Anamima
(Anamìma).
Taranak’i Hama avy tamin’i Mizraima. Iantsoana an’i Ejipta koa ny hoe Mizraima, ka mety ho nanorim-ponenana tany Ejipta na tany amin’iny faritra iny ny Anamima. (Ge 10:13; 1Ta 1:11) Toa “Anami” no iantsoana azy ireo ao amin’ny soratra miendri-pantsika tamin’ny andron’i Sargona II mpanjakan’i Asyria (faramparan’ny taonjato fahavalo T.K.).