Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andro Farany

Andro Farany

Ny fotoana hifaranan’ny zava-nitranga niavaka teo amin’ny tantara no atao hoe “andro farany” na “any am-parany”, ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. (Ezk 38:8, 16; Da 10:14) Manomboka ilay hoe “any am-parany” rehefa manomboka tanteraka izay lazain’ny faminaniana fa hitranga. Miaina amin’ny “andro farany” na “any am-parany” àry izay olona mahita ny fahatanterahan’ilay izy. Mety haharitra taona vitsivitsy na maro ilay fe-potoana, arakarak’ilay faminaniana. Mety ho tanteraka amin’ny fotoana samy hafa koa ilay faminaniana.

Faminanian’i Jakoba. Hoy i Jakoba tamin’ny zanany lahy, taloha kelin’ny nahafatesany: “Avia daholo ianareo mba hilazako izay hitranga aminareo any am-parany” na “any aoriana” (DIEM), izany hoe amin’ny hoavy, rehefa hanomboka ho tanteraka ny teniny. (Ge 49:1) Nilaza tamin’i Abrama (Abrahama) raiben’i Jakoba i Jehovah, 200 taona mahery talohan’izay, fa hampahorina 400 taona ny taranany. (Ge 15:13) Tapitra àry ireo 400 taona ireo vao hanomboka ilay “any am-parany” noresahin’i Jakoba. (Hazavaina amin’ny an-tsipiriany ny Genesisy 49, ao amin’ireo lahatsoratra mitondra ny anaran’ny zanakalahin’i Jakoba tsirairay.) Tanteraka amin’ny “Israelin’Andriamanitra” koa ilay faminaniana, tatỳ aoriana.​—Ga 6:16; Ro 9:6.

Faminanian’i Balama. Hoy i Balama mpaminany tamin’i Balaka mpanjakan’i Moaba, talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Avia ianao hilazako izay hataon’io firenena [Israely] io amin’ny firenenao any am-parany any. ... Hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba, ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely. Hovakiny ny fihirifan’i Moaba, sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.” (No 24:14-17) I Davida Mpanjaka ilay “kintana” satria resiny ny Moabita. (2Sa 8:2) Nanomboka àry ilay hoe “any am-parany any” rehefa lasa mpanjaka i Davida. Mifanitsy amin’i Davida anefa ilay Mesia Mpanjaka, ka ho tanteraka amin’i Jesosy koa io faminaniana io rehefa handresy ny fahavalony izy.​—Is 9:7; Sl 2:8, 9.

Faminanian’i Isaia sy Mika. Hitanjozotra ho any ‘an-tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah’ ny olona avy amin’ny firenena rehetra, “any am-parany”, hoy ny Isaia 2:2 sy Mika 4:1. Tanteraka voalohany io faminaniana io teo anelanelan’ny taona 29 sy 70, rehefa nadiva ho rava ny tontolo jiosy. Nasandratra ho avo noho ny fivavahan’ny mpanompo sampy (izay oharina koa amin’ny tendrombohitra) mantsy ny fivavahana tamin’i Jehovah. Nanandratra ny fivavahana marina i Jesosy Kristy Mpanjaka ka azo lazaina hoe “mpanagorobaka.” Nanaraka azy ny sisa tamin’ny firenen’Israely, ary avy eo ny olona avy tamin’ny firenena rehetra. (Is 2:2; Mi 2:13; As 10:34, 35) Tanteraka amin’izao andro farany izao koa ny faminanian’i Isaia sy Mika, satria efa asandratra avo ny fivavahana amin’i Jehovah. Tarihin’i Jesosy Kristy Mpanjaka ho amin’ny fivavahana madio ny sisa amin’ny Israely ara-panahy, ary avy eo ny vahoaka be avy amin’ny firenena rehetra.​—Ap 7:9.

Ny andro faran’ny tontolo jiosy. Nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra ireo Jiosy tsy nivadika nanara-dia an’i Jesosy Kristy, latsaka ny telo taona sy tapany talohan’ny nahatongavan’ny tsy Jiosy ho anisan’ny fiangonana kristianina. Nanazava i Petera fa tanteraka tamin’izay ny faminanian’i Joela hoe: “‘Ary amin’ny andro farany’, hoy Andriamanitra, ‘dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karaza-nofo rehetra ... Hanisy fambara eny amin’ny lanitra ambony aho, sy famantarana eny amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka. Ny masoandro hovana ho haizina ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka.’” (As 2:16-20) Talohan’ny “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka” io “andro farany” io, ary tapitra izy io rehefa tonga ilay “andron’i Jehovah.” (Ampit. Ze 1:14-18; Ml 4:5; Mt 11:13, 14; jereo ANDRON’I JEHOVAH.) ‘Andro faran’ny’ tontolo jiosy sy ny foiben’ny fivavahan’izy ireo tao Jerosalema ilay resahina eo, matoa navantan’i Petera tamin’ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ny teniny. Efa naminany koa i Kristy Jesosy fa ho rava i Jerosalema sy ny tempoliny (Lk 19:41-44; 21:5, 6), ary izany tokoa no nitranga tamin’ny taona 70.

Misy ifandraisany amin’ny faran’ny tontolo jiosy koa ilay “fotoana farany” sy “andro farany” nisehoan’i Kristy Jesosy sy nanaovany ny fanompoany. (1Pe 1:20, 21; He 1:1, 2) Manamarina izany ny voalazan’ny Hebreo 9:26 hoe: “Fa ankehitriny, dia niseho indray mandeha monja [i Jesosy] mandritra ny fifaranan’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity, mba hanaisotra ny ota amin’ny alalan’ny soron’ny tenany.”

Hisy fivadiham-pinoana. Nampiasaina indraindray ny hoe “andro farany” na “any aoriana any”, ao amin’ireo andininy miresaka momba ny fivadiham-pinoana eo anivon’ny fiangonana kristianina. Hoy ny apostoly Paoly tamin’i Timoty: “Milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy mihaino fampianaran’ny demonia.” (1Ti 4:1; ampit. As 20:29, 30.) Mbola niresaka momba izany sy ny “andro farany” ho avy i Paoly, rehefa nanoratra indray ho an’i Timoty. Ho “fotoan-tsarotra tsy mora setraina [a.b.t.: fotoana voatondro lozabe, Int]” izany, hoy izy, satria tsy hanao ny tsara intsony ny olona. Hoy i Paoly rehefa avy niresaka hoe inona avy ny fitondran-tena sy ny toe-tsaina ratsin’ny ankamaroan’ny olona amin’izany fotoana izany: ‘Avy amin’ireny no ipoiran’ny lehilahy mitsofoka mangingina any an-tokantrano, ary alainy ho babo ny vehivavy osa ara-panahy sy vesaran’ota ary tarihin’ny faniriana maro samihafa. Mianatra mandrakariva ireny vehivavy ireny, nefa tsy mety mahalala marina tsara ny fahamarinana mihitsy.’ (2Ti 3:1-7) Nilaza i Paoly avy eo fa tsy mba toy ireny i Timoty, izay nanaraka akaiky ny fampianarany. Hoy àry izy taminy: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.” (2Ti 3:8-17; jereo koa 2Ti 4:3-5.) Hita amin’ny teny manodidina àry fa nolazain’i Paoly mialoha tamin’i Timoty izay hataon’ireo mihambo ho Kristianina sy ny voka-dratsin’izany fivadiham-pinoana izany.

Nilaza koa i Petera fa hisy fitaoman-dratsy eo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo. Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta mampidi-doza, sady handa an’ilay tompo nividy azy, ka hahatonga fandringanana haingana ho an’ny tenany. Baranahiny ny fitondran-tenan’izy ireny, ary maro no hanaraka izany.” (2Pe 2:1, 2) Nampirisihin’i Joda koa ny Kristianina mba “hiady mafy hiaro ny finoana.” Hoy izy: “Fa ianareo kosa, ry malala, tsarovy ny teny efa voalazan’ny apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika. Izao mantsy no nolazain’izy ireo matetika taminareo: ‘Amin’ny fotoana farany, dia hisy mpaneso handeha araka ny faniriany zava-dratsy.’” (Jd 3, 17, 18) Nisy mpivadi-pinoana tokoa tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Miharihary ny vokatr’izany fivadiham-pinoana izany ankehitriny. Izao àry no “andro farany” noresahin’i Paoly.

“Ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Efa nilaza anefa i Jesosy Kristy fa tsy ny Kristianina rehetra no hivadi-pinoana. Ho toy ny “vary” eo anivon’ny “tsimparifary” mantsy ny Kristianina marina tsy mivadika. Hisy fanavahana hatao rehefa manatrika amin’ny fomba tsy hita maso i Kristy, mandritra “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” ‘Havoaka avy ao amin’ny fanjakan’ny Zanak’olona’ ny “tsimparifary” na “ny zanak’ilay ratsy”, ka ny vary no ho sisa tavela eo anivon’ny tena fiangonana kristianina fa ny Kristianina sandoka kosa ho any ivelany. Farany, hatsipy any amin’ny “lafaoro mirehitra” ireo oharina amin’ny tsimparifary, fa ireo toy ny vary kosa “hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.” (Mt 13:24-30, 37-43) Hitranga mandritra ny fifaranan’ny rafitry ny tontolon’i Satana izany, alohan’ny handringanana azy io.

Mandritra “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo” fehezin’i Satana ity no tena hiroborobo ny faharatsiana vokatr’ilay fivadiham-pinoana. Hiharihary eo anivon’ireo mihambo ho Kristianina ny toetra noresahin’ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina fa hampiavaka “ny andro farany.” Hihamaro ireo mandika lalàna sy tsy mankatò ray aman-dreny. “Ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra” ny olona, ary “jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2Ti 3:2-5) Hisy koa “mpaneso ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany, ka milaza hoe: ‘Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.’”​—2Pe 3:3, 4.

Araka ilay fanoharan’i Jesosy, dia fotoana ela atỳ aoriana vao tena hiharihary ny tsimparifary, izay haringana amin’ny farany. Fantatry ny apostoly izany, ka takany fa tsy tonga dia hanatrika sy handringana an’ireo ratsy fanahy i Jesosy, rehefa misy mivadi-pinoana mandritra ny “andro farany” na “any am-parany.” Hoy i Paoly tamin’ny Tesalonianina: “Raha ny amin’ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fanangonana antsika ho any aminy, dia izao no angatahinay aminareo, ry rahalahy: Aza malaky mikorontan-tsaina na mientanentana raha misy fanambarana avy amin’ny fanahy, na tenin’olona, na taratasy toa avy aminay, milaza fa efa tonga ny andron’i Jehovah. Aoka tsy hisy hamitaka anareo na amin’inona na amin’inona, satria tsy ho tonga izany raha tsy efa tonga aloha ny fivadiham-pinoana, ka haharihary ilay lehilahy mpandika lalàna, dia ilay zanaky ny fandringanana.”​—2Te 2:1-3.

“Andro farany.” Milaza ny Baiboly fa hitsangana ny maty amin’ny “andro farany.” (Jn 6:39, 40, 44; 11:24; ampit. Da 12:13.) Ho fotoam-pitsarana io “andro farany” io, hoy ny Jaona 12:48. Mbola ho ela be aorian’ny andron’ny apostoly àry izy io.​—Ampit. 1Te 4:15-17; 2Te 2:1-3; Ap 20:4-6, 12.