Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ana

Ana

(Àna).

1. Zanakalahin’i Zibona, ary rain’i Oholibama vadin’i Esao. (Ge 36:2, 14, 18, 20, 24, 25; 1Ta 1:34, 40, 41) Izao no voalazan’ny soratra hebreo, ao amin’ny Genesisy 36:2: “Oholibama zanakavavin’i Ana zanakavavin’i Zibona.” “Zanakalahin’i Zibona” kosa no hita ao amin’ny Peshitta syriàka sy ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina ary ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary mifanaraka amin’ny Genesisy 36:24 izany, satria voalaza ao fa zanakalahin’i Zibona i Ana. Misy Baiboly maoderina koa milaza hoe “zanakalahin’i Zibona” eo amin’ny andininy faha-2 sy 14. (RS, AT, JB) Malalaka kokoa anefa ny hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “zanakavavy” eto. Mety hidika hoe zafikely vavy koa mantsy izy io. Mety ho i Oholibama àry fa tsy i Ana no resahina eo. Izany no mahatonga ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hilaza toy izao ao amin’ny Genesisy 36:2: “Oholibama zanakavavin’i Ana sady zafikelin’i Zibona Hivita.”

Misy mihevitra fa olona roa samy hafa no manana anarana hoe Ana eto. Lazaina hoe “Hivita” mantsy i Ana eo amin’ny andininy faha-2, nefa “Horita” kosa eo amin’ny andininy faha-20 sy 29. Raha midika fotsiny hoe “mponina an-dava-bato” anefa ny hoe “Horita”, dia azo ilazana koa an’ireo Seirita zatra nonina an-dava-bato, fa tsy natao hanazavana momba ny firazanana. Toa malalaka kokoa àry ny hevitr’ilay teny nadika hoe ‘zanakalahy’ eo amin’ny andininy faha-20 (Prot.), ka midika hoe taranaka. Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1882, Boky I, p. 212): “Tsy natao hanazavana ny razamben’ny Seirita io tetirazana io, fa natao kosa hitanisana an’ireo Seirita lehibem-poko izay nifandray tamin’ny Edomita. Toa midika izany fa lehiben’ny foko iray tsy niankina tamin’ny fokon-drainy ilay Ana niteraka ny vadin’i Esao. Tsy ambony na ambany noho ilay fokon-drainy io fokony io.”

2. [Avy amin’ny teny heb., ary midika hoe “Fiantrana, Hatsaram-panahy”]. Mpaminanivavy sady zanakavavin’i Fanoela, ao amin’ny fokon’i Asera. Anarana grika izy io, ary mifanitsy amin’ilay anarana hebreo hoe Hana.

Nandritra ny fito taona monja i Ana no nanambady, dia lasa mpitondratena. Efa 84 taona izy, rehefa nentina tao amin’ny tempoly i Jesosy. Mbola zazakely i Jesosy tamin’izay. Tonga tsy tapaka tao amin’ny tempoly i Ana, ary azo inoana fa tao foana izy, nanomboka tamin’ny fanatitra maraina ka hatramin’ny fanatitra hariva. Nahazo fitahiana izy vokatr’izany, satria nahita an’i Jesosy, sady afaka niresaka momba azy tamin’ny hafa. Voalaza fa “sady nifady hanina no nitalaho tamim-bavaka” izy. Midika izany fa nalahelo sy niandrandra mafy fiovana izy. Nahoana? Efa an-jatony taona mantsy ny Jiosy no niharan’ny famoretana. Simba koa ny fifandraisan’ilay firenena tamin’Andriamanitra, ka nisy vokany tamin’ny tempoly sy ny mpisorona nanompo tao izany. Marina fa tsy nanantena i Ana hoe mbola ho velona rehefa lehibe i Jesosy, nefa faly izy nanambara tamin’ny hafa fa hitondra fanafahana io Mesia nampanantenaina io.​—Lk 2:36-38.