Angano
Tantara tsy marina, noforomporonin’ny saina fotsiny, tantara valamaty, lainga; avy amin’ny teny grika hoe mytôs, izay hita ao amin’ny 1 Timoty 1:4; 4:7; 2 Timoty 4:4; Titosy 1:14; 2 Petera 1:16.
Mifanohitra ny mytôs sy ny aleteia na “fahamarinana”, izany hoe zavatra mifanaraka amin’ny tena zava-misy. Asehon’ny Galatianina 2:5 fa ny “fahamarinan’ny vaovao tsara” no ahitana fa mifanohitra ny fampianarana marina ao amin’ny filazantsara sy ny fampianarana voaolana. Nilaza ireo apostoly fa mampidi-doza ny miala amin’ny fahamarinana ka manaraka tantara tsy marina, satria tsy mitombina izy ireny sady noforonin’ny sain’ny olona fotsiny. Feno an’ireny tantara ireny tao amin’ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy. Anisan’ireny ny lovantsofin’ireo anti-panahy, izay nantsoina hoe lalàna am-bava ary lasa anisan’ny Talmoda. Nanaraka ny filozofia sy ny fampianaran’ny mpanompo sampy ny Fivavahana Jiosy, izay tena mpanohitra ny Fivavahana Kristianina, tamin’ny taonjato voalohany.
Intỳ misy tantara tsy marina voalazan’ny Talmoda Palestinianina (Jerosalema): “Nilaza toy izao tamin’ny anaran’i R. Jonathan i R. Samuel b. Nahman: Raha sakan’ny felatanana no andrefesana an’ireo takela-bato [nisy ny Didy Folo nomena an’i Mosesy] dia enina ny lavany ary telo kosa ny sakany; nitazona [an’ireo takela-bato] teo amin’ny sakan’ny felatanana roa i Mosesy ary teo amin’ny sakan’ny felatanana roa kosa Andriamanitra, ka sakan’ny felatanana roa no teo anelanelan’ny rantsantanan’izy ireo; saika hosintonin’Andriamanitra avy teny an-tanan’i Mosesy ireo takela-bato rehefa nivavaka tamin’ilay zanak’omby ny Israelita, nefa natanjaka ny tanan’i Mosesy ka voasintony avy teny an-tanan’Andriamanitra izany.” Nilaza ny tohin’ilay tantara fa “nipitipitika ireo litera” teo amin’ny takela-bato. “Nihazona azy ireny anefa ilay soratra”, ka lasa “navesatra loatra” ny takela-bato ary “tsy voatazon’i Mosesy ka latsaka ary potipotika.”—Taanit, Fizarana Faha-5, p. 116, 117, nadikan’i A. Greenup.
Maro ny tantara tsy marina, na noforonin’ny saina, hita ao amin’ireo boky tsy anisan’ny Baiboly na apokrifa. Eo, ohatra, ny tantara momba ny nampiasan’i Daniela ditin-kazo sy jabora ary volo mba hamonoana dragona lehibe iray (Fanampiny amin’ny Daniela: Da 14:22-26, Kat.). Eo koa ny tantara momba an’i Tobia izay afaka nanasitrana sy namoaka demonia tamin’ny alalan’ny fo sy ny aty ary ny aferon’ny hazandrano makadiry iray.—Tobia 6:2-9, 19, Kat.
Tsy tokony hihaino izany ny Kristianina. Nampirisika ny Kristianina i Paoly mba tsy hihaino tantara tsy marina. (1Ti 1:4) Mety hanao fikarohana tsy mahasoa mantsy ny Kristianina noho izany, ary mety ho voatarika hiala amin’ny fahamarinana. Mety ho anisan’ireny ny tantara fanaon’ny vehivavy antitra izay ela nanarahana ny fanaon’izao tontolo izao. Manazimbazimba ny fitsipika masina sy marin’Andriamanitra ireny tantara ireny. (1Ti 4:6, 7; Tit 1:14) Niresaka momba an’ireny koa ny apostoly Petera, ary nilaza fa noforonina tamin-kafetsena izy ireny mba hampivadika ny Kristianina. (2Pe 1:16) Nampifanoheriny tamin’ny tantara marina momba ny fiovan-tarehy izy ireny. Nanatri-maso izany mihitsy izy. (Mr 9:2) Nilaza i Paoly fa hinia hivily ho amin’ny tantara tsy marina ny olona fa tsy hihaino ny fahamarinana intsony.—2Ti 4:3, 4.