Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antikristy

Antikristy

Midika hoe “manohitra an’i Kristy na maka ny toerany.” Ao amin’ny taratasy roa nosoratan’i Jaona ihany no ahitana io teny io, izay miseho indimy amin’ny endriny milaza tokana na maro.

Efa nahare momba ny antikristy ny Kristianina nanoratan’i Jaona (t. 98). Hoy mantsy izy: “Izao, anaka, no ora farany. Araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy [gr.: antikristôs]. Ary efa misy antikristy maro sahady izao. Izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.” (1Jn 2:18) Nilaza i Jaona fa misy antikristy maro, nefa izy rehetra mitambatra koa no azo antsoina hoe ‘ilay antikristy.’ (2Jn 7) Fotoana fohy na lavalava ilay hoe “ora”, izay nadika koa hoe “fotoana” ao amin’ny boky hafa nosoratan’i Jaona. (Jereo Jn 2:4; 4:21-23; 5:25, 28; 7:30; 8:20; 12:23, 27.) Tsy amin’ny hoavy ihany àry vao hisy antikristy, fa efa nisy izy ireny tamin’ny androny.​—1Jn 4:3.

Ireo antsoina hoe antikristy. Nisy nilaza taloha fa i Pompée, Néron, na i Mahometa (araka ny filazan’ny Papa Innocent III tamin’ny 1213) no “antikristy.” Nilaza kosa ny Protestanta fa ny fitondran’ny papa izy io. Asehon’ireo boky nosoratan’i Jaona anefa fa izay rehetra mandà “an’i Jesosy tsy ho Kristy” no “antikristy”, ary koa izay mandà fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra tonga “tamin’ny nofo.”​—1Jn 2:22; 4:2, 3; 2Jn 7, Prot., Kat.; ampit. Jn 8:42, 48, 49; 9:22.

Izay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy sy Zanak’Andriamanitra, dia mandà ny iray amin’ireto fampianaran’ny Soratra Masina momba azy ireto na izy rehetra mihitsy: Ny niaviany, ny anjara toerany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra, ny maha Mesia azy araka ny faminanian’ny Soratra Hebreo, ary ny fanompoany sy ny fampianarany ary ny faminaniany. Mandà azy koa izay tsy manaiky fa Mpisoronabe sy Mpanjaka voafidin’Andriamanitra izy, na izay mitady haka izany toerany izany. Manaporofo izany ny andininy hafa, na dia tsy ahitana hoe “antikristy” aza. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko, dia manaparitaka.” (Lk 11:23) Mety ho mpamitaka ny olona toy ireny. (2Jn 7) “Antikristy” koa àry izay “Kristy sandoka” sy “mpaminany sandoka” ary izay manao fahagagana maro amin’ny anaran’i Jesosy nefa antsoiny hoe “mpandika lalàna.”​—Mt 24:24; 7:15, 22, 23.

Nilaza i Jesosy fa izay atao amin’ny tena mpianany dia toy ny atao aminy ihany. (Mt 25:40, 45; As 9:5) Antikristy koa àry ireo manenjika ny mpianany, anisan’izany i “Babylona Lehibe.”​—Lk 21:12; Ap 17:5, 6.

Nilaza i Jaona fa antikristy ny mpivadi-pinoana izay “niala tamintsika”, izany hoe niala tamin’ny fiangonana kristianina. (1Jn 2:18, 19) Antikristy koa àry “ilay lehilahy mpandika lalàna” na “zanaky ny fandringanana” noresahin’i Paoly, sy ireo “mpampianatra sandoka” nolazain’i Petera fa mamorona sekta mampidi-doza sy ‘mandà an’ilay tompo nividy azy ireo.’​—2Te 2:3-5; 2Pe 2:1; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.

Misy fanjakana sy firenena ary fikambanana anisan’ny antikristy koa, araka ny Apokalypsy 17:8-15; 19:19-21.​—Ampit. Sl 2:1, 2.

Haringana ireny antikristy rehetra ireny, noho izy ireny mikomy.