Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anaba

Anaba

(Anàba) [Voaloboka].

Tanàna tany amin’ireo havoana any amin’ny faritra atsimon’i Joda. Noroahin’i Josoa ny Anakita goavam-be nonina tao. (Js 11:21; 15:48, 50) Maro no mihevitra azy io ho i Kirbet ʽAnab es-Sagireh, 1,5 km any andrefan’i Edh Dhahiriya, eo antenantenan’i Hebrona sy Beri-sheba. Kiriata-anab no toa anarany tany am-boalohany, satria Krt ʽnb no iantsoan’ny asa soratra ejipsianina azy io.