Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andron’i Jehovah

Andron’i Jehovah

Fe-potoana miavaka hamelezan’i Jehovah ny fahavalony sy hiarovany ny olony. Tsy 24 ora akory izy io. Hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy i Jehovah amin’io ‘andro’ io, ka handresy an’ireo mpanohitra azy. Hovonjena sy hafahana kosa ireo olo-marina, ka hisandratra avo dia avo i Jehovah ilay Andriamanitra Fara Tampony. Tena andro lehiben’i Jehovah àry io andro io, ary azy irery ihany!

Andro hiadiana io andro io, andro lehibe sady mampahatahotra, andro maizina, andro feno fahatezerana sy fisafoahana, andro fahoriana sy fijaliana, ary andro fandravana sy hanenoan’ny fanairana. Hoy Andriamanitra tamin’ny Israelita nivadika taminy, tamin’ny andron’i Amosa: “Fa ho inona ho anareo moa ny andron’i Jehovah? Ho haizina izany fa tsy hazavana, toy ny olona mandositra liona nefa sendra orsa, ary tafiditra ao an-trano izy ka mitehina amin’ny rindrina, dia kaikerin’ny bibilava.” (Am 5:18-20) Nilazana i Isaia hoe: “Ho avy ny andron’i Jehovah, izay andro feno fisafoahana sy fahatezerana tsy azo ivalozana.” (Is 13:9) “Andro fahatezerana izany, andro fahoriana sy fijaliana, andro hisian’ny tafiotra sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.” (Ze 1:15) Tsy hisy hilana azy ny vola amin’izay. “Hatsipiny eny an-dalana ny volafotsiny ... Tsy hahavonjy azy na ny volafotsiny na ny volamenany, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”​—Ezk 7:19; Ze 1:18.

Nampitandrina foana ireo mpaminany fa tena akaiky ny andron’i Jehovah. “Akaiky ny andro lehiben’i Jehovah. Efa akaiky izy io, sady manatona haingana dia haingana.” (Ze 1:14) “Indrisy, ho avy ilay andro! Fa efa akaiky ny andron’i Jehovah.” “Aoka hitebiteby izay rehetra monina eto, fa ho avy ny andron’i Jehovah, sady efa akaiky!”​—Jl 1:15; 2:1, 2.

Fotoana ampiharana didim-pitsarana sy andringanana. Fotoana samy hafa nampiharan’ilay Avo Indrindra didim-pitsarana sy nandringanany no nantsoina hoe “andron’i Jehovah”, rehefa jerena ny lafiny sasany amin’ireo faminaniana sy izay nitranga taorian’ireo ‘andro’ ireo. Hitan’i Isaia tao amin’ny fahitana, ohatra, izay hanjo an’i Joda sy Jerosalema nivadika, rehefa tonga amin’ireo ‘nanandra-tena sy niandranandrana’ ilay “andron’i Jehovah Tompon’ny tafika.” (Is 2:11-17) Nilaza tamin’ny mpaminanin’ny Israely nivadika i Ezekiela fa tsy ho afaka hanamafy ny tanànany izy ireo, ary “tsy ho tafavoaka amin’ilay ady, amin’ny andron’i Jehovah.” (Ezk 13:5) Nilaza koa i Zefania fa haninjitra ny tanany hamely an’i Joda sy Jerosalema i Jehovah, ka hataony tsy hisy ho afa-mandositra ireo andriana sy ny taranaky ny mpanjaka. (Ze 1:4-8) Tonga tamin’ny mponin’i Jerosalema tokoa ilay “andron’i Jehovah”, tamin’ny 607 T.K.

Nasehon’i Edoma sy ireo firenena nanodidina an’i Joda sy Jerosalema ny fankahalany an’i Jehovah sy ny vahoakany, tamin’io fotoam-pahoriana io. Hoy àry i Obadia mpaminany: “Efa akaiky ny andro hamelezan’i Jehovah ny firenena rehetra. Koa araka izay nataonao taminy no mba hatao aminao koa.” (Ob 1, 15) Tonga tamin’i Babylona sy Ejipta koa ny “andron’i Jehovah” rehefa noravana izy ireo.​—Is 13:1, 6; Je 46:1, 2, 10.

Nilaza i Malakia mpaminany tatỳ aoriana fa mbola hisy “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.” Ho avy alohan’izay anefa i “Elia mpaminany.” (Ml 4:5, 6) Velona 500 taona teo ho eo talohan’ny nilazana io faminaniana io i Elia. Nilaza anefa i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany fa i Jaona Mpanao Batisa ilay nifanitsy tamin’i Elia. (Mt 11:12-14; Mr 9:11-13) Nisy “andron’i Jehovah” efa akaiky àry tamin’izay. Nilaza i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33 fa tanteraka tamin’izay ilay faminanian’i Joela (Jl 2:28-32) hoe handatsaka ny fanahiny Andriamanitra, ary hitranga alohan’ilay “andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka” izany. (As 2:16-21) Tonga tamin’ny taona 70 io “andron’i Jehovah” io, rehefa navelan’i Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny Jiosy ny Romanina. Nanda ny Zanak’Andriamanitra mantsy ny firenena jiosy ary niantsoantso hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.”​—Jn 19:15; Da 9:24-27.

Mbola hisy “andron’i Jehovah” hafa koa anefa. Rehefa tafaverina tany Jerosalema ny Jiosy natao sesitany tany Babylona, dia naminany i Zakaria fa ho avy ny “andron’i Jehovah” izay hanangonany ‘ny firenena rehetra hiady amin’i Jerosalema.’ “Hivoaka hiady amin’ireo firenena ireo tokoa i Jehovah” ka handringana azy ireo. (Za 14:1-3) Nilaza ny apostoly Paoly fa misy ifandraisany amin’ny fanatrehan’i Kristy ilay “andron’i Jehovah” ho avy. (2Te 2:1, 2) Nilaza koa i Petera fa hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana” aorian’io ‘andro’ io.​—2Pe 3:10-13.

Ilain’ny tsirairay ny mieritreritra izay tokony hataony mba ho voaro amin’ilay andro lehiben’i Jehovah. Hoy i Joela: “Iza no mahatanty izany?” Hoy ny navaliny: ‘I Jehovah no ho fialofan’ny olony.’ (Jl 2:11; 3:16) Asaina hialoka amin’i Jehovah ny rehetra. Vitsy ihany anefa ny manao izany sy manaraka ny torohevitr’i Zefania hoe: “Dieny mbola tsy mihatra ny didy, dieny mbola tsy mandalo haingana toy ny akofa ny andro, dieny mbola tsy mihatra aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah, dieny mbola tsy tonga aminareo ny andro fahatezeran’i Jehovah, dia mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay mankatò ny didim-pitsarany. Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”​—Ze 2:2, 3.