Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely

Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely

Anarana niantsoan’i Jakoba ny alitara naoriny voalohany tamin’izy niverina avy tany Harana.

Niady tamin’ny anjelin’i Jehovah i Jakoba tao Peniela, ka novana hoe Israely ny anarany. Nihaona tamin’i Esao rahalahiny izy avy eo, ary nifampiresaka tsara izy roa lahy. Nanorim-ponenana tao Sokota izy taorian’izay, ary tao Sekema tatỳ aoriana. Nahazo sombin-tany avy tamin’ny zanakalahin’i Hamora izy tao, ka nanangana ny tranolainy. (Ge 32:24-30; 33:1-4, 17-19) “Dia nanorina alitara teo izy, ary ny anaran’ilay alitara nataony hoe Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely.” (Ge 33:20) Nampitondrainy an’ilay anarany vaovao hoe Israely ilay alitara. Hita amin’izany fa nekeny ilay anarana sady tiany. Nekeny sy nankasitrahany koa ny nitarihan’Andriamanitra azy soa aman-tsara tany amin’ilay Tany Nampanantenaina. Indray mandeha ihany no miseho ao amin’ny Soratra Masina ny hoe “Andriamanitra dia Andriamanitry ny Israely.”