Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andrea

Andrea

(Andreà) [avy amin’ny fototeny gr. midika hoe “lehilahy”; mety hidika hoe Mitomban-dahy].

Rahalahin’i Simona Petera ary zanakalahin’i Jona (Jaona). (Mt 4:18; 16:17) Na dia tany Betsaida aza no tanàna niavian’i Andrea, dia samy nonina tany Kapernaomy izy sy Simona tamin’i Jesosy niantso azy ireo mba ho lasa “mpanarato olona.” (Mr 1:16, 17, 21, 29; Jn 1:44) Samy teo amin’ny morony avaratra tamin’ny Ranomasin’i Galilia no nisy an’ireo tanàna ireo. Nanana orinasa kely fanaratoana teo amin’io ranomasina io izy mirahalahy, niaraka tamin’i Jakoba sy Jaona.​—Mt 4:18; Mr 1:16; Lk 5:10.

Mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa i Andrea tamin’ny voalohany. (Jn 1:35, 40) Tany Betania, teo amin’ny morony atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, i Andrea, tamin’ny faramparan’ny taona 29. Tamin’izay izy no nandre an’i Jaona Mpanao Batisa nampahafantatra an’i Jesosy ho “ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra.” (Jn 1:29) Nanaraka an’i Jesosy tany an-tranony i Andrea sy ny mpianatra iray (mety ho i Jaona), ary vetivety dia niaiky izy fa nahita ny Mesia. Nahita an’i Simona rahalahiny i Andrea avy eo ka nilazany ny vaovao, ary nentiny tany amin’i Jesosy. (Jn 1:36-41) Niverina tany amin’ny orinasa kely fanaratoany indray izy mirahalahy. Teo anelanelan’ny enim-bolana ka hatramin’ny herintaona taorian’ny nisamborana an’i Jaona Mpanao Batisa anefa, dia nanasa an’i Andrea sy Simona ary Jakoba sy Jaona i Jesosy mba ho lasa “mpanarato olona.” Nilaozan’izy ireo avy hatrany ny haratony, ka lasa izy ireo nanaraka an’i Jesosy. (Mt 4:18-20; Mr 1:14, 16-20) Lasa apostoly izy efatra tatỳ aoriana, ary mahaliana fa anisan’ireo apostoly efatra voatonona voalohany foana ny anaran’i Andrea.​—Mt 10:2; Mr 3:18; Lk 6:14.

Voaresaka kely fotsiny i Andrea atỳ aoriana. Izy sy Filipo, ohatra, no nanontany an’i Jesosy hoe ahoana no hamahanana vahoaka nisy 5000 lahy teo ho eo. Nilaza i Andrea tamin’izay fa tsy ho ampy ho an’ilay vahoaka ny sakafo kely mba nisy teo. (Jn 6:8, 9) Andro vitsivitsy talohan’ny Paska farany nankalazain’i Jesosy, dia nanontany ny hevitr’i Andrea i Filipo satria nisy Grika te hihaona tamin’i Jesosy. Nanontany an’i Jesosy àry izy roa lahy. (Jn 12:20-22) Tamin’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, dia anisan’ireo efa-dahy nanontany azy momba ny famantarana ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity, i Andrea. (Mr 13:3) Voaresaka farany izy, taoriana kelin’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra.​—As 1:13.