Anatota
(Anatôta).
1. Benjamita zanakalahin’i Bekera.—1Ta 7:8.
2. Iray tamin’ireo lohandohany teo amin’ny vahoaka. Nanisy tombo-kase an’ilay fifanekena hanaraka ny fivavahana madio amin’i Jehovah ny Ne 9:38; 10:1, 19.
taranany, na izy mihitsy, tamin’ny andron’i Nehemia.—3. Tanànan’ny Levita tany amin’ny tanin’i Benjamina. (Js 21:17, 18; 1Ta 6:60) Mbola ahitana an’io anarana io ao amin’ny anaran’ilay tanàna kely hoe ʽAnata, tsy ampy 5 km any avaratra avaratratsinanan’i Jerosalema. Maro anefa no mihevitra fa tao Ras el-Karrobeh, tokotokony ho 800 m any atsimoandrefan’i ʽAnata, no tena nisy an’i Anatota. Tazana eny amin’ireo havoana misy azy io ny Lohasahan’i Jordana sy ny ilany avaratra amin’ny Ranomasin-tsira. Avy any Anatota ny roa tamin’ireo lehilahy maherin’i Davida. (2Sa 23:27; 1Ta 12:3) Tany Anatota i Abiatara no nandeha rehefa noroahin’i Solomona, ka tsy nisy mpisoronabe taranak’i Ely intsony nanomboka hatreo. (1Mp 2:26) Anisan’ireo tanàna nampahorin’ny tafika asyrianina i Anatota.—Is 10:30.
Avy any Anatota i Jeremia nefa lasa ‘mpaminany tsy nohajain’ny’ olona iray tanàna taminy. Nifofo ny ainy izy ireo satria nitory ny fahamarinana avy tamin’i Jehovah izy. (Je 1:1; 11:21-23; 29:27) Nilaza mialoha ny loza hanjo an’ilay tanàna àry i Jehovah, ka nitranga tokoa izany rehefa nanafika an’ilay tany i Babylona. (Je 11:21-23) Talohan’ny haharava an’i Jerosalema, dia nampiasa ny zony i Jeremia ka novidiny ny tanin’ny zanaky ny rahalahin-drainy tao Anatota, ho famantarana fa mbola honenana indray ilay tany aorian’ny sesitany. (Je 32:7-9) Nisy 128 ny lehilahy avy tao Anatota, izay anisan’ny andiany voalohany nody avy tany an-tsesitany niaraka tamin’i Zerobabela. Iray tamin’ireo tanàna nonenana indray àry i Anatota, ka tanteraka ny faminanian’i Jeremia.—Ezr 2:23; Ne 7:27; 11:32.