Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra sy Andriamanibavy

Andriamanitra sy Andriamanibavy

Noforonin’ny sain’ny olombelona tsy lavorary ireo andriamanitry ny firenena taloha sy ankehitriny. “Poakaty ny fomba fisainany” ka “ny voninahitr’ilay Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloany zavatra toy ny sarin’olona mety lo sy toy ny sary mampiseho vorona sy biby manan-tongotra efatra ary biby mandady.” (Ro 1:21-23) Tsy mahagaga àry raha manana toetra sy fahalemena toy ny an’ny mpivavaka aminy ireny andriamanitra ireny. “Zavatra tsy misy dikany” na “zavatra tsy misy fotony” no dikan’ny teny hebreo iray ilazana sampy na andriamani-diso.​—Le 19:4; Is 2:20.

I Satana Devoly no “andriamanitr’ity tontolo ity” (2Ko 4:4), satria “manajamba ny sain’ny tsy mino” izy. “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” koa izy. (Ap 12:9) Izy no mifehy an’ity tontolo ity sy ny fitondram-panjakana rehetra, matoa natolony an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao” raha ‘niankohoka indray mandeha’ teo anatrehany i Jesosy.​—Mt 4:8, 9.

‘Demonia, fa tsy Andriamanitra’ no tompoin’ireo mivavaka amin’ny sampy. (1Ko 10:20; Sl 106:36, 37) Mitaky ny hanompoana azy irery ihany anefa i Jehovah Andriamanitra. (Is 42:8) Tsy manaiky Azy ho tena Andriamanitra àry izay manompo sampy, fa manao ny sitrapon’i Satana, ilay Fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra, sy ny an’ny demoniany.

Maro ny andriamanitra sy andriamanibavin’ny firenena fahiny resahin’ny Baiboly. Tsy fantatra anefa hoe iza marina ny sasany amin’izy ireny.

Ny niandohany. Misy itovizana ny ankamaroan’ireo andriamanitra sy andriamanibavin’ny firenena fahiny. Tsy kisendrasendra fotsiny anefa izany. Hoy i J. Garnier: “Tsy maintsy ho toerana iray ihany no niavian’ireo zavatra ninoan’ny Ejipsianina, Kaldeanina, Fenisianina, Grika, Romanina, Hindoa, Bodista any Chine sy Tibet, Goths, Anglisy, mpisorona selta, Meksikanina sy Perovianina, Aborizenina any Aostralia, ary na dia ny olon-dia any Pasifika Atsimo aza. Tena mahagaga fa na aiza na aiza dia misy itovizany ireo fombafomba sy fanao sy lovantsofina, ary ny anarana sy ny fifandraisan’ireo andriamanitra sy andriamanibavy.”​—Fivavahana Amin’ny Maty, Londres, 1904, p. 3.

Porofoin’ny Baiboly fa tany Sinara no niandohan’ny fivavahan-diso taorian’ny Safodrano. I Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, no nitarika ny fanorenana ny tanànan’i Babela sy ny tilikambony, izay azo inoana fa tempoly miendrika piramida. Tsy te hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra ireo nanorina azy io, fa te hamorona fivavahan-diso sy hanandra-tena ary hanao izay ‘hampahalaza ny anaran’izy ireo.’ Nanohitra ny fikasan’Andriamanitra koa izy ireo satria tsy te hiely eran-tany. Nataon’ilay Mahery Indrindra tsy nahomby àry ny tetik’izy ireo rehefa nasafotofotony ny fiteniny. Tsy nifankahazo resaka intsony izy ireo ka nitsahatra tsikelikely ilay fanorenana, ary niparitaka izy ireo. (Ge 10:8-10; 11:2-9) Toa nijanona tao Babela anefa i Nimroda ka nanitatra ny fanjakany, izay lasa ny Fanjakana Babylonianina voalohany.​—Ge 10:11, 12.

Nampiely ny fivavahan-diso tany amin’izay nalehany ireo olona niparitaka, izay nampiasa fiteny vaovao. Tamin’ny andron’i Palega, izay teraka 100 taona teo ho eo taorian’ny Safodrano, ny olona no niparitaka. Mbola velona i Noa sy Sema zanany tamin’i Palega maty (239 taona). Nahafantatra ny zava-nitranga fahiny, toy ny Safodrano, àry ireo olona niely. (Ge 9:28; 10:25; 11:10-19) Azo antoka fa mbola tadidin’izy ireo ny Safodrano, matoa ny angano fahiny miresaka azy io, na dia tsy tena mitovy amin’ny fitantaran’ny Baiboly aza izy ireny sady milaza fa nisy andriamanitra maro tamin’izany. Mpamono bibilava, hono, ny andriamanitra sasany. Firenena maro fahiny koa no nivavaka tamin’andriamanitra iray mpanao soa, izay nisy namono teto an-tany ary avy eo novelomina indray. Mety ho olona natao andriamanitra izy io, ary noheverina fa ilay ‘taranaka nampanantenaina.’ (Ampit. Ge 3:15.) Resahin’ireo angano fa nanao firaisana tamin’ny vehivavy ireo andriamanitra, ary nahery fo ireo zanany. (Ampit. Ge 6:1, 2, 4; Jd 6.) Saika manana angano momba ny Safodrano eran-tany sy ny fanorenana an’ilay tilikambo ny firenena rehetra eto an-tany.

Andriamanitry ny Babylonianina. Azo inoana fa nohindrahindrain’ny Babylonianina i Nimroda rehefa maty, satria izy no mpanorina sy mpanjaka voalohan’ny tanànany ary nampisy ny Fanjakana Babylonianina. Resahin’ny lovantsofina fa nisy namono izy. Noheverina fa i Mardoka (Merodaka) andriamanitra no nanorina an’i Babylona. Misy àry milaza fa i Nimroda natao andriamanitra no Mardoka. Tsy mitovy hevitra anefa ireo manam-pahaizana hoe olona iza avy no natao andriamanitra.

Lasa nivavaka tamin’andriamanitra maro be ny Babylonianina tatỳ aoriana. Nisy andriamanitra telo mitambatra izy ireny, toa an’i Anou (andriamanitry ny lanitra) sy Enlil (andriamanitry ny tany sy ny rivotra ary ny oram-baratra) ary Ea (andriamanitry ny rano). Andriamanitra telo mitambatra koa i Sîn (andriamanitra volana) sy Shamash (andriamanitra masoandro) ary Ishtar (andriamanibavin’ny fahavokarana, sady vadin’i Tamoza na sakaizany). (SARY, Boky Faha-2, p. 529) Nisy devoly telo mitambatra mihitsy aza, toa an’i Labarto sy Labaso ary Akkazo. Nivavaka tamin’ny zavatra eny amin’ny lanitra koa ny Babylonianina (Is 47:13), ary ninoany fa misy ifandraisany amin’ny planeta ny andriamanitra sasany: Ny planeta Jupiter no nantsoiny hoe Mardoka andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona; Vénus no Ishtar, andriamanibavin’ny fitiavana sy ny fahavokarana; Saturne no Ninorta, andriamanitry ny ady sy ny fihazana ary ny fambolena; Mercure no Nebo, andriamanitry ny fahendrena sy ny fambolena; ary Mars no Nergala, andriamanitry ny ady sy ny areti-mandringana ary tompon’ny any ankoatra.

Nanana andriamanitra mpiaro (mitovitovy amin’ny “olo-masina mpiaro”) ireo tanàna tany Babylonia fahiny: I Sîn no mpiaro an’i Ora; Ea ny an’i Erido; Enlil ny an’i Nippour; Nergala ny an’i Kota; Nebo ny an’i Borsippa; ary Mardoka (Merodaka) ny an’i Babylona. Lasa nalaza i Mardoka andriamanitr’i Babylona, rehefa nataon’i Hammourabi renivohitr’i Babylonia i Babylona. Nolazain’ny angano babylonianina fa lasa nitovy tamin’ireo andriamanitra talohany i Mardoka ary naka ny toeran’izy ireo mihitsy aza. Nosoloana an’ilay anaram-boninahitra hoe “Belo” (“Tompo”) ilay anarany hoe “Mardoka” tatỳ aoriana, ka nantsoina hoe Bela izy. Nantsoina hoe Belita (“Tompovavy” tsara indrindra) kosa ny vadiny.​—Jereo BELA, II; NEBO No. 4.

Mitovy amin’ny olombelona mpanota mety maty ihany ireo andriamanitra sy andriamanibavy resahin’ny soratra babylonianina fahiny. Teraka mantsy, hono, izy ireny, nitia, nanan-janaka, niady, ary maty mihitsy aza toa an’i Tamoza. Raiki-tahotra, hono, izy ireo tamin’ny Safodrano ka ‘nitampify toy ny alika.’ Tendan-kanina koa, hono, izy ireo, ka matetika no nihinana tafahoatra ary nisotro be loatra ka mamo. Mora tezitra izy ireo, tia namaly faty, nifampiahiahy, ary nifankahala. Nitady handripaka an’ireo andriamanitra hafa, ohatra, i Tiamata, saingy resin’i Mardoka ka nozarainy roa ny vatany: Ny tapany iray nanaovany ny lanitra, ary ny iray nanaovany ny tany. I Eresy-Kigala andriamanibavin’ny any ankoatra kosa niteny tamin’i Namtaro andriamanitry ny areti-mandringana, mba hanagadra an’i Ishtar rahavaviny sy handefa loza 60 hampijaliana azy.​—Jereo NERGALA.

Sampy toy ireo no notompoin’ny mponina tao Oran’ny Kaldeanina, tanàna nilaozan’i Abrahama mpanompon’Andriamanitra. (Ge 11:31; 12:1; Js 24:2, 14, 15) Natao sesitany tany Babylona, “tany feno sary sokitra” sy ‘sampy maharikoriko’, ny Jiosy an’arivony tatỳ aoriana.​—Je 50:1, 2, 38; 2Mp toko 25.

Andriamanitry ny Asyrianina. Mitovy amin’ireo andriamanitry ny Babylonianina ihany ny an’ny Asyrianina, saingy i Asyra no andriamanitra lehibe indrindra nivavahan’izy ireo. Misy mihevitra fa i Asyra zanakalahin’i Sema natao andriamanitra izy io, satria avy amin’ny hoe Asyra ny hoe Asyria.​—Ge 10:21, 22.

Tao Babylona foana no foiben’ny fivavahana tamin’i Mardoka (izay nivavahan’ny Asyrianina koa), fa ny an’i Asyra kosa niovaova arakaraka ny tanàna nonenan’ireo mpanjakan’i Asyria. Nasiana toerana masina natokana ho an’i Asyra koa tany amin’ny faritra samihafa tany Asyria. Fanevan’ny tafika no tena famantarana an’i Asyra, ary nentina tany an’ady ilay izy. Tsy inona izy io fa faribolana misy elatra ary ahitana lehilahy be volombava, izay sarin’i Asyra andriamanitra. Mitana tsipìka na mitifitra zana-tsipìka ilay lehilahy indraindray. Misy sarin’i Asyra koa toa sarin’andriamanitra telo mitambatra, satria ankoatra an’ilay lehilahy eo amin’ilay faribolana dia misy lohan’olona roa eo ambonin’ireo elatra eo amin’ny andaniny roa.​—Jereo SARY, Boky Faha-2, p. 529; ASYRIA; NISROKA.

Andriamanitra toy ireny no notompoina tany Asyria, izay nanaovana sesitany an’ireo mponina tany amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, rehefa resy i Samaria tamin’ny 740 T.K. (2Mp 17:1-6) Naminany i Nahoma fa ho rava i Ninive renivohitr’i Asyria ary ho resy ireo andriamaniny. Tanteraka izany tamin’ny 632 T.K.​—Na 1:1, 14.

Andriamanitry ny Ejipsianina. Nolovan’ny Ejipsianina tamin’ny Babylonianina ireo andriamaniny. Nanana andriamanitra telo mitambatra sy andriamanitra sivy mitambatra tsitelotelo (3 x 3) koa izy ireo. Anisan’ny andriamanitra telo mitambatra be mpitia i Osiris sy Isis vadiny ary Horus zanany.​—SARY, Boky Faha-2, p. 529.

I Osiris no andriamanitra be mpitia indrindra tany Ejipta. Zanak’i Geb andriamanitra tany sy Nout andriamanibavy lanitra, hono, izy. Nanambady an’i Isis, hono, izy ary nanjaka tany Ejipta. Tantarain’ny angano fa novonoin’i Seta rahalahiny i Osiris ary avy eo novelomina indray, ka lasa mpitsara sy mpanjakan’ny maty. Mitovy be amin’ny fifandraisan’i Tamoza sy Ishtar andriamanitry ny Babylonianina ny fifandraisan’i Osiris sy Isis, ary toy izany koa ny toetoetrany. I Tamoza ihany àry no Osiris ary i Ishtar ihany no Isis, hoy ny manam-pahaizana maro.

Maro koa ny Ejipsianina nivavaka tamin’i Isis sy Horus zazakely eo am-pofoany. Mitovy be amin’ny sarin’i Maria Virjiny sy Jesosy zaza ilay izy, ka nisy nivavaka tamin’ilay izy tsy nahy ny olona nilaza azy ho Kristianina. (SARY, Boky Faha-2, p. 529) Toa noheverina fa i Horus andriamanitra ilay taranaka nampanantenaina tany Edena fa hanorotoro ny lohan’ny menarana. (Ge 3:15) Misy sarin’i Horus manitsakitsaka voay sy mihazona bibilava sy maingoka mantsy. Niova ho bibilava koa, hono, i Seta izay namono an’i Osiris rain’i Horus, rehefa namaly faty i Horus.

Hita matetika eo amin’ny sary sokitra sy sary hoso-doko ejipsianina ny lakroa miendrika “T” misy boribory eo an-tampony. Famantarana masina sy mariky ny fiainana, hono, izy io. Toa ny filahiana sy ny fivaviana mitambatra izy io. Matetika no mihazona azy io ireo andriamanitry ny Ejipsianina hita amin’ny sary.​—SARY, Boky Faha-2, p. 530.

Biby maro no masina tamin’ny Ejipsianina, toy ny alikadia, bibilava, hipopotama, hitsikitsika, liona, maingoka, ombilahy, ombivavy, ondrilahy, sahona, saka, vaotoro, voangoribe, voay, ary voronosy. Nisy tamin’ireo anefa masina tao amin’ny faritra iray, fa tsy masina tany amin’ny faritra hafa, ka niteraka ady an-trano izany indraindray. Masina tamin’andriamanitra sasany koa ireo biby, ary nisy aza ninoana fa andriamanitra na andriamanibavy nitafy vatam-biby. Naka endrik’ilay ombilahy Apis, hono, ireo andriamanitra atao hoe Osiris sy Ptah.

Nilaza i Hérodote (II, 65-67) fa novonoina ho faty izay ninia namono biby masina. Raha tsy fanahy iniana kosa ilay izy, dia nasain’ny mpisorona nandoa onitra ilay olona. Novonoin’ny vahoaka romotra anefa izay namono voronosy na vorona firasa, na fanahy iniany na tsia. Raha maty ny saka iray, dia niharatra volomaso ny olona rehetra tao an-trano. Raha alika kosa no maty, dia niharatra ny vatany manontolo izy ireo. Notehirizina tsy ho lo ny fatin’ny biby masina, ary nalevina tamin’ny fomba nanetriketrika. Hita tatỳ aoriana ny fatin’ny ombilahy, saka, voay, hitsikitsika lehibe, ary biby hafa notehirizina toy izany.

Nanana fahalemena sy kileman-toetra toy ny an’ny olombelona ihany ny andriamanitry ny Ejipsianina resahin’ny angano. Nitebiteby sy natahotra, hono, izy ireo, ary imbetsaka no tandindomin-doza. Nisy namono i Osiris andriamanitra. I Horus zaza indray, hono, narary tany anatiny tany, narary an-doha, ary nivalan-dra. Voatsindron’ny maingoka izy ka maty, fa novelomina indray avy eo. I Isis kosa, hono, nisy vay ny nonony. I Ra andriamanitra masoandro indray nihaosa rehefa nandeha ny fotoana, ary niraraka ny iviny. Saika maty izy rehefa voakaikitry ny bibilava hafakely nalefan’i Isis, nefa sitrana ihany noho ny tenin’i Isis. I Sekhmet no andriamanibavin’ny hery manimban’ny masoandro. Lian-dra, hono, izy ka natahotra i Ra hoe ho lany tamingana ny olombelona. Nizara jaogy 7000 nisy labiera sy ranona ampongabendanitra tamin’ny miaramila tany an’ady àry i Ra, mba hanavotana ny olombelona. Nogohin’i Sekhmet daholo ilay izy satria noheveriny ho ran’olona. Mamo be izy avy eo ka tsy afaka nandripaka olona intsony. I Nephthys indray nanao izay hahamamo an’i Osiris anadahiny vadin’i Isis rahavaviny, ka nanao firaisana taminy. I Tem sy Horus, izay samy andriamanitra masoandro, kosa zatra nikasikasika ny filahiany.

Lasa ambony noho ny mpivavaka tamin’ireo andriamani-dison’i Ejipta i Josefa, rehefa nasandratr’i Farao ho mpitondra lefitra izy.​—Ge 41:37-44.

Ireo loza folo. Nampietry an’ireo andriamanitr’i Ejipta sy nampihatra didim-pitsarana tamin’izy ireo i Jehovah, rehefa nandefa loza tamin’ny Ejipsianina. (Ek 12:12; No 33:4; SARY, Boky Faha-2, p. 530) Afa-baraka i Hapi andriamanitra Neily tamin’ilay loza voalohany, rehefa lasa ra i Neily sy ny rano rehetra tany Ejipta. Nietry koa ny fivavahana tany Ejipta rehefa maty ny trondro tao amin’i Neily, satria nivavahana ny trondro sasany ary notehirizina tsy ho lo mihitsy aza ny fatiny. (Ek 7:19-21) Marika amantarana ny fahavokarana sy ny fitsanganana amin’ny maty ny sahona sady masina tamin’i Héket, andriamanibavy sahona. Afa-baraka àry io andriamanibavy io, rehefa nandrakotra an’i Ejipta ny sahona. (Ek 8:5-14) Niaiky ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina fa tsy nahavita nanova vovoka ho moka tamin’ilay loza fahatelo, na dia nanana hery miafina aza. (Ek 8:16-19) I Thoth andriamanitra, hono, no namorona ny hery miafina. Tsy afaka nanome hery an’ireo mpisorona anefa izy, tamin’ilay loza fahatelo!

Nampiavaka tsara an’ireo mpanompon’ilay tena Andriamanitra tamin’ny Ejipsianina ny loza fahefatra sy ireo loza nanaraka. Lasa feno fihitra ny tranon’ny Ejipsianina, fa tsy nisy mihitsy kosa tany amin’ny Israelita tany Gosena. (Ek 8:23, 24) Areti-mandringana nahazo an’ireo biby fiompy ny loza nanaraka. Afa-baraka àry i Hathor andriamanibavy ombivavy sy Apis ary Nout andriamanibavy lanitra (hoatran’ny ombivavy ny sariny, ary misy kintana miraikitra amin’ny kibony). (Ek 9:1-6) I Thoth sy Isis ary Ptah, izay samy noheverina ho nahay nanasitrana, kosa no afa-baraka rehefa feno vay ny Ejipsianina. (Ek 9:8-11) Nisy havandra be tamin’ilay loza nanaraka, ka menatra i Reshpou izay nifehy ny tselatra sy Thoth izay nifehy ny orana sy ny kotroka. (Ek 9:22-26) Anisan’ireo andriamanitra niantoka ny fisian’ny vokatra be dia be i Min, andriamanitry ny fahavokarana sy mpiaro ny vokatra. Resy anefa izy ireo rehefa nanafika ny valala. (Ek 10:12-15) Haizim-pito ny loza nanaraka. Anisan’ny afa-baraka àry i Ra sy Horus, izay samy andriamanitra masoandro, ary Thoth andriamanitra volana sady mpandamina ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.​—Ek 10:21-23.

Ny nahafatesan’ireo lahimatoa anefa no tena nampietry an’ireo andriamanitra sy andriamanibavin’i Ejipta. (Ek 12:12) Nilaza tena ho andriamanitra zanak’i Ra na Amona-Ra mantsy ireo mpanjaka. Nanao firaisana tamin’ny vadin’ny mpanjaka, hono, i Ra na Amona-Ra, ka niteraka zazalahy izay andriamanitra nitafy vatan’olombelona ary natokana ho an’i Ra na Amona-Ra tao amin’ny tempoliny. Maty àry ilay andriamanitra rehefa maty ny lahimatoan’i Farao. (Ek 12:29) Nietry tanteraka ny fivavahan’ny Ejipsianina, ary tsy nahefa na inona na inona ny andriamaniny rehetra, satria tsy nahavonjy an’ireo lahimatoa eran’i Ejipta.​—Jereo AMONA No. 5.

Andriamanitry ny Kananita. I El no andriamanitra mpamorona sy mpanjaka, araka ny asa soratra tsy ara-baiboly. Toa tsy dia niraharaha izay nitranga teto an-tany, hono, izy, nefa imbetsaka no nangata-javatra taminy ny andriamanitra hafa. Nikomy i El ka naongany ny rainy ary novosiriny. Mpitondra jadona lozabe koa izy, mpamono olona, ary mpanitsakitsa-bady. Resahin’ny soratra Ras Shamra fa “ray ombilahy” i El, ary fotsy ny volony sy ny volombavany. I Aseraha no vadiny, ka izy roa, hono, no razamben’ireo andriamanitra.

I Bala andriamanitry ny fahavokarana anefa no andriamanitra lehibe indrindran’ny Kananita. Andriamanitry ny lanitra sy ny orana ary ny oram-baratra koa izy. (Mpts 2:12, 13) Resahin’ny soratra Ras Shamra fa antsoina matetika hoe zanak’i Dagona i Bala, na dia lazaina koa aza hoe zanak’i El izy. Niantso an’i El hoe rainy i Anata anabavin’i Bala, ary i El indray niantso an’i Anata hoe zanany vavy. Mety ho zanak’i El àry i Bala, nefa mety ho zafikeliny koa. Tantarain’ny angano fa niadian’i Bala i Yamm andriamanitry ny rano sady zanak’i El tiany indrindra, ka resiny. Maty anefa i Bala rehefa niady tamin’i Mot, zanak’i El sady andriamanitry ny fahafatesana sy ny hain-tany. Toy ny andriamanitr’i Babylona ihany ny an’i Kanana satria nisy namono ary avy eo novelomina indray.​—Jereo BALA No. 7.

I Anata sy Asera ary Astarta no andriamanibavy lehibe indrindra resahin’ny soratra Ras Shamra. Toa nitovy anefa ny toerana notanan’ireo andriamanibavy ireo. Noheverin’ny mponina tany Syria (izay nahitana ny soratra Ras Shamra) ho vadin’i Bala mantsy i Anata satria nanao firaisana tamin’i Bala, na dia lazaina hoe “virjiny” aza izy. I Astarta sy Aseraha, na ny tsato-kazo masina, ihany anefa no voatonona miaraka amin’i Bala, ao amin’ny Baiboly. Mbetika àry i Aseraha, mbetika i Astarta no vadin’i Bala.​—Mpts 2:13; 3:7; 10:6; 1Sa 7:4; 12:10; 1Mp 18:19; jereo ASTARTA; TSANGAMBATO MASINA; TSATO-KAZO MASINA.

Hita hoe ratsy toetra ireo andriamanitry ny Kananita sy ny Syrianina, rehefa jerena ny voalazan’ny soratra Ras Shamra momba an’i Anata. I Anata, hono, no tsara tarehy indrindra tamin’ny anabavin’i Bala, saingy nahery setra be izy. Saika hovakiny ny karandohan’i El rainy mba ho feno ra ny volofotsiny sy ny volombavany, raha tsy nanaiky hanao izay tiany ny rainy. Nandripaka olona be dia be i Anata indray mandeha, ka nafatony teo amin’ny lamosiny ny lohan’izy ireo, ary nafatony tamin’ny fehikibony ny tanan’ireo. Niroboka tao anaty ra halohalika izy avy eo, ary hatreo amin’ny andilany ny ran’ireo mahery fo. Izao no voalaza momba ny hafaliany tamin’izany: “Lokin’ny hehy izy, ary feno haravoana ny fony.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 136, 137, 142, 152.

Tena ratsy ny fivavahan’ny Kananita. Ara-drariny àry raha nandidy ny handringanana azy ireo Andriamanitra. (Le 18; De 9:3, 4) Tsy nandringana azy ireo tanteraka anefa ny Israelita, ka voafandrika hanompo ny andriamaniny koa.​—Sl 106:34-43; jereo koa KANANA, KANANITA No. 2.

Andriamanitry ny Medianina-Persianina. Mpanaraka ny fampianaran’i Zoroastre ireo mpanjakan’ny Medianina-Persianina. I Ahoura Mazda no andriamanitra lehibe indrindran’ireo nanaraka ny fivavahana naorin’i Zoroastre. Tsy fantatra raha anisan’izy ireo i Kyrosy Lehibe na tsia, fa niresaka matetika momba an’io andriamanitra io ireo soratra nataon’ny mpanjaka nanomboka tamin’ny andron’i Dariosy I. Nilaza i Dariosy I fa i Ahoura Mazda no mpamorona ny lanitra sy ny tany ary ny olona, ary avy tamin’izy io no nahazoany fahendrena sy hakingana ary fanjakana.

Nino ireo mpanaraka an’ilay fampianarana fa misy andriamanitra tsara ary misy andriamanitra ratsy, izay samy mahaleo tena. Mpamorona ny zavatra tsara rehetra, hono, i Ahoura Mazda. Mpamorona ny zava-dratsy rehetra kosa i Angra Mainyu, ka afaka nampisy horohoron-tany, oram-baratra, aretina, ary fahafatesana, mbamin’ny korontana sy ady. Nisy fanahy ambany kokoa, hono, nanampy an’ireo andriamanitra roa ireo hanao ny anjara asany avy.

Mitovy amin’ny marika amantarana an’i Asyra, andriamanitry ny Asyrianina, ny an’i Ahoura Mazda: Faribolana misy elatra, ary indraindray ahitana lehilahy be volombava izay manana rambom-borona.

Mety ho anisan’ny andriamanitra telo mitambatra i Ahoura Mazda. Nangataka ny fiarovan’i Ahoura Mazda sy Anahita (andriamanibavin’ny rano sy ny fahavokarana) ary Mithra (andriamanitry ny hazavana) mantsy i Artaksersesy Mnemona. Nilaza koa izy fa nanampy azy hanorina indray ny Lalantsara Misy Andry tao Sosa izy telo ireo.

I Ishtar andriamanibavin’i Babylona ihany io Anahita io, hoy ny manam-pahaizana maromaro. Hoy i E. James: “Izy no ‘Andriamanibavy Lehibe atao hoe Andriambavy’, ilay ‘mahery indrindra sady tsy misy ota’, manadio ‘ny tsirilahy sy ny kibon’ny vehivavy ary ny rononony’ ... Izy no mifanitsy amin’i Anat andriamanibavin’i Syria, sy Inanna-Ishtar andriamanibavin’i Babylona, sy Comana andriamanibavin’ny Hetita, ary Afrodita andriamanibavin’ny Grika.”​—Ny Fivavahana Amin’ny Andriamanibavy Reny, 1959, p. 94.

Nilaza i Hérodote (I, 131), Grika mpahay tantara, fa nivavaka tamin’ny natiora sy ny zavatra eny amin’ny lanitra koa ny Persianina. Hoy izy: “Fantatro hoe ... tsy [fanaon’ny Persianina] ny manao sarivongana sy manorina tempoly sy alitara. Adala ny manao an’ireny aminy, satria heveriko fa tsy mba toy ny Grika izy ireo ka tsy mino mihitsy hoe sahala amin’ny olona ihany ireo andriamanitra. Antsoin’izy ireo hoe Zeosy ny lanitra manontolo, ka anolorany sorona eny amin’ireo tampon-tendrombohitra avo indrindra. Manao sorona ho an’ny masoandro sy volana sy tany sy afo sy rano ary rivotra koa izy ireo. Ireny ihany no andriamanitra nanaovany sorona hatramin’ny voalohany. Naka tahaka an’ireo Asyrianina sy Arabo izy ireo tatỳ aoriana ka nanolotra sorona ho an’i Afrodita ‘any an-danitra.’ Ny Asyrianina miantso azy io hoe Mylitta, ny Arabo hoe Alilat, ary ny Persianina hoe Mitra.”

Vavaka amin’ny afo sy rano sy planeta ary amin’ny hazavan’ny masoandro sy volana ary kintana no ao amin’ny Zend-Avesta, asa soratra masina ho an’ireo mpanaraka ny fampianaran’i Zoroastre. Lazaina ao fa zanak’i Ahoura Mazda ny afo.

Mety ho nanaraka an’ilay fampianarana koa i Kyrosy Mpanjaka. Voalazan’ny faminanian’ny Baiboly anefa hoe notendren’i Jehovah handresy an’i Babylona sy hanafaka an’ireo Jiosy babo izy. (Is 44:26–45:7; ampit. Oh 21:1.) Nofehezin’ny Medianina-Persianina mpanaraka an’ilay fampianarana ny Israelita, rehefa resy i Babylona tamin’ny 539 T.K.

Andriamanitry ny Grika. Nolovan’i Gresy fahiny tamin’i Babylona koa ireo andriamaniny sy andriamanibaviny. Hoy i George Rawlinson, mpampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Oxford: “Tena mahavariana fa mitovy be amin’ny anganon’ny Kaldeanina ny an’ny Grika. Be dia be loatra ny itovizan’ireo andriamanitry ny andaniny sy ny ankilany, indrindra amin’ny lafiny sasany, ka tsy azo heverina hoe kisendrasendra fotsiny izany. Nitovy ny nanasokajiana an’ireo andriamanitr’i Gresy sy ny an’i Roma ary ny an’i Kaldea. Matetika no nitovy ny hoe iza no niteraka an’iza. Ary tena mahagaga fa ny asa soratra kaldeanina mihitsy indraindray no manazava hoe ahoana no niandohan’ny anarana sy ny anaram-boninahitr’ireo andriamanitra grika. Tsy isalasalana àry fa efa taloha be ireo zavatra ninoana sy angano avy tany amoron’ny Hoala Persika no niampita nankany amin’ireo firenena amoron’i Mediterane.”​—Ireo Fanjakana Tatsinanana Fito Lehibe Fahiny, 1885, Boky I, p. 71, 72.

Tantarain’ny angano hoe novonoin’i Apollon andriamanitra ilay bibilava atao hoe Pitôna, ary nanakenda bibilava roa i Hercule zaza (zanak’i Zeosy sy ny vehivavy atao hoe Alcmène). Angamba ilay tenin’Andriamanitra momba an’ilay taranaka nampanantenaina (hanorotoro ny menarana) no naolan’ny Grika. Resahin’ny angano grika koa hoe misy andriamanitra maty nefa novelomina indray. Novonoin’ny bibidia, hono, i Adonisy, nefa velona indray. Nankalazaina isan-taona izany, ka ny vehivavy no tena nitomany azy sy nandehandeha eran’ny tanàna nitondra an’ireo sariny mba handevina sy hanipy an’ireny any amin’ny ranomasina na loharano. Nisy namono koa i Dionysos na Bacchus, ary velona indray. Nankalazain’ny Grika koa izany. Toa i Tamoza andriamanitry ny Babylonianina no Dionysos (toa an’i Adonisy ihany).

Misy itovizana be amin’ny olona ireo andriamanitra sy andriamanibavin’ny Grika resahin’ny angano. Hoatran’ny an’ny olona ihany ny vatany, saingy lehibe kokoa. Tsara tarehy sy matanjaka noho ny olona koa izy ireo. Tsy ra, hono, fa ranoka hafakely no mikoriana ao anatiny ka tsy mety lo izy ireo. Afaka mandratra azy ireo anefa, hono, ny fitaovam-piadian’ny olona, saingy sitrana foana izy ireo ary mijanona ho tanora lalandava.

Tena ratsy fitondran-tena sy nanana fahalemena hoatran’ny olona ihany ny ankamaroan’ireo andriamanitry ny Grika. Nifanditra sy niady izy ireo, ary nanao tetika hifamelezana. Naongan’i Zeosy, ilay andriamanitra fara tampony, hono, i Cronos rainy, ary i Cronos koa efa nanongana an’i Oranosy rainy izay novosiriny. Samy ray lozabe i Oranosy sy Cronos. Nafenin’i Oranosy tany anaty tany avy hatrany mantsy, hono, ireo zanany naterak’i Gaia vadiny, ka tsy navelany hahita hazavana mihitsy. I Cronos indray nitelina an’izay zanany naterak’i Rea. Nisy koa andriamanitra nanitsakitsa-bady, nijangajanga, niray tamin’ny anabaviny, nanolana, nandainga, nangalatra, mamo, ary namono. Feno habibiana ny sazy nampiharina tamin’izay tsy nankasitrahan’ny andriamanitra na andriamanibavy. Nihantsy an’i Apollon andriamanitra hifaninana hitendry mozika, ohatra, i Marsyas, andriamanitra nonina tany an’ala. Nofatoran’i Apollon teo amin’ny vatan-kazo àry izy ka nendahiny ny hodiny. Nahita an’i Artemisy andriamanibavy nitanjaka kosa i Actéon mpihaza, ka novan’i Artemisy ho serfa ary nasainy nohanin’ireo alikany ihany.

Nisy nilaza fa noforomporonin’ny poety fotsiny ireny angano ireny. Hoy anefa i Augustin, Rain’ny Eglizy, tamin’ny taonjato fahadimy: “Misy manala tsiny [ny fanaon’ny Grika] ka milaza hoe noforonina fa tsy marina ny tantaran’ireo andriamaniny. Tsy vao mainka maharikoriko anefa ve izany, rehefa ampitahaina amin’ny fitsipi-pitondran-tena ampianarin’ny fivavahantsika? Tsy hita amin’izany koa ve fa tena fetsy sy mpamitaka ny devoly? Raha misy manendrikendrika mantsy ny mpitondra iray manao ny rariny sy hitsiny, ho afa-tsiny ve ilay manendrikendrika azy nefa tsy marina sy tsy marim-pototra akory ilay izy?” (Ny Tanànan’Andriamanitra, Boky II, toko faha-9 [toko faha-10 ao amin’ny boky sasany]) Be mpitia anefa ny tantaran’ireo andriamanitra grika natao tantara an-tsehatra. Tsy noheverin’ny olona ho fanendrikendrehana àry izy ireny, fa ninoany kosa. Naloto fitondran-tena ireo andriamaniny. Tian’ny olona izany ary nataony fialan-tsiny mba hanahafana azy ireo.​—Jereo GRESY, GRIKA (Fivavahana).

Nihaona tamin’ny mpivavaka tamin’i Zeosy sy Hermesy i Paoly. (As 14:12, 13) Nanorina tempoly sy alitara maro ny Atenianina, noho ny fahatahorany an’ireo andriamanitra. (As 17:22-29) Naloto fitondran-tena ny Grika ary nisy fiantraikany teo amin’ny fiangonana kristianina tany Korinto izany. Voatery niteny mafy azy ireo àry i Paoly.​—1Ko toko 5.

Andriamanitry ny Romanina. Nolovan’ny Romanina tamin’ny Etriosika, firenena heverina ho avy any Azia Minora, ny fivavahany. Nisikidy toy ny Babylonianina koa anefa ny Etriosika, ka porofo izany fa nisy ifandraisany ny fivavahan’izy ireo. Nisy atin-kena vita tamin’ny halimo, ohatra, hita tany Plaisance, any amin’ny faritr’i Émilie-Romagne, Italia. Mitovy amin’ireo atin-kena vita tamin’ny tanimanga nampiasain’ny mpisikidy tany Mezopotamia ilay izy. Avy any Babylona àry ireo andriamanitry ny Etriosika lasa nivavahan’ny Romanina. (Jereo MPANANDRO.) Andriamanitra telo mitambatra nivavahan’ny Romanina i Jopitera (andriamanitra fara tampony sady andriamanitry ny lanitra sy ny hazavana), sy Junon (vadin’i Jopitera izay noheverina ho miandraikitra an’izay rehetra mahakasika ny vehivavy) ary Minerva (andriamanibavin’ny asa tanana rehetra). I Tinia sy Uni ary Menrva andriamanitry ny Etriosika ihany anefa izy ireo.

Lasa nivavahan’ny Romanina koa ireo andriamanitra lehibe tany Gresy, fa novana fotsiny ny anarany. Toy izany koa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, toa an’i Mithra andriamanitra persianina (nankalazaina ny 25 Desambra ny andro nahaterahany) sy Cybèle andriamanibavin’ny fahavokarana nivavahan’ny Frijianina ary Isis andriamanibavy ejipsianina. I Ishtar andriamanibavin’ny Babylonianina ihany anefa no Cybèle sy Isis. Natao andriamanitra koa ireo mpanjaka romanina.

Nivavahana i Satiorna satria nampandroso an’i Roma, hono. Ny Satiornaly no fety nankalazana azy, tamin’ny faramparan’ny Desambra. Naharitra iray andro io fety io, fa lasa fito andro tatỳ aoriana. Nanao lanonana feno filibana ny olona tamin’izay. Nifanolotra fanomezana izy ireo, toy ny labozia sy voankazo natao tamin’ny savoka, ary nomena saribakoly tanimanga ny ankizy. Tsy nisy voasazy nandritra ilay fety, nikatona ny sekoly sy ny fitsarana, ary naato ny ady. Naka ny toeran’ny tompony ny andevo ary nahazo nilaza izay tiany, fa tsy natahotra ny ho voasazy.

Nenjehina mafy ny Kristianina voalohany satria tsy nety nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Romanina, indrindra fa tamin’ny mpanjaka. ‘Andriamanitra [mantsy] no mpitondra azy ireo, ka izy no tsy maintsy ankatoaviny, fa tsy olona.’ Tsy neken’ny sainy mihitsy àry ny hoe ny mpanjaka romanina indray no ivavahana fa tsy Andriamanitra.​—As 5:29; Mr 12:17; jereo ROMA (Fivavahana).

Tsy misy mitovy amin’i Jehovah ny andriamanitr’ireo firenena. Tsy misy mahafantatra intsony ny ankamaroan’ny andriamanitra resahin’ny Baiboly. Nanao sorona ny zanany ho an’ireny andriamani-diso ireny indraindray ny mpivavaka taminy, nefa tsy nahavonjy izy ireny tamin’ny andro mahory. (2Mp 17:31) Nirehareha momba ny fandresen’ny tafiny àry i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka nirahiny i Rabsake hilaza hoe: “Fa angaha ny andriamanitr’ireo firenena nahavonjy ny taniny teo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria? Aiza izao ireo andriamanitr’i Hamata sy Arpada? Aiza koa ireo andriamanitr’i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an’i Samaria teo an-tanako angaha ireny? Iza tamin’ny andriamanitra rehetran’ireo tany ireo no nahavonjy ny taniny teo an-tanako? Koa ahoana no hahafahan’i Jehovah hamonjy an’i Jerosalema eo an-tanako?” (2Mp 18:28, 31-35) Nahavonjy ny olony anefa i Jehovah fa tsy hoatran’ireny andriamani-diso ireny. Nahafaty miaramila asyrianina 185 000 ny anjeliny tao anatin’ny iray alina monja. Afa-baraka ilay mpanjaka nirehareha ka niverina tany Ninive. Novonoin’ny zanany roa lahy tao amin’ny tempolin’i Nisroka andriamaniny izy tatỳ aoriana. (2Mp 19:17-19, 35-37) Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Galatianina: “Fony ianareo tsy nahalala an’Andriamanitra anefa, dia izay tsy andriamanitra no notompoinareo.” (Ga 4:8) Tsy tena andriamanitra ireny andriamani-diso nivavahan’izy ireo ireny satria noforonin’olombelona fotsiny. Tsy nomena fahefana ho andriamanitra ireny ka tsy ho lasa tena andriamanitra mihitsy. Marina tokoa fa “andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena, fa i Jehovah kosa, izy no nanao ny lanitra.”​—Sl 96:5.

Mitovy amin’ny toetran’ireo namorona azy ihany ny toetran’ny andriamani-diso. Lasa manahaka ny toetran’ny andriamaniny koa anefa ny mpivavaka aminy. Nivavaka tamin’ny andriamani-diso, ohatra, i Manase mpanjakan’ny Joda, ary nandoro ny zanany tao anaty afo mihitsy aza. Nafana fo tamin’ny fivavahan-diso izy. Tsy nihatsara toetra anefa izy fa vao mainka nanahaka an’ireo andriamanitra lian-dra notompoiny, ka nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny be dia be. (2Mp 21:1-6, 16) Ny mpivavaka amin’ilay tena Andriamanitra kosa miezaka hanahaka an’ilay Mpamorona Lavorary, ka maneho ny vokatry ny fanahiny: Fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena.​—Ef 5:1; Ga 5:22, 23.