Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anania

Anania

(Ananìa) [Namaly Ahy i Jah].

1. Rain’i Mahaseia sady raiben’i Azaria. Anisan’ireo nanampy an’i Nehemia i Azaria rehefa namboarina indray ny mandan’i Jerosalema.​—Ne 3:23.

2. Tanàna nonenan’ireo anisan’ny fokon’i Benjamina, taorian’ny sesitany. (Ne 11:32) Voalaza fa io ihany ilay Betania (el-ʽAzariyeh [El ʽEizariya]), 2,5 km any atsinanana atsimoatsinanan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema.​—Jereo BETANIA No. 1.