Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antokon-kintana Fijerena Tononandro

Antokon-kintana Fijerena Tononandro

Antokon-kintana tazana avy eto an-tany, ary somary ambony kely na ambany kelin’ny lalana ihodinan’ny Tany manodidina ny masoandro. Hoy ny 2 Mpanjaka 23:5 momba izay nataon’i Josia mpanjakan’ny Joda: “Ary nesoriny tamin’ny asany ireo mpisoron’ny andriamani-kafa, izay notendren’ireo mpanjakan’ny Joda hanolotra setroka ho sorona teny amin’ny toerana avo, tany amin’ireo tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema. Nesoriny koa ireo nanolotra setroka ho sorona ho an’i Bala, sy ho an’ny masoandro sy ny volana sy ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.” Eo ihany no ahitana ny teny hebreo hoe mazzalôht nadika hoe “antokon-kintana fijerena tononandro.” Toa misy ifandraisany anefa izy io sy ny teny hebreo hoe mazzarôht ao amin’ny Joba 38:32. Ny teny manodidina no ahafantarana ny dikan’izy io.

Ny Babylonianina fahiny no nahita voalohany an’ilay antsoina hoe faritry ny antokon-kintana, rehefa nodinihiny ny lalan’ny masoandro manavatsava an’ireo kintana isan-taona. Voamariky ny manam-pahaizana momba ny kintana sy ny planeta fa ao anatin’ny faritra iray somary ambony kely sy ambany kelin’io lalana io no toa lalan’ny masoandro sy ny volana ary ny planeta lehibe hafa, rehefa tazanina avy eto an-tany. Efa tamin’ny taonjato faharoa T.K. anefa vao nozarain’ny manam-pahaizana grika iray ho 12 mitovy tsara ireo antokon-kintana, ka nantsoina hoe antokon-kintana fijerena tononandro izy ireo. Izay anaran’ny antokon-kintana ao amin’ny fizarana tsirairay no natao anaran’ilay fizarana. Midika hoe “biby manao faribolana” ny teny grika niavian’ny hoe “antokon-kintana fijerena tononandro.” Anarana biby na hazandrano mantsy ny ankamaroan’ny anaran’ireo antokon-kintana 12 tamin’ny voalohany.

Tsy mifanitsy intsony amin’ny antokon-kintana niantsoana azy taloha ireny tononandro ireny ankehitriny. Mihodina 360 degre isaky ny 26 000 taona eo ho eo mantsy ny fitongilanan’ny tany, ka izany no mahatonga an’ireo antokon-kintana hikisaka 1 degre miantsinanana isaky ny 70 taona. Lasa nikisaka nankeo amin’ny toeran’ny tononandro Trondro (Poisson) àry ny tononandro Ondrilahy (Bélier), tao anatin’ny 2 000 taona lasa.

Misy ifandraisany amin’ny fanandroana. Efa hatry ny ela no nivavahana ny antokon-kintana fijerena tononandro, tany Mezopotamia fahiny. Misy mampiavaka azy, hono, ny antokon-kintana tsirairay. Nijery ny toeran’ireo kintana na planeta sy ny an’ireo antokon-kintana àry ny mpanandro, mba hilazany izay mety hitranga. Mpisoron’ny andriamani-kafa nentin’ny mpanjaka sasany tany Joda no nampiditra ny fanandroana tany. (2Mp 23:5) Efa hatry ny ela anefa i Jehovah Andriamanitra no nilaza fa tokony hovonoina ho faty izay miankohoka amin’ny kintana.​—De 17:2-7.

Nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahana babylonianina ny fanandroana. Rava ihany anefa i Babylona araka ny faminanian’i Isaia, na dia nandinika ny antokon-kintana fijerena tononandro aza ireo mpanandrony.​—Is 47:12-15; jereo MPANANDRO.

Betsaka ankehitriny ny fivavahana mbola mampiasa ny antokon-kintana fijerena tononandro. Ahitana azy ireny, ohatra, ny Katedralin’i Notre Dame any Paris, sy ireo katedraly any Amiens sy Chartres any Frantsa.