Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andilana

Andilana

Faritra amin’ny tenan’ny olombelona, eo ambanin’ny taolan-tehezana, ary tonga hatrany amin’ny foto-pe. Halatsayim sy môtnayim no teny hebreo ampiasain’ny Baiboly ilazana ny andilana. (Is 5:27; 2Mp 4:29) Ôsfys kosa no teny grika ampiasaina rehefa miresaka momba ny andilan’i Jaona Mpanao Batisa izay nanao fehikibo hoditra.​—Mt 3:4.

Eo amin’ny faritry ny “andilana” no misy ny taovam-pananahana, ka izany no antony ilazana hoe ‘avy amin’ny andilana’ ny taranaka. (Ge 35:11, f.a.p.; 1Mp 8:19, f.a.p.; As 2:30) Io hevitra io no tao an-tsain’i Paoly tamin’izy nilaza fa mbola tao an-kibon’i (a.b.t.: tao amin’ny andilan’i) Abrahama i Levy, tamin’i Abrahama nandoa ampahafolon-karena tamin’i Melkizedeka ka toy ny hoe nandoa ilay ampahafolon-karena koa i Levy. Te hanaporofo mantsy i Paoly fa mpisorona ambony kokoa noho i Arona (taranak’i Levy) i Jesosy izay mpisorona tahaka an’i Melkizedeka. (He 7:5-10; Ge 14:18-20) Izany koa no hevitra tao an-tsain’i Paoly rehefa nilaza izy hoe: “Velona tsy nanan-dalàna aho fahiny. Rehefa tonga anefa ny didy, dia velona indray ny ota, fa izaho kosa maty.” Velona tsy nanan-dalàna izy fahiny satria noho izy Jiosy dia mbola tao amin’ny andilan’ny razambeny izy talohan’ny nanomezana ny Lalàna.​—Ro 7:9.

Matetika no nanao fehikibo teo amin’ny andilana ny olona, indrindra fa ny miaramila. Nasisiky ny miaramila teo ambanin’ny fehikibony, na naraikiny teo amin’ilay fehikibo, ny tranon-tsabatra. (2Sa 20:8; Ne 4:18) Teo amin’ny andilany no nitondran’ny mpitan-tsoratra ny fitoeran-dranomainty, ary nataony teo ambanin’ny fehikibony ilay izy. (Ezk 9:2) Nisikina lamba gony teo amin’ny andilana ny olona nisaona.​—Ge 37:34; Am 8:10.

Rehefa hanao asa mafy mitaky herim-batana ny olona, dia “nofeheziny teo amin’ny andilany” ny akanjony. Matetika no nalainy ny morontongotr’akanjony, ka nampandaloviny teo anelakela-peny ary nasisiny tao ambany fehikibony avy eo. Rehefa nihinana ny Paska tany Ejipta ny Israelita, dia nisy sikina teo amin’ny andilany sady efa vonona ny handeha izy ireo. Nisy sikina koa teo amin’ny andilan’i Elia tamin’izy nihazakazaka teo anoloan’ny kalesin’i Ahaba.​—Ek 12:11; 1Mp 18:46.

Miverina imbetsaka ao amin’ny Levitikosy 3:4-15 ilay teny hebreo hoe kesel (tehezana) rehefa miresaka momba ny sorona iombonana. Nadika hoe “andilana” io teny io ao amin’ny Joba 15:27 sy Salamo 38:7.

Heviny an’ohatra. Tena miasa be ny hozatry ny andilana rehefa mibata na mitondra zavatra mavesatra. Izany no mahatonga ny Salamo 66:11 hilaza hoe: “Nasianao enta-mavesatra teo amin’ny andilanay.” Ny hoe manatanjaka ny andilana dia midika hoe miomana hampiasa hery, ohatra hoe rehefa hiady. (Na 2:1, f.a.p.) Voalaza fa ny vehivavy mahafatra-po dia miomana hanao asa mafy (a.b.t.: feheziny hery ny andilany), sady mampiasa ny herin-tsandriny hanaovana asa maro samihafa mba hahasoa ny ankohonany. (Oh 31:17) Voalaza kosa hoe mangozohozo ny andilan’ny olona rehefa kely hery izy noho ny tahotra na ny fijaliana na ny faharesena. (Sl 69:23; Ezk 21:6; 29:7) Ny hoe mamaha ny fehikibo eo amin’ny andilan’ny mpanjaka dia midika hoe manaisotra ny hery ananan’ilay mpanjaka.​—Is 45:1.

Ny hoe ‘misikina’ (a.b.t.: mamehy ny andilana) dia midika hoe manambatra ny morontongotr’akanjo sy mampakatra ary manitrika izany ao ambany fehikibo mba hahafahana hanao asa vatana. Lasa fomba fiteny ny hoe ‘misikina’, ary nampiasaina hilazana hoe miomana hiatrika asa mitaky herin-tsaina na miomana hanao fanompoana an’Andriamanitra. Midika hoe mampahery koa izy io indraindray.​—Lk 12:35, f.a.p.; 1Pe 1:13, “hatanjaho hiatrika asa ny sainareo [a.b.t.: fehezo ny andilan’ny sainareo].”

Ilazana ny Kristianina hoe: “Ataovy fehikibo eo amin’ny andilanareo ny fahamarinana.” (Ef 6:14) Midika izany fa tokony hiantehitra tanteraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy ireo mba hahazoana hery, toy ny olona mamehy mafy ny andilany amin’ny fehikibo mba hiarovana ny andilana rehefa manao asa mafy.

Hoy i Jehovah momba an’i Jerosalema: “Ny lehilahy tomady rehetra no hitako mihazona andilana toy ny vehivavy efa hiteraka.” (Je 30:6) Faminaniana io, ary nilaza mialoha ny fanaintainana sy ny fahoriana hanjo an’i Jerosalema.

Nilaza i Jehovah fa toy ny fehikibo mifatotra eo amin’ny andilany ny taranak’Israely sy Joda. Nataony nifamatotra akaiky taminy mantsy izy ireo, mba ho fiderana sy ho ravaka ho azy. (Je 13:11) Milaza ny faminaniana fa rehefa hanjaka i Jesosy Kristy, dia hataony fehikibo eo amin’ny andilany ny fahamarinana sy ny tsy fivadihana. Azo antoka fa manao ny fahamarinana foana izy ary tsy mivadika mihitsy. Manatanjaka ny andilana ny fehikibo, ary manatanjaka an’i Jesosy toy izany koa ny fahamarinana rehefa mitsara izy. Izy mantsy no Mpitsara voatendrin’i Jehovah.​—Is 11:1, 5.