Ankiben-tanana
Ilay rantsana afaka mikasika an’ireo rantsana hafa eo amin’iny tanana misy azy iny ihany. Tsy mahavita mandray zavatra na manao asa maro ilana fitandremana ny olona raha tsy eo ny ankibe, izay mihataka amin’ireo rantsana hafa. Fahiny, dia notapahina ny ankiben-tanan’ny babo sy ny ankiben-tongony indraindray, mba tsy hahafahany hanao miaramila intsony.—Mpts 1:6, 7.
Midika hoe ankibe fotsiny ilay teny hebreo hoe bôhen. Nampiana hoe tanana na tongotra foana izy io mba ho voafaritra tsara. Miresaka momba ny ankiben-tongotra foana ny Soratra Masina isaky ny miresaka momba ny ankiben-tanana.—Ek 29:20; Le 14:14, 17, 25, 28.
Nisy ondrilahy natao sorona mba hametrahana an’i Arona sy ny zanany lahy ho mpisorona. Nakan’i Mosesy ny ran’ilay ondry ary nataony teo amin’ny ravintsofin’i Arona ankavanana sy ny ankiben-tanany ankavanana ary ny ankiben-tongony ankavanana. Nataony toy izany koa ny tsirairay tamin’ireo zanakalahin’i Arona. (Le 8:23, 24) Manana heviny an’ohatra ilay ra teo amin’ny ankiben-tanana ankavanana. Midika izy io hoe tokony hamita ny andraikiny araka izay tsara indrindra vitany ilay mpisorona.