Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Antsapaka

Antsapaka

Nanao antsapaka ny olona fahiny rehefa hanapa-kevitra. Nasiana vatokely na hazo fisaka kely na vato fisaka kely tao anaty akanjo miforitra na “teo am-pofoana” na tao anaty vazy, ary nahontsankontsana. Izay voaray tao no nahafantarana ny zavatra na olona voafidy. Nivavaka na toy ny hoe nivavaka ihany ireo nanao antsapaka, hoatran’ireo nianiana koa, satria naniry sy nanantena ny hampian’i Jehovah. Manana heviny ara-bakiteny sy an’ohatra hoe “anjara” ny hoe antsapaka (heb.: gôhral).​—Js 15:1; Sl 16:5; 125:3; Is 57:6; Je 13:25.

Antony. Hoy ny Ohabolana 16:33: “Eo am-pofoana no anaovana antsapaka, fa ny fanapahan-kevitra rehetra avy amin’izany kosa dia avy amin’i Jehovah.” Hoy koa ny Ohabolana 18:18: “Mampitsahatra fifandirana ny antsapaka, sady mamaha olana eo amin’ny samy matanjaka.” Te hampitsahatra adihevitra àry ny Israelita nanao antsapaka, fa tsy te hilalao na hiloka. Tsy nisy fanamby na vola na loka homena na ho azo. Tsy ny hampanan-karena ny tempoly sy mpisorona na ny hanampy ny mahantra no tanjona. Ireo miaramila romanina nanao antsapaka kosa te hahazo ny akanjon’i Jesosy, araka ny nambaran’ny Salamo 22:18.​—Mt 27:35.

Ilay fifidianana osilahy ho an’i Jehovah sy ho an’i Azazela tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana no antsapaka resahin’ny Baiboly voalohany. (Le 16:7-10) Nataon’ny mpisoronabe tao an-tempolin’i Heroda ilay antsapaka, tamin’ny andron’i Jesosy. Nalainy tao anaty boaty ny zavatra roa vita tamin’ny karazan-kazo mandokalahy na tamin’ny volamena, hono, ka ny iray nisy soratra hoe “Ho An’i Jehovah” ary ny iray hoe “Ho An’i Azazela”, ary avy eo napetrany teo ambony lohan’ireo osy.

Antsapaka no nahitana ny filaharan’ireo mpisorona nisy fizarana 24 hanompo tao an-tempoly. (1Ta 24:5-18) Nosoratan’ny mpitan-tsoratry ny Levita ny anaran’ny lohan’ireo fianakaviambe, izay nofidina tsirairay avy eo. Antsapaka koa no nanendrena ny Levita mpihira, mpiandry vavahady, mpiandraikitra ny zava-tsarobidy, sy ny toy izany. (1Ta 24:31; toko 25, 26; Lk 1:8, 9) Natao antsapaka ny fitondrana kitay tao an-tempoly sy ny fifidianana an’ireo hifindra tao Jerosalema, taorian’ny sesitany.​—Ne 10:34; 11:1.

Namahana olana, toy ny rehefa nanao antsapaka, ny Orima sy Tomima napetrak’i Mosesy tao amin’ny saron-tratran’ny mpisoronabe (Le 8:7-9), na dia tsy voalaza aza hoe antsapaka ilay izy ary tsy fantatra hoe inona ny Orima sy Tomima. Toa nanaovana antsapaka ny Orima sy Tomima, ao amin’ny 1 Samoela 14:41, 42. Antsoina koa hoe antsapaka masina izy ireo. Nijoro teo anatrehan’i Jehovah ny mpisoronabe mba hanontany izay tokony hatao tamin’ny raharaha lehibe momba ilay firenena, ka novaliany tamin’ny alalan’ireo antsapaka masina.

Nasain’i Jehovah natao antsapaka ny fizarana ny Tany Nampanantenaina tamin’ireo foko 12. (No 26:55, 56) Resahin’ny bokin’i Josoa amin’ny an-tsipiriany ilay fizarana, ary hita ao in-20 mahery (toko faha-14-21) ny hoe “antsapaka.” I Josoa sy Eleazara Mpisoronabe no nanao ilay antsapaka tao amin’ny tranolay fihaonana tao Silo teo anatrehan’i Jehovah. (Js 17:4; 18:6, 8) Antsapaka koa no nifidianana ny tanànan’ny Levita. (Js 21:8) Nataon’i Jehovah nifanaraka tamin’ilay faminaniany momba izay ho faritanin’ireo foko ny valin’ilay antsapaka.​—Ge 49.

Antsapaka koa no nahafantarana izay diso. Izany, ohatra, no nahafantarana fa i Jonatana no tsy nanaja an’ilay fianianana maimaika nataon’i Saoly (1Sa 14:41, 42), sy nahalalan’ireo tantsambo fa ny nataon’i Jona no nahatonga ilay oram-baratra be.​—Jo 1:7, 8.

Antsapaka no nizaran’ny fahavalon’ny Israely zavatra sy olona babo an’ady. (Jl 3:3; Ob 11) Nanao ny “Pora, na ny Antsapaka” izay karazana sikidy i Hamana, mba hamantarana ny andro tsara handripahana ny Jiosy eran’ny Fanjakana Persianina. (Es 3:7) Porim no endriny milaza maro, ary niavian’ilay anarana hoe Fetin’ny Porima na Fetin’ny Antsapaka.​—Es 9:24-26.

Tamin’ny andron’ny apostoly. Nanao antsapaka ny mpianatr’i Jesosy sady nivavaka rehefa nifidy an’i Matia. Solon’i Jodasy Iskariota izy io, ary lasa anisan’ireo 12 lahy izay efa nahita ny nataon’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. (As 1:21-26) Klerôs (iray tarika amin’ny hoe klerônômia [lova]) ny teny grika ilazana hoe “antsapaka” eo, sy ilazana ny lova na anjara nomen’Andriamanitra ny Kristianina.​—Kl 1:12; 1Pe 5:3.

Taorian’ny Pentekosta taona 33, dia tsy antsapaka intsony no nifidianana mpiandraikitra sy izay nanampy azy, fa nojerena kosa raha naneho ny vokatry ny fanahy izy ireo. (1Ti 3; Tit 1) Tsy antsapaka koa no nandraisana fanapahan-kevitra tamin’ny raharaha lehibe, fa ny faminaniana tanteraka, ny tari-dalan’ny anjely, ny toro lalan’ny Tenin’Andriamanitra, ny fampianaran’i Jesosy ary ny fitarihan’ny fanahy masina. (As 5:19-21; 13:2, 3; 14:23; 15:15-19, 28) Hoy ny apostoly Paoly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba ... hanitsiana izay diso.”​—2Ti 3:16.