Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anti-panahy

Anti-panahy

Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe zaken sy ny teny grika hoe presbyterôs izay midika ara-bakiteny hoe “lehilahy zokiolona.” Nilazana olona be taona ireo teny ireo (Ge 18:11; De 28:50; 1Sa 2:22; 1Ti 5:1, 2), na ny zokiny amin’ny olona anankiroa (Lk 15:25), na ireo manana fahefana sy andraikitra eo anivon’ny antokon’olona iray na firenena iray. Io heviny fahatelo io anefa no tena ampiasaina ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina.

Efa hatry ny ela no nohajaina ny lehilahy be taona, noho izy manana traikefa, fahalalana, fahendrena ary mahay mitsara zavatra. Tany amin’ny tany maro, dia ireo lehilahy zokiolona teo amin’ny fianakaviana, na ireo lehilahy nanana fahalalana sy fahendrena niavaka no to teny. Mety ho olona be taona na olona nanana andraikitra àry no nantsoina hoe “anti-panahy.” Rehefa milaza, ohatra, ny Baiboly hoe “anti-panahy rehetran’i Ejipta” sy “anti-panahin’i Moaba [“olo-manan-kajan’i Môaba”, DIEM] sy ny anti-panahin’ny Midianina”, dia tsy ny zokiolona rehetra teo amin’ireo firenena ireo no tiany holazaina fa ireo anisan’ny filan-kevitra nitantana ny raharahan’ireny firenena ireny, izany hoe, ireo “andriana [heb.: sarim; ‘mpanapaka’, Prot.]” teo aminy.​—Ge 50:7; No 22:4, 7, 8, 13-15; Sl 105:17, 21, 22.

Toy izany koa ny amin’ny fitenenana hoe: “Anti-panahin’ny Israely”, “anti-panahin’ny vahoaka”, “anti-panahin’ny vahoakako”, “anti-panahy teo amin’ny taniny.” (No 16:25; Le 4:15; 1Sa 15:30; 1Mp 20:7, 8) Tsy ny be taona rehetra teo amin’ny Israely no tiana holazaina tamin’izany fa ireo nitana andraikitra. Ny teny manodidina indraindray no ahalalana raha lahiantitra na olona mitana andraikitra no dikan’ny teny hoe zekenim (lehilahy zokiolona) rehefa tsy misy mpamari-toetra miaraka aminy.

Anti-panahy (lehilahy zokiolona) teo amin’ny Israely. Efa nanana ‘anti-panahy’ ny Israelita talohan’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. Ireny no mpampita hafatra sy mpitondra tenim-bahoaka ary mpandray fanapahan-kevitra. Nasaina nilaza ny anton-diany tamin’izy ireny i Mosesy rehefa niverina tany Ejipta. Ireo anti-panahy ireo, na ireo lohandohany tamin’izy ireo, no niaraka tamin’i Mosesy nankany amin’i Farao.​—Ek 3:16, 18.

Ny ‘anti-panahy’ no nisolo tena ny vahoaka ka nanaiky hanao fifanekena tamin’i Jehovah rehefa nanasa an’ilay firenena hiditra tao amin’ny Fifaneken’ny Lalàna i Mosesy, izay nisolo tena an’Andriamanitra. (Ek 19:3-8) Rehefa nitaraina momba ny fiainana tany an-tany efitra ny Israelita, dia notsorin’i Mosesy tamin’i Jehovah fa lasa navesatra loatra taminy ny fiandraiketana an’ilay firenena. Nandidy an’i Mosesy àry Andriamanitra hoe: “Manangòna fitopolo lahy amin’ny anti-panahin’ny Israely, dia izay fantatrao fa anti-panahy sady mpiadidy eo amin’ny vahoaka. ... Ary hakako ny fanahy ao aminao ka hataoko ao amin’izy ireo. Hanampy anao hitondra ny vahoaka izy ireo.” (No 11:16, 17) Andriamanitra no nanendry an’ireo ‘anti-panahy’ ireo ho amin’io andraikitra io. (No 11:24, 25) Nampiasa azy ireo i Jehovah mba hiaraka amin’i Mosesy hitondra sy hikarakara an’ilay firenena.

Rehefa avy nifindrafindra toerana ny Israelita, dia nahazo an’ilay Tany Nampanantenaina, ka nipetraka tao anaty trano sy tanàna toy ny tany Ejipta. Ireo anti-panahy indray izao no niandraikitra ny vahoaka tao an-tanànany. Niara-niasa izy ireo tao amin’ny tanàna nisy azy avy, ka avy amin’ireo no nakana mpitsara sy mpiadidy mba hampanjakana ny rariny, ny fandriampahalemana, ny filaminana, ary ny fivavahana amin’i Jehovah.​—De 16:18-20; 25:7-9; Js 20:4; Rt 4:1-12.

Mariho ny fitenenana hoe “ny Israely rehetra, izany hoe ny anti-panahy sy ireo lohany teo amin’izy ireo ary ny mpitsarany sy ny mpiadidiny” (Js 23:2; 24:1), sy ny hoe “ny anti-panahin’ny Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ny mpiadidy teo amin’ny fianakaviambe.” (2Ta 5:2) Anisan’ny “anti-panahy” ihany ireo “lohany” sy “mpitsarany” ary “mpiadidiny” ireo, saingy nanana andraikitra manokana.​—Ampit. 2Mp 19:2; Mr 15:1.

Ireo anti-panahy nisahana ny raharaham-pirenena kosa nantsoina hoe: “Anti-panahin’ny Israely” (1Sa 4:3; 8:4), “anti-panahy teo amin’ny taniny” (1Mp 20:7), “anti-panahin’ny vahoaka.” (Mpts 21:16) Nantsoina hoe “anti-panahy rehetran’ny Joda sy Jerosalema” ireo nisahana ny raharahan’ny fanjakana tany atsimo, taorian’ny nizaran’ny fanjakana.​—2Mp 23:1.

Nivadika tamin’Andriamanitra sy ny vahoaka ireo “anti-panahy” fa tsy nanao ny andraikiny, toy ireo mpanjaka sy mpisorona maro teo amin’ny Israely ihany. (1Mp 21:8-14; Ezk 7:26; 14:1-3) Tsy nanampy an’ilay firenena intsony Andriamanitra ka ‘ankizilahy no lasa andrianan’izy ireo’ ary ‘ny olon-tsotra dia nitratrevatreva tamin’ny olona tokony hohajaina.’ (Is 3:1-5) Asehon’ny Soratra Hebreo fa tsy ampy raha ny taona fotsiny, ary tsy ho “satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy” raha tsy “ao amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Oh 16:31) “Tsy izay ela niainana ihany no hendry, na izay be taona ihany no mahay mitsara”, fa izay manana traikefa sy tarihin’ny fanahin’Andriamanitra sady mahay ny Teniny.​—Jb 32:8, 9; Sl 119:100; Oh 3:5-7; Mpto 4:13.

Mbola ny “anti-panahy” rehetra no nitantana ny raharahan’ny firenena jiosy tany an-tsesitany tany Babylona, sy taorian’ny niverenana tany Joda. (Je 29:1; Ezr 6:7; 10:7, 8, 14) Ny “anti-panahy” (gr.: presbyterôi) koa no nikarakara ny raharaha teo an-tanàna (Lk 7:3-5) sy teo amin’ilay firenena, tamin’i Jesosy teto an-tany. Anisan’ny rangory fototry ny afo tamin’ny fanoherana an’i Jesosy sy ny mpianany “ny anti-panahy rehetra” (gr.: presbyteriôn) tao Jerosalema.​—Lk 22:66; As 22:5.

Anti-panahy teo anivon’ny fiangonana kristianina. Mora azo ny dikan’ny hoe “anti-panahy” na “lehilahy zokiolona” (presbyterôi) eo anivon’ny fiangonana kristianina, rehefa jerena ny fanazavana teo aloha. Toy ny teo amin’ny firenen’Israely ihany ny teo amin’ny Israely ara-panahy: Ny “lehilahy zokiolona” na “anti-panahy” no niandraikitra ny fiangonana.

Niara-niasa ny apostoly rehetra, tamin’ny Pentekosta, ary i Petera no mpitondra tenin’izy ireo rehefa nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra. (As 2:14, 37-42) Azo antoka fa “anti-panahy” izy ireo satria nifanerasera akaiky tamin’i Jesosy efa hatrany am-boalohany, sady i Jesosy mihitsy no naniraka azy ireo hampianatra. (Mt 28:18-20; Ef 4:11, 12; ampit. As 2:42.) Hita fa neken’ireo tonga mpino hoe nanana fahefana hitantana an’ilay firenena vaovao notarihin’i Kristy ireo apostoly (As 2:42; 4:32-37; 5:1-11), sady nanana fahefana hanendry mpiandraikitra, na mivantana, na tamin’ny alalan’ny solontena toy ny apostoly Paoly. (As 6:1-6; 14:19-23) Tamin’ilay adihevitra momba ny famorana, dia niara-nandinika an’ilay raharaha ny “anti-panahy” sy ny apostoly. Nampahafantarina tany amin’ny fiangonana rehetra ny fanapahan-kevitr’izy ireo, ary neken’ny besinimaro. (As 15:1-31; 16:1-5) Toy ny “anti-panahy” sasany izay nikarakara ny raharaham-pirenena teo amin’ny Israely àry ireo “anti-panahy” sy apostoly ireo, satria izy ireo no filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana kristianina tany amin’ny tany rehetra. Nankany Jerosalema i Paoly tatỳ aoriana, ary niara-nivory tamin’i Jakoba sy ny “anti-panahy rehetra.” Notantarainy tamin’izy ireo ny vokatry ny fanompoany, ary nomen’izy ireo torohevitra vitsivitsy izy.​—As 21:15-26.

Nadika hoe “lehilahy zokiolona” indraindray ny hoe presbyterôs, rehefa ampiarahina amin’ny hoe tovolahy na vehivavy zokiolona. Tsy andraikitra eo anivon’ny fiangonana mantsy no tiana holazaina, fa taona niainana. (As 2:17, 18; 1Ti 5:1, 2) Ampiasaina koa io teny grika io mba hilazana ny “olona fahiny.” (He 11:2) Ilazana an’ireo anti-panahy manana andraikitra hitarika eo anivon’ny fiangonana anefa ny ankamaroan’ny hoe presbyterôs ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Misy andinin-teny vitsivitsy miantso an’ireo “anti-panahy” hoe “mpiandraikitra” (gr.: episkôpôi; “mpitandrina”, Prot.). Nampiasa an’io teny io i Paoly rehefa niresaka momba an’ireo “anti-panahy” tao amin’ny fiangonan’i Efesosy, ary io koa no nampiasainy tao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy. (As 20:17, 28; Tit 1:5, 7) Andraikitra iray ihany àry no tondroin’ny hoe presbyterôs (anti-panahy) sy ny hoe episkôpôs (mpiandraikitra): Milaza ny fahamatoran’ilay voatendry ny hoe presbyterôs, fa milaza ny andraikiny kosa ny hoe episkôpôs.

Hoy i Manuel Guerra y Gomez momba ilay teny grika hoe presbyterôs: “Ny tena nandikana an’ilay teny [presbyterôs] amin’ny ankamaroan’ny asa soratra grika, izay mbola misy hatramin’izao, dia hoe lehilahy zokiolona, izany hoe lehilahy matotra. Mahay mitsara zavatra ilay olona sady mahay manome toro lalana tsara. ... Tsy midika hoe lahiantitra efa osa ilay teny [presbyterôs] na teo amin’ny Grika na teo amin’ny Israelita. Midika kosa izy io hoe lehilahy matotra afaka mitondra ny ankohonany na ny vahoakany noho izy manana traikefa sy malina.”​—Episcopos y Presbyteros, Burgos, Espaina, 1962, p. 117, 257.

Tokony ho efa ela niainana ny “anti-panahy” na “zokiolona” teo amin’ny Israely fahiny. (1Mp 12:6-13) Tsy tovolahy koa ny “anti-panahy” na mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana kristianina, satria nilaza i Paoly fa nanam-bady aman-janaka izy ireo. (Tit 1:5, 6; 1Ti 3:2, 4, 5) Na izany aza dia tsy ny isan’ny taona niainana no fepetra voalohany indrindra notakina (1Ti 3:2-7; Tit 1:6-9), sady tsy nisy taona voafaritra tsara notakina koa. Anti-panahy, ohatra, i Timoty na dia mbola tanora ihany aza, ary nasaina nanendry “anti-panahy” koa izy.​—1Ti 4:12.

Tsy maintsy tsara fitondran-tena sy manana finoana matanjaka ny “anti-panahy” eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tena ilainy koa ny mahay mampianatra sy mandrisika ary mananatra. (1Ti 3:2; Tit 1:9) Nandidy an’i Timoty i Paoly hoe: “Torio ny teny, ary ataovy tsy misy hataka andro izany na amin’ny mora na amin’ny sarotra, mananara, teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra, ary aoka ianao hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao izany rehetra izany.” (2Ti 4:2) “Mpiandry” ny andian’ondry ny “anti-panahy”, ka andraikiny ny manome sakafo ara-panahy sy mikarakara an’ireo marary ara-panahy ary miaro an’ilay andian’ondry amin’ireo toy ny amboadia. (As 20:28-35; Jk 5:14, 15; 1Pe 5:2-4) Misy andraikitra hafa koa anefa. Nazoto nampianatra “ampahibemaso sy isan-trano” i Paoly, ary nampahatsiahiviny i Timoty hoe: “Ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara, ary tanteraho tsara ny fanompoanao.”​—As 20:20; 2Ti 4:5.

Niara-niasa ny “anti-panahy” rehetra teo anivon’ny fiangonana kristianina tsirairay, ary amin’ny endriny milaza maro foana ny teny hoe “anti-panahy” sy “mpiandraikitra”, na tany Jerosalema izany (As 11:30; 15:4, 6; 21:18), na tany Efesosy (As 20:17, 28), na tany Filipy (Fi 1:1). Voalaza fa “nametra-tanana” tamin’i Timoty “ny anti-panahy rehetra” (gr.: presbyteriôn). (1Ti 4:14) Niandraikitra ny fiangonana ireo “anti-panahy” ka izany no nahatonga azy ireo ‘hitarika’ ny rahalahiny.​—Ro 12:8; 1Te 5:12-15; 1Ti 3:4, 5; 5:17.

“Anti-panahy” sady apostoly i Paoly sy Petera, ka nanara-maso an’ireo “anti-panahy” tany amin’ny fiangonana sasany indraindray. (Ampit. 1Ko 4:18-21; 5:1-5, 9-13; Fi 1:1; 2:12; 1Pe 1:1; 5:1-5.) Nanao toy izany koa ny apostoly Jaona ary i Jakoba sy Joda mpianatr’i Jesosy. Mariho fa samy nanoratra taratasy ho an’ny fiangonana izy rehetra ireo. Notendren’i Paoly hisolo tena azy tany an-toeran-kafa i Timoty sy Titosy. (1Ko 4:17; Fi 2:19, 20; 1Ti 1:3, 4; 5:1-21; Tit 1:5) Nikarakara fiangonana maro vao niforona izy roa lahy, ary i Titosy nirahina ‘hanitsy an’ireo zavatra tsy nety [na tsy ampy]’ tany amin’ireo fiangonana tany Kreta.

Voalaza fa nanendry “anti-panahy” teo anivon’ny fiangonana i Paoly, Barnabasy, Titosy, ary mety ho nanao izany koa i Timoty. (As 14:21-23; 1Ti 5:22; Tit 1:5) Tsy misy fitantarana hoe ny fiangonana ihany no nanendry ny anti-panahy teo aminy. Milaza ny Asan’ny Apostoly 14:23 fa niverina nitsidika an’i Lystra sy Ikonioma, ary Antiokia i Paoly sy Barnabasy ka “nanendry anti-panahy [gr.: keirôtônesantes] teo anivon’ny fiangonana tsirairay” (“nanendry loholona teo amin’ny isam-piangonana izy”, Prot.). Izao no voalaza momba ny hevitr’ilay matoanteny grika hoe keirôtôneô: “Marina fa ‘mifidy amin’ny alalan’ny tsangan-tanana’ no dikan’ilay teny tany am-boalohany, nefa nanjary nampiasaina mba hilazana hoe ‘manendry’ izy io: Jereo io teny io eo amin’ny 10:41 fa misy tovona [prô, “eo aloha”].” (Ny Asan’ny Apostoly, nataon’i F. Bruce; 1970; p. 286) Nomen’ny boky iray ny dikan’ny hoe keirôtôneô, ary nolazainy avy eo fa izy io dia “nanjary nidika hoe manendry ... manendry ho amin’ny toerana misy andraikitra eo anivon’ny Fiangonana.” (Rakibolana Grika-Anglisy, nataon’i Liddell sy Scott; nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 1986) Hoy koa ny boky iray: “Rehefa misy fameno aorian’ilay matoanteny, dia midika hoe manendry na mametraka amin’ny toerana misy andraikitra, na dia tsy misy fifidianana na latsa-bato aza.” (Diksionera Grika-Anglisy ho An’ny Testamenta Vaovao, nataon’i Parkhurst, Londres, 1845, p. 673) Notendrena ireny lehilahy kristianina ireny mba hisahana ny andraikitry ny “anti-panahy”, ary tsy nisy fifidianana tamin’ny tsangan-tanana tamin’izany.

Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Aoka hatao mendrika hahazo fanajana roa heny ny anti-panahy mahay mitondra, indrindra fa izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana.” (1Ti 5:17) Azo inoana fa anisan’ny “fanajana roa heny” ny fanomezana fanampiana an’ireo anti-panahy, rehefa jerena ny andininy faha-18 sy ny andininy faha-3-16 izay miresaka momba ny fanomezana fanampiana an’ireo vehivavy mpitondratena.

Iza ireo “anti-panahy efatra amby roapolo” teo ambony seza fiandrianana tany an-danitra?

Miseho in-12 ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny teny hoe presbyterôi, ary iantsoana zavaboary any an-danitra. Iza ireo? Ahalalana izany ny zavatra manodidina azy, ny fitafiany, ary izay ataony.

Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana ny seza fiandrianan’i Jehovah voahodidina seza fiandrianana kely kokoa 24, izay nipetrahan’ny anti-panahy 24 nanao akanjo ivelany fotsy sy satroboninahitra volamena. (Ap 4:1-4) Hitan’i Jaona tao amin’ny tohin’ilay fahitana fa sady tsy nitsahatra niankohoka nivavaka teo anoloan’ny seza fiandrianan’i Jehovah ireo anti-panahy 24 no nandray anjara tamin’ireo zava-nitranga samihafa tao amin’ilay fahitana koa. (Ap 4:9-11; 5:4-14; 7:9-17; 14:3; 19:4) Niavaka koa ny fahitana azy ireo nanambara fa niorina ilay Fanjakana ary nandray fahefana lehibe i Jehovah sady nanomboka nanjaka.​—Ap 11:15-18.

Nisolo tena sy nisolo vava ny Israely manontolo ny “anti-panahin’ny Israely”, taloha. (Ek 3:16; 19:7) Mety ho solontenan’ny fiangonan’ny Israely ara-panahy iray manontolo koa àry ireo “anti-panahy” 24 teo ambony seza fiandrianana nanodidina an’Andriamanitra, eny, solontenan’ny Kristianina voahosotra rehetra, izay tsy nivadika mandra-pahafatiny, ka nahazo ny valisoany, dia ny fitsanganana ho any an-danitra sy ny seza fiandrianana eo akaikin’ny an’i Jehovah. (Ap 3:21) Misy dikany lehibe koa ny isa 24, satria nozarain’i Davida Mpanjaka ho 24 ireo mpisorona nanompo tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Ho “mpisorona” sy “mpanjaka” mantsy ny Kristianina voahosotra.​—1Pe 2:9; 1Ta 24:1-19; Lk 1:5-23, 57-66; Ap 20:6; jereo MPIANDRAIKITRA.