany Jerosalema sy nanompo tao amin’ny tempoly, tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 11:12.