Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andry

Andry

Zavatra mijoro atao tohana, na zavatra mitovitovy amin’izany.

Nampiasa andry hazo, biriky, ary vato ny Israely sy ny firenena manodidina azy, araka ny voalazan’ny Baiboly sy ny hitan’ny mpikaroka. Nanohana tafo na rihana ireo andry matetika (Oh 9:1; Mpts 16:25, 29; 1Mp 7:2), ary mety ho vato no natao fototr’ireo andry hazo na biriky. Andry sedera nisy laharana maromaro no nanohana an’ireo vatan-kazo sy efitra ambony tao amin’ilay Trano Alan’i Libanona naorin’i Solomona. Nantsoina toy izany angamba ilay trano satria naorina tamin’ny hazo sedera avy any Libanona, na satria nampahatsiahy ala ireo andry. Teo akaikiny teo ilay Lala-mitafo Maro Andry, saingy tsy voalaza ny isan’ireo andry sy ny akora nanaovana azy. (1Mp 7:1-6; ampit. Ezk 40:16, 48, 49.) Nisy andry marbra tao an-tokotanin’ny lapan’i Ahasoerosy.​—Es 1:6.

Ny andry varahina ngezabe (Jakina sy Boaza) teo anoloan’ny tilikambo fidirana, no andry niavaka indrindra tao amin’ny tempolin’i Solomona. (1Mp 7:15; 2Mp 25:17; Je 52:21; jereo LOHA ANDRY.) Nitsangana teo akaikin’iray tamin’ireo ny mpanjaka rehefa nisy lanonana, hoy Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly nataon’i J. Douglas (1985, p. 941). Ny hany lazain’ny Baiboly anefa dia hoe “nitsangana teo akaikin’ny andry, teo amin’ny fidirana” izy. (2Ta 23:13; 2Mp 11:14; 23:3) Mety ho nijoro teo amin’ny vavahadin’ny tokotany anatiny na teo amin’ny toerana avo hafa àry izy, rehefa niresaka tamin’ny vahoaka.

Kely kokoa ireo andrin’ny tranolay masina. Andry 4 vita tamin’ny hazo akasia no nihantonan’ny ridao nanasaraka ny Masina sy Masina Indrindra, 5 no nihantonan’ny lamba fanakonana ny fidirana (Ek 26:32-37), ary 60 no nihantonan’ny fefy lamba nanodidina ny tokotany sy ny lamba fanakonana ny vavahadin’ny tokotany.​—Ek 27:9-16.

Toa nisy andry kely volafotsy tsara tarehy nanohana ny tafokelin’ny farafaran’i Solomona.​—To 3:9, 10.

Heviny an’ohatra. Mafy ny andry sady natao tohana, ka mety tsara hilazana olona na zavatra azo ianteherana. “Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” ny fiangonana kristianina, satria ny fahamarinana no tohanany fa tsy ny fampianaran-diso. (1Ti 3:15) ‘Nekena ho andrin’ny fiangonana’ i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, noho izy ireo niorina tsara tamin’ny finoana sy nafana fo nanohana ny fiangonana. (Ga 2:9) Hatao andry ao amin’ny ‘tempolin’Andriamanitra’ izay Kristianina mandresy, ka tsy hiala ao intsony. (Ap 3:12) Oharina amin’ny andry ny tongotry ny anjely mahery iray satria mafy ny andry. (Ap 10:1) Tsara sady mafy ny ranjon’ilay mpiandry ondry tian’ilay tovovavy solemita, ka “toy ny andry marbra.”​—To 5:15.

Hafiriana ny andry rahona sy andry afo no nitarika ny tobin’ny Israely?

Nanafaka an’ireo Israelita avy tao Ejipta sy nitarika azy tany an-tany efitra i Jehovah. “Nandeha teo alohan’ny vahoaka [Izy], ka nitari-dalana azy tao anatin’ny andry rahona nandritra ny andro, sady nanazava azy tao anaty andry afo nandritra ny alina.” (Ek 13:21) Tsy andry roa samy hafa ireo, fa iray ihany. “Andry afo sady andry rahona” ilay izy, ka toy ny rahona rehefa antoandro ary toy ny afo rehefa alina. (Ek 14:24) Nifindra nankany aorian’ny Israelita ilay andry rehefa nenjehin’ny Ejipsianina izy ireo, ka nivelatra toy ny manda angamba ilay izy. (Sl 105:38, 39) Tao anaty haizina àry ny Ejipsianina, fa nazava kosa ny teo amin’ny Israelita. (Ek 14:19, 20) Rehefa natsangana ny tranolay masina, dia ny andry rahona teo amboniny no nahalalana hoe nanatrika tao i Jehovah (Ek 40:35), ary tao anatin’ilay andry izy no niteny. (No 14:14; 12:5; Sl 99:7) Taloha kelin’ny nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina no niresahana farany an’ilay andry. (De 31:15) Tsy nilain’izy ireo hitari-dalana azy intsony mantsy ilay izy, satria efa nanorim-ponenana izy ireo.​—Ampit. Ek 40:38; Is 4:5.