Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriana, Mpitarika, Olona Ambony

Andriana, Mpitarika, Olona Ambony

Nadika avy amin’ny teny hebreo maromaro, ka ireto no tena fahita:

Nagid, midika hoe “mpitarika”, ary ilazana an’i Saoly sy Davida voatendry ho mpanjakan’ny Israely, sy Hezekia ho mpanjakan’ny Joda, izay tokony hiandry ny vahoakan’i Jehovah. (1Sa 9:16; 25:30; 2Sa 5:2; 2Mp 20:5) Ny fokon’i Joda no nofidin’i Jehovah ho mpitarika an’ireo foko 12 teo amin’ny Israely, ary izy io no niavian’i Davida sy ireo mpanjaka taranany.​—1Ta 28:4; Ge 49:10; Mpts 1:2.

“Mesia Mpitarika” (Da 9:25) ary ‘filoha sy mpitarika an’ireo firenena’ (Is 55:4) i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Aza mety hantsoina koa hoe ‘mpitarika’ ianareo, fa iray ny Mpitarika [kategetes] anareo, dia i Kristy.” (Mt 23:10) I Jesosy Kristy irery no manan-jo antsoina hoe “Mpitarika” ny fiangonana kristianina, satria mpanara-dia an’i Kristy fa tsy mpanara-dia olona tsy lavorary ny tena Kristianina. Tsy antsoina hoe “mpitarika” àry ireo “mitarika” ny asa fitoriana, ary rehefa manahaka an’i Kristy ihany izy ireo vao halain-tahaka.​—1Ko 11:1; He 13:7.

Nadiv, midika hoe “olona ambony”, “vonona”, “malala-tanana.” Io teny io no ampiasain’ny Nomery 21:18. Hita ao koa ny hoe “andriana”, izay vonona hihady lavadrano tany an-tany efitra. Io koa no ilazana an’ireo nanome an-tsitrapo fitaovana hanorenana ny tranolay masina (Ek 35:5), sy ireo manam-pahefana (Jb 12:21).​—Jereo koa Sl 83:9-11.

Hôrim, midika hoe “olona ambony”, ary ilazana manam-pahefana tao amin’ny tanàna tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely (1Mp 21:8, 11), sy Jiosy nanam-pahefana nofehezin’ny Fanjakana Persianina. (Ne 5:7; 13:17) Nataon’i Nebokadnezara Mpanjaka sesitany tany Babylona (617 T.K.) ny olona ambony maro tao Joda sy Jerosalema, anisan’izany i Daniela sy ireo namany. Ny hafa kosa novonoiny tamin’ny 607 T.K.​—Je 27:20; 39:6; Da 1:3, 6.

Sar, midika hoe “andriana”, “lehibe”, ary avy amin’ny matoanteny midika hoe “manjaka.” (Mpts 9:22) Adika matetika hoe “andriana” ny hoe sar, nefa tsy voatery ho zanaky ny mpanjaka na havany ilay olona, toa an’ireo lehibem-poko teo amin’ny Israely (1Ta 27:22), ireo nanana toerana ambony tao an-dapan’i Faraon’i Ejipta sy Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona (Ge 12:15; Je 38:17, 18, 22; Es 3:12), ary izay lehiben’ny tafika (Ne 2:9). “Andrianan’ny tafika” sy “Andrianan’ny andriana” i Jehovah. (Da 8:11, 25) I Mikaela arkanjely kosa ilay “andriana lehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny [firenen’i Daniela].” (Da 12:1) Andrianan’ny firenena natanjaka persianina sy grika ny demonia sasany tsy hita maso.​—Da 10:13, 20; ampit. Ef 6:12.

ffairs\01-AuthorityNasik, midika hoe “andriana”, ary ilazana lehilahy nomena fahefana na voatendry ho lehibe. Novonoin’ny Israely ireo mpiadidy midianita dimy “andrianan’i Sihona”, na “mpanjaka dimy tany Midianina” (No 31:8), satria nitaona azy ireo hivavaka tamin’i Balan’i Peora ny Midianita. (Js 13:21) Antsoina koa hoe ‘andriana’ ireo mpitarika ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra. (Sl 83:11) Misy hoe nasik koa ao amin’ny Ezekiela 32:30.

Resahin’ny faminaniana momba ny Mesia fa hasiana ‘mpiandry fito, eny, andriana valo izay avy eo amin’ny olona’ hanohitra an’ireo fahavalo tonga hanafika ny vahoakan’Andriamanitra. Isa feno ny isa fito, ka ny hoe “andriana valo” dia midika fa hisy lehilahy matotra maro hotendren’ny Mesia hiandraikitra ny vahoakan’i Jehovah.​—Mi 5:5.

Hoy ny Salamo 45:16 (nampiharin’ny apostoly Paoly [He 1:8, 9] tamin’i Kristy Jesosy ny Salamo 45:6, 7): “Hisolo toerana an’ireo razanao ny zanakao, izay hotendrenao ho andriana manerana ny tany.” Izao no voalaza momba an’i Abrahama, Isaka, ary Jakoba razamben’i Kristy: “Maty tamim-pinoana ireo rehetra ireo, na dia tsy hitany aza ny fahatanterahan’ny fampanantenana, fa tazany lavitra kosa, ka faly niandrandra izany izy ireo.” (He 11:8-10, 13) Hisy mpanjaka sy mpisorona hiaraka amin’i Kristy any an-danitra (Ap 20:6), nefa hisy koa “andriana” solontenany hanatanteraka ny baikony etỳ an-tany. (Ampit. He 2:5, 8.) Faminaniana momba ny Mesia ny Isaia 32:1, 2, ary milaza ny fitahiana hoentin’ireo “andriana” ireo.​—Jereo LOHA (Fahefana); MPIADIDY; MPITONDRA.