Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anakandriamaso

Anakandriamaso

Ilay teboka eo afovoan’ny faritra boribory miloko ao anatin’ny tapotsimaso. Toa mainty no fahitana azy satria maizina be ny ao ambadik’izy io. Miovaova ny haben’ny anakandriamaso arakaraka ny hazavana miditra eo amin’ny maso. Avy eo amin’ny sarontapotsimaso no miditra ny hazavana, dia mankao amin’ny anakandriamaso, ary miantefa eo amin’ny family (cristallin).

Misy teny hebreo ampiarahina mba hilazana ny hoe anakandriamaso: Eo ilay teny hebreo hoe ʼishôhn ampiarahina amin’ny hoe ʽayin (maso) (De 32:10; Oh 7:2), ka midika ara-bakiteny hoe “lehilahy kelin’ny maso.” Eo koa ilay teny hebreo hoe bat ampiarahina amin’ny hoe ʽayin, ary midika ara-bakiteny hoe “zanakavavin’ny maso”, toy izay hita ao amin’ny Fitomaniana 2:18. Miaraka ampiasaina ireo teny hebreo ireo ao amin’ny Salamo 17:8 (ʼishôhn bat-ʽayin) mba ho fanamafisana, ary midika ara-bakiteny hoe “lehilahy kely, zanakavavin’ny maso” (“anakandriamaso”, TV). Azo inoana fa ny tiana horesahina amin’izany dia ilay sary bitika kelin’ny olona iray hita eo amin’ny anakandriamason’olon-kafa.

Tena marefo sy mora mandre maharary ny maso, ka na singam-bolo sy piti-bovoka kely monja aza no eo anelanelan’ny hodi-maso sy ny maso dia tonga dia fantany. Tena tokony harovana sy hotandremana ilay sosona manify tantera-pahazavana antsoina hoe sarontapotsimaso. Lasa tsy mahita tsara na jamba mantsy ny olona raha kiaka izy io na misy zavatra manarona azy noho ny aretina. Mampiasa ny teny hoe “anakandriamaso” ny Baiboly mba hanantitranterana fa tena tokony hotandremana mafy ny zavatra iray, anisan’izany ny lalàn’Andriamanitra. (Oh 7:2) Milaza ny Deoteronomia 32:10 fa niaro ny firenen’Israely “toy ny anakandriamasony” Andriamanitra, toy ny iarovan’ny ray ny zanany. Nivavaka tamin’Andriamanitra i Davida mba harovany sy hokarakarainy toy ny “anakandriamaso.” (Sl 17:8) Tiany hamonjy azy haingana i Jehovah rehefa nisy fahavalo nanafika azy. (Ampit. Za 2:8; bavat ʽayin no teny hebreo nadika hoe ‘anakandriamaso’ ao.)​—Jereo MASO.