Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankizy, Zanaka, Zaza

Ankizy, Zanaka, Zaza

Maro ny teny hebreo sy teny grika ilazana ny taranak’olombelona, ary ahalalana tsipiriany isan-karazany ireny teny ireny. Yeled no teny hebreo fampiasa mba hilazana zaza. (Ge 21:8) Teny iray tarika aminy ny hoe yaldah, izay midika hoe “zazavavy”, “tovovavy”, na “ankizivavy.” (Jl 3:3; Ge 34:4; Za 8:5) Yalad, izay midika hoe “miteraka” no fototeny niavian’ireo teny hebreo roa ireo. ʽÔhlel sy ʽôhlal no teny hebreo roa hafa nadika hoe ankizikely na ankizy, ary samy avy amin’ny matoanteny fototeny ʽol, izay midika hoe “mampinono” izy ireo. (1Sa 22:19; Je 6:11; Ge 33:13) Naʽar kosa no teny hebreo mahazatra nilazana ankizilahikely na tovolahy. (Ge 19:4; Mpts 8:20) Ampiasaina koa io teny io mba hilazana zazakely, toa an’i Mosesy tamin’izy telo volana. (Ek 2:6; ampit. 2Sa 12:16.) Avy amin’ny hoe “jejojejo famindra” ny teny hebreo hoe taf (zanaka madinika). (Ge 43:8; 45:19; Is 3:16) Ireto kosa ny teny grika sasany: Teknôn (zanaka), tekniôn (ankizikely), paidiôn (zaza), ary arsen (zazalahy). (Mt 10:21; Jn 13:33; Mt 2:8; Ap 12:13) Midika hoe “zaza” ny teny grika hoe nepiôs (1Ko 13:11), ary “zaza” menavava no dikan’ny teny grika hoe brefôs. (Lk 1:41) Nadika hoe ‘zanaka’ indraindray ny teny hebreo sy grika midika hoe “zanakalahy.”​—Ge 3:16; Lk 20:34; jereo ZANAKALAHY, ZANAKA.

Nataon’ny Mpamorona izay hiterahan’ny olombelona mba hahamaro azy ireo, ary ireo zanaka indray avy eo no ho lasa ray aman-dreny rehefa lasa olon-dehibe. Nomena baiko hiteraka ny olombelona, araka ny Genesisy 1:28, ka faniriana voajanahary ao aminy ny hoe manan-janaka. Tena zava-dehibe tamin’ny Israelita fahiny ny hoe manan-janaka, satria nampanantena Andriamanitra fa hanao azy ireo ho firenena mahery, ary ho avy amin’izy ireo ilay taranaka nampanantenaina an’i Abrahama, izay hahazoan’ny firenena rehetra eto an-tany fitahiana. (Ge 28:14) Noheverina fa notahin’Andriamanitra ireo nanan-janaka maro (Sl 127:3-5; 128:3-6), fa afa-baraka kosa ireo momba.​—Ge 30:23.

Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia nahafaly kokoa ny niteraka lahy noho ny niteraka vavy. Nitovy foana anefa ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany, na lahy izy io na vavy. Naleon’izy ireo nitera-dahy mba tsy ho lany tamingana fa hisy hamelo-maso foana ny anaran’ny fianakaviana ary koa mba hisian’ny lova tsy mifindra. Ankoatra izany dia mitombo avo roa heny ny fotoam-pidiovana takin’ny Lalàna raha vavy no teraka. (Le 12:2-5) An’i Jehovah ny lahimatoa ka nisy fanatitra tsy maintsy natao mba hanavotana azy.​—Ek 13:12, 13; No 18:15.

Fahiny, dia nampandroina tamin’ny rano ny zaza vao teraka, ary nokosehina sira avy eo. (Ezk 16:4) Natao izany mba hahatonga ny hoditra ho maina tsara sy halambolambo, ary mba hampadinika ny mason-kodiny. Nofehezina tsara tamin’ny lamban-jaza na lamba lavalava ilay zaza. (Jb 38:9; Lk 2:12) Nampinonoina izy nandritra ny roa taona sy tapany na telo taona na mihoatra an’izany. Raha maty ilay reny na tsy afaka nampinono vao nitadiavana mpitaiza hampinono azy.

Nomena anarana teo am-pahaterahana ny zaza taloha, ka ny rainy (Ge 5:29; 16:15; 21:3; 35:18) no nanome an’izany, na ny reniny. (Ge 4:25; 29:32; 1Sa 1:20) Tatỳ aoriana kokoa anefa dia tamin’ny andro namorana azy, tamin’ny andro fahavalo taorian’ny nahaterahany, vao nomena anarana ny zanakalahy. (Lk 1:59; 2:21) Nampitondraina ny anaran-drainy indraindray ilay zaza raha lahy. Matetika anefa ilay anarana no nampifandraisina tamin’ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nahaterahany na talohan’izay, na tamin’ny anaran’i Jehovah. Nomen’ny olona anarana nahazatra fotsiny ny zanany tatỳ aoriana, fa tsy noeritreretiny izay tena dikan’ilay anarana.

Nisy fomba maro samihafa nitondran’ny reny ny zanany kely: Nobabena izy ireny indraindray, na natao an-tsoroka. Nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia fa nisy reny nitrotro ny zanany, nitondra azy teny an-tsoroka, na nisakelika azy. (Is 49:22; 66:12) Niresaka momba ny zaza notrotroina koa i Mosesy.​—No 11:12.

Ny reniny no tena nikarakara ny zanakalahy hatramin’ny fahadimy taonany. Mazava ho azy fa ny ray no tompon’andraikitra voalohany tamin’ny fampianarana Soratra Masina ny zanany hatramin’ny fahazazany, ary nanampy azy tamin’izany ilay reny. (De 6:7; Oh 1:8; Ef 6:4; 2Ti 3:15) Rehefa nihalehibe ilay ankizy dia nampiofanin-drainy hamboly sy hiompy ary handrafitra na hanao asa hafa. Samy mpiandry ondry, ohatra, na i Josefa na i Davida tamin’izy ireo tovolahy.​—Ge 37:2; 1Sa 16:11.

Ny reny no nikarakara akaiky ny zanakavavy, ary mazava ho azy fa teo ambany fahefan-drainy izany. Raha mbola tao an-tranon-dray aman-dreniny izy dia nampianarina nanao raharaha, izay tena ilainy rehefa lasa olon-dehibe izy. Niandry ondry, ohatra, i Rahely. (Ge 29:6-9) Niasa teny an-tsaha ny tovovavy tamin’ny fotoam-pijinjana. (Rt 2:5-9) Nilaza koa ilay tovovavy solemita fa nasain’ny anadahiny niambina tanimboaloboka izy.​—To 1:6.

Nifalifaly sy niala voly ny ankizy madinika teo amin’ny Israely, ka nilalao teny an-tsena indraindray, na naka tahaka ny fanaon’ny olon-dehibe.​—Mt 11:16, 17; Za 8:5.

Nahatsiaro ny Mpamorona azy nandritra ny fahatanorany ny tanora israelita tsara taiza. Nisy mihitsy aza nanompo an’Andriamanitra. Mbola kely, ohatra, i Samoela dia efa nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tranolay masina. (1Sa 2:11) Efa nahaliana an’i Jesosy ny nanompo an-dRainy, na dia vao 12 taona monja aza izy, satria niresaka tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly izy mba hianaran-javatra betsaka araka izay azony natao. (Lk 2:41-49) Tena nino an’i Jehovah sy Elisa mpaminany ny zazavavikely hebreo iray, ka nataony izay hankanesan’i Namàna tany amin’i Elisa mba hahasitrana ny habokany. (2Mp 5:2, 3) Samy asain’ny Salamo 148:12, 13 midera an’i Jehovah na ny ankizilahy na ny ankizivavy. Nampianarina tsara ny Baiboly ireo ankizilahy nahita an’i Jesosy tao amin’ny tempoly ka niantsoantso hoe: “Mba vonjeo re ny Zanak’i Davida e!” Nidera azy ireo i Jesosy noho izany.​—Mt 21:15, 16.

Ny ray aman-dreny no tsy maintsy nampianatra sy nampiofana ny zanany, ka sady mpampianatra izy ireo no mpitari-dalana, na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony. Ireto avy no tafiditra tamin’izany: 1) Nampianarina hatahotra an’i Jehovah ny ankizy. (Sl 34:11; Oh 9:10) 2) Nasaina nanaja ny rainy sy ny reniny izy ireo. (Ek 20:12; Le 19:3; De 27:16) 3) Nalentika tsikelikely tao an-tsain’ireo zaza mbola kely hoe inona avy ireo sazy, fananarana, didy ary fampianarana tao amin’ny Lalàna, ary ny zavatra nataon’i Jehovah sy ny fahamarinana momba Azy. (De 4:5, 9; 6:7-21; Sl 78:5) 4) Nantitranterina ny fanajana olon-dehibe. (Le 19:32) 5) Naraikitra tao an-tsain’ny ankizikely fa tena zava-dehibe ny mankatò. (Oh 4:1; 19:20; 23:22-25) 6) Nampiofanina hiantsoroka ny andraikitry ny olon-dehibe ny ankizy, ka nampianarina ny raharaha tao an-trano ny ankizivavy, ary nampianarina ny asan-drainy na asa hafa ny ankizilahy. 7) Nampianarina namaky teny sy nanoratra koa ny ankizy.

Taorian’ny sesitany tany Babylona, dia nanana synagoga ny ankamaroan’ny tanàna. Tatỳ aoriana, dia nankany ny ankizilahy mba hampianarin’ireo mpampianatra tany. Nianatra momba ny fivavahana koa ny ankizy rehefa nentin’ny ray aman-dreniny tany amin’ireo fivoriambe natao hivavahana tamin’i Jehovah sy hiderana azy. (De 31:12, 13; Ne 12:43) Nentin’ny ray aman-dreniny nankalaza ny Paska tany Jerosalema, ohatra, i Jesosy, saingy tsy hita izy teny an-dalana hody. Hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly izy “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ary nihaino sady nanontany.”​—Lk 2:41-50; jereo FIANARANA, FAMPIANARANA.

Raha lasa tena mpikomy sy tsy laitra fehezina intsony ny zanakalahy iray, rehefa avy nanarina imbetsaka sy nofaizina, dia nisy fepetra henjana kokoa noraisina. Nentina tany amin’ny anti-panahin’ny tanàna izy, ka rehefa avy nanamarina ny ray aman-dreniny fa mpandika lalàna tsy laitra anarina mihitsy ny zanany, dia hotoraham-bato ho faty ilay maditra. Azo inoana fa tsy ankizilahikely intsony izy io matoa lazain’ny Soratra Masina fa “tendan-kanina sy mamo lava.” (De 21:18-21) Novonoina ho faty izay namely ny rainy na ny reniny, na nanozona azy ireo. Noraisina izany fepetra henjana izany mba tsy hisian’ny faharatsiana intsony teo amin’ilay firenena satria “handre izany ny Israely rehetra ka hatahotra tokoa.” Tsy ho sahy haditra na tsy hanaja ny fahefan’ny ray aman-dreny àry ny tanora rehefa nahita ny sazy nampiharina tamin’izay naditra toy izany.​—Ek 21:15, 17; Mt 15:4; Mr 7:10.

Nisy ankizilahikely maromaro tena namingavinga an’i Elisa, ilay mpaminany voatendrin’Andriamanitra. Naneso azy izy ireo hoe: “Miakara, ry ilay sola! Miakara, ry ilay sola!” Nanao ny akanjo nahalalana an’i Elia mantsy i Elisa ka tian’ireo ankizy ireo angamba ny hiakarany ho any Betela na hiaingany hiala tamin’ny tany toy ny efa nataon’i Elia. (2Mp 2:11) Tsy tian’izy ireo hijanona teny amin’ny manodidina teny i Elisa. Farany, dia niherika i Elisa ka nanozona an’ireo ankizy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah. “Dia nisy orsavavy roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira roa amby efapolo tamin’ireo ankizy.”​—2Mp 2:23, 24.

Naminany i Jesosy fa hisy zanaka hitsangana hanohitra ray aman-dreny ary hisy ray aman-dreny hitsangana hanohitra ny zanany noho ny fanarahana an’i Jesosy. (Mt 10:21; Mr 13:12) Nilaza mialoha ny apostoly Paoly fa ho anisan’ny olana goavana amin’ny “andro farany” ny ankizy tsy mankatò ray aman-dreny sy ny olona tsy tia ny mpianakaviny.​—2Ti 3:1-3.

Nilaza ny apostoly Paoly fa anisan’ny fepetra takina amin’izay tendrena ho mpiandraikitra na mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana kristianina ny fananany “zanaka mpino izay tsy ampangaina ho miliba no sady tsy maditra.” Tsy maintsy manaiky azy amim-panajana ny zanany satria nilaza i Paoly “fa raha misy tokoa lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, ataony ahoana no fikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?”​—Tit 1:6; 1Ti 3:4, 5, 12.

Fahefan’ny ray aman-dreny. Lehibe ihany ny fahefan’ny ray aman-dreny, indrindra fa ny raim-pianakaviana. Raha mbola velona ny raim-pianakaviana sady afaka nitantana tsara ny ankohonany, dia teo ambany fahefany ny zanany lahy. Lasa loham-pianakaviana kosa io zanany io, rehefa nanana ny tokantranony manokana. Azon’ny raim-pianakaviana namidy ho mpanompon’olona vetivety ny zanany mba handoavana trosa. (Ek 21:7; 2Mp 4:1; Mt 18:25) Tena lehibe ny fahefan’ny raim-pianakaviana tamin’ny zanany vavy ka azony nofoanana mihitsy ny voady nataon’izy io. Tsy azony norarana anefa izy io raha te hanompo an’i Jehovah sady tsy azony notarihina handika ny didin’i Jehovah. Anisan’ny firenen’Israely nanokan-tena ho an’Andriamanitra koa mantsy ilay raim-pianakaviana sady teo ambanin’ny Lalàn’Andriamanitra. (No 30:3-5, 16) Nanana fahefana teo amin’ny fanambadian-janany ny ray aman-dreny, satria izy ireo no nifidy izay ho vadin’ny zanany lahy na nikarakara ny fampakaram-bady. (Ge 21:21; Ek 21:8-11; Mpts 14:1-3) Afaka nody tany amin-drainy, ka nanjary teo ambany fahefany indray, ny vehivavy iray raha lasa mpitondratena na nisarahan’ny vadiny.​—Ge 38:11.

Avy tamin’ny ray no nahazoana anjara lova. Raha kambana ny zaza, dia navahana tsara izay teraka voalohany (Ge 38:28), satria anjaran’olon-droa ny lovan’ilay lahimatoa fa anjaran’olon-tokana kosa ny an’ilay iray. (De 21:17; Ge 25:1-6) Matetika no ny zokiny indrindra tamin’ny zanakalahy no namelona an’ireo vehivavy tao amin’ny fianakaviana raha maty ny rainy. Raha nisy zanakalahy teraka avy tamin’ny fitondrana loloha, dia notezaina ho zanaky ny maty izy io ka nandova ny fananan’ilay maty.​—De 25:6; Rt 4:10, 17.

Heviny an’ohatra. Manana heviny malalaka be ny teny hoe “ankizy” na “zanaka” na “zaza” ao amin’ny Baiboly. Nantsoina hoe “zanaka ao amin’ny nofo” ny taranak’Israely, ary nolazain’i Isaia fa “zanaky ny fandikan-dalàna” izy ireo satria nikomy tamin’i Jehovah. (Ro 9:8; Is 57:4) Nosokajina ho “zanaka efa voaozona” sy “zanaky ny Devoly” ny olona ratsy toetra, tamin’ny andron’ny apostoly. (2Pe 2:14; 1Jn 3:10) Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” kosa ireo maneho finoana an’i Kristy sy nateraky ny fanahy. (Jn 1:12; Ro 8:16) Matetika no nantsoina hoe zanaka na zaza ny mpianatra.​—Jn 13:33; He 2:13.

Voalaza fa “zanaky ny fitsanganana amin’ny maty” ireo hatsangana amin’ny maty. (Lk 20:36) Voalaza koa fa “zanaky ny fampanantenana” (Ro 9:8) na “zanaky ny vehivavy afaka” (Ga 4:31) ireo mpiara-mandova amin’i Kristy. Izay rehetra te hahazo fiainana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra, dia tsy maintsy maneho toetran’ny zaza, izany hoe manetry tena, mora manaiky, ary matoky. (Mt 18:2-4) Nantsoina hoe “zanaka mankatò” sy “zanaky ny mazava”, ireo lehilahy sy vehivavy miezaka mankatò an’Andriamanitra, ka hita taratra eo amin’ny fiainany ny fahazavan’ny fahamarinana.​—1Pe 1:14; Ef 5:8.

Toy ny niteny tamin’ny zanaka i Paoly rehefa nanoro hevitra ny fiangonana tao Korinto mba ‘hanalalaka ny fon’izy ireo.’ Nampirisihiny anefa izy ireo talohan’izay mba tsy ho zaza raha ny amin’ny fahaiza-misaina.​—2Ko 6:13; 1Ko 14:20.