Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anjely

Anjely

Samy midika hoe “mpitondra hafatra” ny teny hebreo malʼak sy ny teny grika aggelôs. Efa ho in-400 ireo teny ireo no miverina ao amin’ny Baiboly. Raha fanahy tsy hita maso dia natao hoe “anjely”, fa raha olona kosa dia natao hoe “iraka.” (Ge 16:7; 32:3; Jk 2:25; Ap 22:8; jereo IRAKA.) Mety ho olona koa anefa indraindray ny hoe ‘anjely’ ao amin’ny Apokalypsy.​—Ap 2:1, 8, 12, 18; 3:1, 7, 14.

Antsoina hoe fanahy ny anjely indraindray. Midika izany fa tsy hita maso sy mahery izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Nisy fanahy iray niroso ka nitsangana teo anatrehan’i Jehovah.” “Tsy fanahy manao fanompoana ho an’ny besinimaro ve izy rehetra?” (1Mp 22:21; He 1:14) Mipetraka “any an-danitra” izy ireo satria manana vatana ara-panahy. (Mr 12:25; 1Ko 15:44, 50) Antsoina koa hoe “zanak’Andriamanitra”, “kintan’ny maraina” ary “anjely masina an’alinalina” izy ireo.​—Jb 1:6; 2:1; 38:7; De 33:2.

Tsy manambady na miteraka ny anjely. Noforonin’i Jehovah tsirairay àry izy ireo, tamin’ny alalan’ny Zanany lahimatoa, izay “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.” (Mt 22:30; Ap 3:14) “Izy [ilay Zanany lahimatoa, na ny Teny] no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra, dia ny ... tsy hita ... Nisy talohan’ny zavatra hafa rehetra koa izy, ary nampiasaina mba hampisy ny zavatra hafa rehetra.” (Kl 1:15-17; Jn 1:1-3) Noforonina ela be talohan’ny olombelona ny anjely. “Nanao antsoantsom-pifaliana” mantsy “ireo kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ny zanak’Andriamanitra” rehefa ‘naorina ny tany.’​—Jb 38:4-7.

Firy ny anjely any an-danitra? Hoy i Daniela: “Arivoarivo no nanompo [an’Andriamanitra], ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany.”​—Da 7:10; He 12:22; Jd 14.

Milamina ary samy manana ny toerana tanany. Milamina toy ny zavaboary hita maso ihany ireo anjely any amin’ny faritra tsy hita maso, ary samy manana ny toerana tanany. I Mikaela arkanjely no anjely mahery indrindra sy manana fahefana lehibe indrindra. (Da 10:13, 21; 12:1; Jd 9; Ap 12:7; jereo ARKANJELY; MIKAELA No. 1.) Izy koa “ilay andriana lehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny [firenen’Andriamanitra]”, ka azo inoana fa izy ilay anjely nitarika ny Israely tany an-tany efitra. (Ek 23:20-23) Manarakaraka azy ny serafima, izay manana toerana ambony sy voninahitra lehibe. (Is 6:2, 6; jereo SERAFIMA.) Miresaka matetika (in-90 eo ho eo) momba ny kerobima koa ny Baiboly. Mitana toerana manokana izy ireo, rehefa jerena ny adidy sy andraikitra sahaniny. (Ge 3:24; Ezk 10:1-22; jereo KEROBIMA.) Farany, dia eo ireo anjely maro be izay nampita ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny olona. Iraka sy solontenan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra koa izy ireo, ka asainy manatanteraka ny fikasany. Asainy miaro sy manafaka ny vahoakany, ohatra, izy ireo na mandringana ny ratsy fanahy.​—Ge 19:1-26.

Manana ny maha izy azy. Mety hisy hilaza hoe hery fotsiny ampiasaina hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ny anjely. Tsy mampianatra izany anefa ny Baiboly. Samy manana ny maha izy azy ny anjely, matoa samy manana ny anarany. Mikaela sy Gabriela, ohatra, no anaran’ny anjely roa voalazan’ny Baiboly. (Da 12:1; Lk 1:26) Tsy misy anarana anjely hafa ao, sao hivavaka amin’izy ireny na hanome azy ireny ny voninahitra tsy tokony ho azy ny olombelona. Nirahin’Andriamanitra hisolo tena azy ny anjely, fa tsy hanao zavatra amin’ny anaran’ny tenan’izy ireo. Tsy nety nilaza ny anarany àry ilay anjely nanontanian’i Jakoba. (Ge 32:29) Rehefa nasain’i Josoa nampahafantatra ny tenany ny anjely iray, dia namaly fotsiny hoe: “Lehiben’ny tafik’i Jehovah aho.” (Js 5:14) Tsy nety nilaza ny anarany koa ilay anjely nanontanian’ny rain’i Samsona, fa hoy izy: “Fa maninona ianao no manontany ny anarako? Anarana mahagaga izany.” (Mpts 13:17, 18) Indroa ny apostoly Jaona no saika hivavaka tamin’ny anjely. Voateny mafy anefa izy hoe: “Tandremo! Aza manao izao! ... Andriamanitra no ivavaho.”​—Ap 19:10; 22:8, 9.

Afaka mifampiresaka ny anjely (1Ko 13:1), ary mahay ireo fiteny samihafa fampiasan’ny olona. (No 22:32-35; Da 4:23; As 10:3-7) Afaka manome voninahitra sy midera an’i Jehovah koa izy ireo. (Sl 148:2; Lk 2:13) Tsy hoe hery fotsiny akory ny anjely raha tsy misy lahy sy vavy, fa efa izay mihitsy no namoronan’i Jehovah azy. Aseho ho toy ny lehilahy ny anjely matetika, ary naka endrika lehilahy foana izy ireo rehefa nitafy nofo. Aseho ho toy ny lehilahy koa mantsy Andriamanitra sy ny Zanany. Noroahin’i Jehovah niala tany any an-danitra ireo anjely nitafy nofo sy nanao firaisana tamin’ny vehivavy, tamin’ny andron’i Noa. Porofo izany fa manana ny maha izy azy ny anjely. Afaka mifidy izay tiany hatao izy ireo toy ny olombelona ihany, na hanao ny tsara na hanao ny ratsy. (Ge 6:2, 4; 2Pe 2:4) Anjely maro be no nifidy ny hikomy, ka niaraka tamin’i Satana.​—Ap 12:7-9; Mt 25:41.

Ny heriny sy ny fanompoana ataony. Mahira-tsaina kokoa noho ny olombelona ny anjely, satria ‘nataon’Andriamanitra ambany kely noho ny anjely’ (He 2:7) ny olona. Matanjaka be koa ny anjely. Hoy ny Baiboly: “Derao i Jehovah, ry anjeliny mahery dia mahery, izay manatanteraka ny baikony.” Manam-pahalalana be sy mahery, ohatra, ireo anjely roa nandrava an’i Sodoma sy Gomora tamin’ny afo. Anjely iray monja koa dia nahafaty miaramila asyrianina 185 000.​—Sl 103:20; Ge 19:13, 24; 2Mp 19:35.

Afaka mandeha haingana be ny anjely, mihoatra lavitra noho izay haingam-pandeha indrindra eo amin’ny tontolo hita maso. Mbola tsy vita akory, ohatra, ny vavak’i Daniela dia efa tonga teo anilany ilay anjely nirahin’Andriamanitra hamaly ny vavaka nataony.​—Da 9:20-23.

Na izany aza, dia voafetra ihany ny zavatra hain’ny anjely sy ny heriny. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa tsy fantatr’izy ireo ny “andro sy ora” handravana an’ity tontolo ity. (Mt 24:36) Mahaliana azy ireo ny fomba anatanterahan’i Jehovah ny fikasany, nefa mbola misy zavatra tsy azon’izy ireo. (1Pe 1:12) Faly izy ireo rehefa misy mpanota mibebaka, ary mijery an’ireo mpitory kristianina atao “fampisehoana an-tsehatra” eto amin’ity tontolo ity izy ireo. Dinihiny koa ny modely omen’ny vehivavy kristianina, izay mitondra ny mariky ny fanajana fahefana eo amin’ny lohany.​—Lk 15:10; 1Ko 4:9; 11:10; jereo TSY METY MATY (Ho lasa tsy mety maty ireo mpandova ilay Fanjakana).

Maro be ny karazana fanompoana ataon’ny anjelin’i Jehovah. Nisy, ohatra, nirahina ho any amin’i Abrahama, Jakoba, Mosesy, Josoa, Isaia, Daniela, Zakaria, Petera, Paoly, ary Jaona. (Ge 22:11; 31:11; Js 5:14, 15; Is 6:6, 7; Da 6:22; Za 1:9; As 5:19, 20; 7:35; 12:7, 8; 27:23, 24; Ap 1:1) Nosoratana ao amin’ny Baiboly ny hafatra nampitain’izy ireo. Ny bokin’ny Apokalypsy no miresaka be indrindra momba ny anjely: Misy anjely maro be manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah, misy fito mitsoka trompetra fito, misy fito hafa mandraraka ny ao anatin’ny vilia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra, misy iray manidina eny afovoan’ny lanitra sady manana “vaovao tsara mandrakizay”, ary misy iray hafa manambara hoe: “Nianjera i Babylona Lehibe.”​—Ap 5:11; 7:11; 8:6; 14:6, 8; 16:1.

Manampy an’i Kristy sy ny mpianany. Nahaliana an’ireo anjely masin’Andriamanitra ny fiainan’i Jesosy teto an-tany, nanomboka tamin’izy teraka ka mandra-pahafatiny. Anjely no nanambara fa ho bevohoka an’i Jesosy i Maria, ary koa hoe teraka i Jesosy. Nanompo an’i Jesosy izy ireo rehefa avy nifady hanina 40 andro izy. Nampahery azy koa ny anjely iray rehefa nivavaka tao Getsemane izy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Azon’i Jesosy natao ny niantso anjely maro be mihoatra ny andian-tafika 12, rehefa tonga hisambotra azy ny vahoaka. Nisy anjely nilaza ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty sy nanatrika ny fiakarany tany an-danitra.​—Mt 4:11; 26:53; 28:5-7; Lk 1:30, 31; 2:10, 11; 22:43; As 1:10, 11.

Mbola nanampy ny mpianatr’i Jesosy teto an-tany ny anjely taorian’izay, araka ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Aza manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny ianareo. Fa lazaiko aminareo fa ny anjelin’izy ireo any an-danitra, dia mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko.’ (Mt 18:10) “Tsy fanahy manao fanompoana ho an’ny besinimaro ve izy rehetra, ka irahina hikarakara an’ireo handova famonjena?” (He 1:14) Tsy miseho vatana intsony toy ny tamin’izy ireo nanafaka ny apostoly tany am-ponja, ireo anjely mahery ireo ankehitriny. Afaka matoky anefa ny mpanompon’Andriamanitra fa mbola miaro azy foana ny tafik’anjely, toy ireo nanodidina an’i Elisa mpaminany sy ny mpanompony. Hoy ny Baiboly: “Homeny baiko hitsinjo anao ny anjeliny mba hiaro anao amin’ny lalanao rehetra.” “Ny anjelin’i Jehovah dia mitoby manodidina an’izay matahotra Azy, ka mamonjy azy.”​—Sl 91:11; 34:7; As 5:19; 2Mp 6:15-17.

Hiaraka amin’i Jesosy Kristy ny anjely rehefa ho avy hitsara izy, ka hanavaka ny “vary” amin’ny “tsimparifary” sy ny “ondry” amin’ny “osy.” Efa niaraka tamin’i Mikaela izy ireo tamin’izy niady tamin’ilay dragona sy ny demoniany, rehefa niorina tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hanampy an’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka koa izy ireo amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.​—Mt 13:41; 25:31-33; Ap 12:7-10; 19:14-16.