Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andro Fandrakofam-pahotana

Andro Fandrakofam-pahotana

Andro fampihavanana ny Andro Fandrakofam-pahotana (heb.: yôhm hakkipporim, na “andron’ireo fandrakofana”), ary nankalazain’ny Israely isaky ny fahafolon’ny volana fahafito tamin’ny taona ara-pivavahana, na ny 10 Tisry. (Mifanitsy amin’ny Septambra-Oktobra eo ho eo ny Tisry.) Nanolotra sorona ho fandrakofana ny fahotan’ny tenany sy ny an’ny Levita ary ny an’ny vahoaka ny mpisoronabe, tamin’io andro io. Tamin’izay koa ny tranolay masina sy ny tempoly naorina tatỳ aoriana no nodiovina ho afaka tamin’ny ota.

Fivoriambe masina ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nifady hanina ny Israelita tamin’io, satria tokony “hampahory tena.” Izay ihany no fifadian-kanina notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Sabata koa io andro io, ka tsy nahazo nanao ny asa fanaony mahazatra ny olona.​—Le 16:29-31; 23:26-32; No 29:7; As 27:9.

Iray andro monja ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona, ary tamin’izay ihany ny mpisoronabe no nahazo niditra tao amin’ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina na ny tempoly. (He 9:7; Le 16:2, 12, 14, 15) Tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana koa no nanombohan’ny taon-jobily.​—Le 25:9.

Natomboka tamin’ny taonjato faha-16 T.K. ny fankalazana azy io, tany an-tany efitry ny Saikinosin’i Sinay. I Arona rahalahin’i Mosesy no mpisoronabe tamin’izay, ary ny toromarika nomen’i Jehovah azy no tokony harahina isaky ny Andro Fandrakofam-pahotana. Tena zava-dehibe tamin’ny Israelita io andro io, satria nahatonga azy ireo hahatsapa fa mpanota ny tenany ka nila fanavotana. Tsapany koa fa tena mamindra fo i Jehovah, satria nanao izay handrakofana ny fahotana nataon’izy ireo tamin’ny taon-dasa.

Ny nataon’ny mpisoronabe. Niditra tao amin’ny toerana masina i Arona, ary nitondra vantotr’ombilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray ho fanatitra dorana. (Le 16:3) Nesoriny ny akanjo fanaony mahazatra, nandro izy, ary avy eo nanao fitafiana masina vita tamin’ny lamba rongony. (Le 16:4) Nomen’ny zanak’Israely osy roa (osilahy kely) izay samy tsy nisy kilema ny mpisoronabe. (Le 16:5, 7) Nataony antsapaka avy eo hoe iza amin’ireo no hatao sorona ho an’i Jehovah ho fanatitra noho ny ota, ary iza no ‘osilahy ho an’i Azazela’ halefa any an-tany efitra mba hitondra ny fahotan’ny Israely. (Le 16:8, 9; ampit. 14:1-7; jereo AZAZELA.) Nataony sorona avy eo ilay vantotr’ombilahy ho fanatitra noho ny otan’ny tenany sy ny an’ny fokony, izany hoe ny fokon’i Levy manontolo. (Le 16:6, 11) Naka emboka manitra sy fitondrana afo feno vainafo avy teo amin’ny alitara izy, ary niditra tao amin’ny Masina Indrindra tao ambadiky ny ridao. Tao amin’io efitra anatiny indrindra io ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona. Nodorana tao ilay emboka manitra, ka rakotry ny setrok’ilay emboka ny saron’ilay Vata (nisy kerobima volamena roa teo ambonin’ilay sarony volamena). (Le 16:12, 13; Ek 25:17-22) Midika izany fa nahazo niditra indray tao amin’ny Masina Indrindra i Arona tamin’iny andro iny.

Nivoaka avy tao amin’ny Masina Indrindra i Arona mba haka tamin’ny ran’ilay omby, ary niditra tao indray. Nafafiny impito tamin’ny rantsantanany teo anoloan’ny saron’ny Vata, teo amin’ny lafiny atsinanana, ny ra sasany. Vita ny fandrakofana ny fahotan’ireo mpisorona. Nadio àry izy ireo ka afaka ny ho mpanelanelana tamin’i Jehovah sy ny vahoaka.​—Le 16:14.

Nalaina avy eo ilay osilahy voafidy tamin’ny antsapaka “ho an’i Jehovah”, ka natao fanatitra noho ny otan’ny vahoaka. (Le 16:8-10) Nentin’ny mpisoronabe tao amin’ny Masina Indrindra ny ran’ilay osy, mba handrakofana ny fahotan’ny fokon’ny Israely 12 tsy mpisorona. Nafafy ‘tandrifin’ilay sarony sy teo anoloan’ilay saron’ny Vata’ koa ny ran’ilay osy, toy ny nanaovana ny ran’ilay omby ihany.​—Le 16:15.

Nandrakotra ny fahotan’ny toerana masina sy ny an’ny tranolay fihaonana koa i Arona tamin’izay. Nakany ny ran’ilay omby sy ny ran’ilay ‘osy ho an’i Jehovah’, ka nahosony teo amin’ireo tandroky ny alitara, mba handrakofana ny fahotan’ny alitaran’ny fanatitra dorana. ‘Nafafiny impito teo ambony alitara, tamin’ny rantsantanany iray, ny ra sasany. Koa nodioviny sy nohamasininy ho afaka tamin’ny fahalotoan’ny zanak’Israely, ilay alitara.’​—Le 16:16-20.

Nalain’ny mpisoronabe avy eo ilay osy ho an’i Azazela. Nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay osy izy, sady niaiky “ny fahadisoana rehetra nataon’ny zanak’Israely mbamin’ny fikomiana sy ny fahotana rehetra nataon’izy ireo.” Nataony teo amin’ny lohan’ilay osy izany rehetra izany, ary nalefany ‘tany an-tany efitra’ ilay osy, izay “hotarihin’ny lehilahy iray efa vonona.” Lasa tany an-tany efitra ilay osy ary tsy hita intsony. Nentiny tany àry ny fahadisoana rehetra nataon’ny Israelita. (Le 16:20-22) Tsy maintsy nanasa ny akanjony sy nandro tamin’ny rano ilay lehilahy nandefa an’ilay osy, vao nahazo niverina tao an-toby.​—Le 16:26.

Niditra tao amin’ny tranolay fihaonana avy eo i Arona, nanala an’ireo fitafiany vita tamin’ny lamba rongony, nandro, ary nanao ny akanjo fanaony mahazatra. Nanolotra fanatitra dorana (ireo ondrilahy resahin’ny Le 16:3, 5) izy, dia ny an’ny tenany sy ny an’ny vahoaka, mba handrakofana fahotana. Nodorany teo ambony alitara koa ny tavin’ny fanatitra noho ny ota mba hidona-tsetroka. (Le 16:23-25) An’i Jehovah Andriamanitra mantsy ny tavin’ny sorona ka tsy azon’ny Israelita nohanina. (Le 3:16, 17; 4:31) Nesorina teo amin’ny tokotanin’ny tranolay masina ny fatin’ny omby sy osy natao fanatitra noho ny ota, ka nodorana teny ivelan’ny toby. Tsy maintsy nanasa ny akanjony sy nandro ilay nandoro izany, vao nahazo nankao an-toby. (Le 16:27, 28) Mbola nisy sorona hafa koa natao tamin’iny andro iny.​—No 29:7-11.

Tsy tokony hankalazaina intsony. Mbola mankalaza ny Andro Fandrakofam-pahotana ny Fivavahana Jiosy. Tsy hoatran’ilay nampanaovin’Andriamanitra fahiny anefa ilay izy, satria tsy misy tranolay masina na alitara na Vata misy ny fifanekena na Levita mpisorona, na fanaovana sorona omby sy osy. Ny Kristianina kosa mahalala fa tsy takina amin’ny mpanompon’i Jehovah intsony ilay izy. (Ro 6:14; He 7:18, 19; Ef 2:11-16) Tsy nisy Levita mpisorona afaka nanompo intsony koa rehefa rava ny tempolin’i Jerosalema tamin’ny taona 70, ary tsy misy afaka milaza ankehitriny hoe iza no tena mpisorona. Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (1956, Boky Faha-17, p. 294) momba ny Levita: “Tsy niresaka momba azy ireo intsony ny tantara, taorian’ny nandravana an’ilay tempoly. Niely niaraka tamin’ny Jiosy babo nanerana ny faritra nofehezin’ny Romanina mantsy izy ireo.”

Ny mifanitsy aminy. Misy zavatra lehibe kokoa mifanitsy amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana fanao isan-taona, tsy misy hafa amin’ny zavatra hafa notakin’ny Lalàn’i Mosesy. I Jesosy Kristy sy ny sorom-panavotany no mifanitsy amin’ny mpisoronabe sy ireo biby natao sorona tamin’io andro io, araka ny fanazavan’ny apostoly Paoly. (He 5:4-10) Niditra tao amin’ny Masina Indrindra indray mandeha isan-taona ny mpisoronabe sady nitondra ny ran’ireo sorona. Niditra tany an-danitra kosa i Jesosy Kristy nitondra ny ran’ny tenany, mba handrakotra ny fahotan’ireo mino ny sorona nataony. Tsy misy ota anefa i Kristy, ka tsy nila nanao fanatitra noho ny otan’ny tenany toy ny nataon’ny mpisoronabe.​—He 9:11, 12, 24-28.

Nataon’i Arona sorona ilay omby ho fanatitra noho ny otan’ny mpisorona sy ny an’ny fokon’i Levy manontolo. Nafafiny tao amin’ny Masina Indrindra avy eo ny ran’ilay omby. (Le 16:11, 14) Rehefa avy nanolotra ny ainy ho sorona sy niseho teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra koa i Kristy, dia afaka mandray soa amin’ilay vidim-panavotana ireo ho mpisorona sy mpanjaka hiaraka aminy. (Ap 14:1-4; 20:6) Natao sorona ilay osy ho an’i Jehovah ary nafafy teo anoloan’ny Vata tao amin’ny Masina Indrindra ny rany, mba handrakofana ny fahotan’ireo foko tsy mpisorona. (Le 16:15) Mandray soa amin’ny soron’i Jesosy Kristy koa na dia ireo tsy ho mpisorona hiaraka aminy aza. Osy roa no nilaina fahiny, satria ny iray natao sorona ary ny iray nalefa hitondra ny fahotan’ny Israely. Ireo osy roa ireo miaraka anefa no nantsoina hoe fanatitra noho ny ota (Le 16:5), mandra-pahita tamin’ny antsapaka izay hanaovana azy. Natao sorona koa i Jesosy Kristy sady nitondra ny fahotan’ny olombelona.

Nohazavain’i Paoly fa tsy nahavita nanaisotra ny ota ny ran’omby sy ny ran’osy. Nanomana vatana ho an’i Jesosy àry Andriamanitra, ary vonona i Jesosy hanolotra azy io ho sorona rehefa natao batisa. ‘Nohamasinina’ ny Kristianina “tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja”, satria izany no sitrapon’Andriamanitra. (He 10:1-10) Nodorana tany ivelan’ny tobin’ny Israely ny fatin’ny omby sy osy natao sorona tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nijaly (nofantsihana) tany ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema koa i Kristy.​—He 13:11, 12.

Tsy tena nahafaka ny fahotan’ny Israely ny Andro Fandrakofam-pahotana. Mifanitsy amin’io fety fanao isan-taona io anefa ny fandrakofam-pahotana lehibe nataon’i Jesosy Kristy, ilay Mpisoronabe eken’ny Kristianina.​—He 3:1; jereo FANDRAKOFAM-PAHOTANA; VIDIM-PANAVOTANA.