Ando
Piti-drano kely miforona rehefa mivadika ho rano ny hamandoana eny amin’ny rivotra na ny eton-drano miakatra avy amin’ny tany na ny hamandoana avoakan’ny zavamaniry. Ilay teny hebreo hoe tal no adika hoe “ando”, ary midika koa izy io hoe “ranonorana madinika.” (Oh 3:20) Lasa ranomandry mitsiratsiraka (fotsy mangilatra) ny ando, rehefa latsaka ny 0° C ny hafanan’ny rivotra etỳ akaikin’ny tany. I Jehovah no mampisy ny ranonando, ary voalaza fa aparitany “toy ny lavenona” ny ranomandry mitsiratsiraka.—Sl 147:16; Jb 38:28.
Ahoana no fomba iforonan’ny ando? Rehefa mihamangatsiaka ny rivotra amin’ny alina, dia mivadika ho rano ny hamandoana ao aminy ary mipetraka eny amin’ny zavatra mangatsiaka kokoa ilay rano. Miforona koa ny ando rehefa mihaona amin’ny rivotra mangatsiaka ny eton-drano mafana miakatra avy amin’ny tany. Hazavain’ny Baiboly fa taloha, tamin’ny mbola tsy nisy orana, dia ‘nisy zavona [etona] niakatra avy tamin’ny tany ka nandena ny tany rehetra.’ (Ge 2:6) Miforona koa ny ando rehefa lasa etona ny hamandoana avoakan’ny zavamaniry. Mitroka rano foana ny fakany raha mbola tsy mifandanja ny mari-pana eny amin’ny tendron’ny raviny sy ny mari-pana any amin’ny fakany. Miteraka ando be dia be àry ny hazo sasany, ka matetika no re mitete izany ando izany amin’ny alina. Toa avy amin’ny zavamaniry ny ankamaroan’ny andon’ny maraina. Hoy i Joba: “Azon-drano tsara ny fakako, ary hisy ando foana ny sampako, mandritra ny alina.”—Jb 29:19.
Mazàna no zara raha misy orana any Israely, manomboka eo antenatenan’ny Aprily ka hatrany Is 18:4, 5) Aorian’izany hafanana izany vao tonga ny “orana aloha” na ny “oram-pararano.” (Jl 2:23; Jk 5:7) Be dia be ny ando any amin’ny faritra sasany, amin’ny alina, hany ka mahazo hamandoana ampy tsara ny hazo sy zavamaniry hafa, ary mahonitra an’izay verin’izy ireny mandritra ny andro izany. Tena mety hahatonga ny tany hamokatra be àry ny ando miforona amin’ny alina, any amin’ny toerana sasany. Mety ho hain-tany sy mosary kosa no hanjaka any, raha tsy izany.
antenatenan’ny Oktobra. Misy ando foana anefa miforona sy manondraka ny zavamaniry mandritra ireo volana ireo. Hoy i D. Baly ao amin’ilay boky hoe Jeografian’ny Baiboly (1974, p. 45): “Fantatry ny Israelita tsara fa tena ilaina ny ando, ... satria izy io no mampitombo ny voaloboka mandritra ny hain-tany amin’ny vanin-taona mafana.” Miresaka momba ny “ando be dia be ao anatin’ny hafanana amin’ny fotoam-piotazana” voaloboka i Isaia. (Tena zava-dehibe ny ando. Manaporofo izany ny fandinihana natao tamin’ny zavamaniry nalazon’ny hafanana. Hita fa velom-bolo haingana kokoa ireny zavamaniry ireny rehefa nisy ando niforona teo amin’ny raviny tamin’ny alina, noho ny rehefa notondrahana. Nitroka hamandoana be dia be izy ireny ka mbola velona tsara ny ampitson’iny, na dia tsy notondrahana aza. Indraindray dia nitovy lanja tamin’ilay zavamaniry mihitsy ny ranonando notrohiny ary avy eo navoakany tany amin’ny fakany mba hampiasainy indray any aoriana.
Niara-nirotsaka tamin’ny ando foana ny mana, nandritra ilay dia 40 taona nataon’ny Israelita tany an-tany efitra. Nijanona teny amin’ny tany ilay izy avy eo, rehefa lasa etona ilay ando. (Ek 16:13-18; No 11:9) Nisy ifandraisany tamin’ny ando ny famantarana roa nangatahin’i Gideona talohan’ny niadiany tamin’ny Midianita, ka nahatonga azy hatoky fa hanampy azy Andriamanitra. Voalohany, nametraka volonondry teo am-pamoloana izy ka ny volonondry ihany no nisy ando fa ny tany rehetra kosa maina. Ny nifamadika tamin’izany kosa no nitranga tamin’ilay famantarana faharoa. Tsy voalaza raha main-tany tamin’izay ka nampoizina hoe hisy ando.—Mpts 6:36–7:1.
Heviny an’ohatra. Ampifandraisin’ny Soratra Masina amin’ny fitahiana na tany lonaka na vokatra be dia be ny ando. (Ge 27:28; De 33:13, 28; Za 8:12) Nilaza Andriamanitra fa hotahiny ny Israely raha miverina aminy. Hoy izy: “Ho toy ny ando aho amin’ny Israely.” (Ho 14:1, 5) Nilaza tamin’ny alalan’i Mika Andriamanitra fa “ho toy ny ando avy amin’i Jehovah sy ho toy ny oram-be mirotsaka eny amin’ny zavamaniry, ny sisa amin’i Jakoba [Israely].” (Mi 5:7) Faminaniana izany ary milaza fa hahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra ny olona, amin’ny alalan’ny sisa amin’ny Israely ara-panahy.
Tsy mahazo fitahiana kosa ny olona lazaina hoe tsy mahazo ny andon’ny lanitra. (Ge 27:39; Hg 1:10) Nisy mosary teo amin’ny Israely, rehefa tsy nandatsaka ando sy orana Andriamanitra, tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka sy Elia.—1Mp 17:1; Lk 4:25.
Vetivety dia levona ny zavona sy ny andon’ny maraina tany Israely, rehefa tratran’ny hainandro. Levona vetivety toy izany koa ny fitiavan’i Efraima (Israely) sy Joda an’Andriamanitra, nefa efa kely dia kely. (Ho 6:4) Nanao ratsy ny mponin’i Efraima (Israely) ka natao sesitany, ary lasa “toy ny ando levona vao maraina.”—Ho 13:1-3, 16.
Be dia be ny ranonando rehefa milatsaka, ary tsy mamoaka feo izy ireny, amin’ny ankapobeny. Hoy i Hosay tamin’i Absaloma: “Hirotsaka [amin’i Davida] toy ny ando mirotsaka amin’ny tany [isika].” (2Sa 17:12) Te hilaza angamba izy hoe hanafika mangingina an’i Davida izy ireo na hoe ho be dia be izy ireo no hidina hanafika azy. Manana “antokona tanora” ilay Mpanjaka voatendrin’i Jehovah. Oharina amin’ny “ando ateraky ny maraina” izy ireny, angamba noho ny habetsahany.—Sl 110:3.
Malefaka sy mamelombelona koa ny ando, ka mety tsara raha lazaina hoe toy ny ando ilay hira fanaovam-beloma sady faminaniana nataon’i Mosesy. (De 32:2) Ampitovina amin’ny ando mamelombelona zavamaniry ny fankasitrahan’ny mpanjaka. (Oh 19:12) Mamelombelona koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-tsain’ny vahoakan’Andriamanitra, ka oharina amin’ny ‘ando any an-tendrombohitra Hermona izay milatsaka eo amin’ireo tendrombohitr’i Ziona.’ Rakotra ala ny Tendrombohitra Hermona, ary rakotra lanezy mandavantaona ny tampony. Misy eton-drano miakatra àry avy aminy amin’ny alina. Tsofin’ny rivotra mangatsiaka avy any avaratra izany, ka mety ho tonga hatrany amin’ny kilaometatra maro any atsimo ary lasa ando eo amin’ny Tendrombohitra Ziona.—Sl 133:1-3; SARY, Boky 1, p. 332.