FANAZAVANA MAHALIANA
Andron’i Davida
MPITENDRY zavamaneno sady poety no miaramila mpiady, ary mpitondra fanjakana i Davida zanak’i Jese. Ny fifandraisany tamin’Andriamanitra anefa no tena nahatonga azy halaza ao amin’ny Soratra Masina. Nilaza i Jehovah hoe: “Lehilahy sitraky ny foko izy.”—As 13:22; 1Sa 13:14.
Mbola tovolahy kely mpiandry ondry i Davida, no nofidin’i Jehovah ho mpanjakan’ny Israely amin’ny hoavy. Natoky tanteraka an’i Jehovah izy taorian’izay, ka sahy nifanandrina tamin’i Goliata, ary namono an’io Filistinina goavam-be io. Nialona azy anefa i Saoly Mpanjaka noho izy nihanalaza. Voatery nandositra foana àry i Davida. Nandritra an’io fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainany io izy no nanoratra salamo maro mampihetsi-po, izay mampahery an’ireo mpamaky Baiboly hatramin’izao.
Rehefa lasa mpanjaka i Davida, dia ireto avy ny zavatra niavaka nataony teo amin’ny tantaran’ny Israely: Nitariny hatrany amin’ny fetra nampanantenaina azy ny sisin-tanin’ny Israely; nentiny tany Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena; nataony ny planin’ilay tempoly kanto ho an’i Jehovah. Tena niavaka koa ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’i Davida hoe hisy taranany hanjaka mandrakizay. (2Sa 7:12-16) Noho io fifanekena io dia ho lasa mpanjakan’ny tany manontolo i Jesosy Kristy.—Ro 1:3; Lk 1:32.