Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aogosto

Aogosto

(Aôgosto) [Ilay Heni-kaja].

Anaram-boninahitra nomena an’i Caius Octavius (Octave) sy ny mpanjaka romanina tatỳ aoriana ny hoe Ilay Heni-kaja (na Aogosto). (As 25:21, 25) Ilazana an’i Octave kosa ny hoe Aogosto raha anaran-tsamirery. Izy no mpanjaka voalohany teo amin’ny Fanjakana Romanina.

Zafikelin’ny anabavin’i Jules César i Octave. Nisy namono i Jules César, ary 13 taona taorian’izay i Octave no lasa filohan’ny Fanjakana Romanina, tamin’ny Septambra 31 T.K. Tsy nekeny ny homena anaram-boninahitra hoe “mpanjaka” sy “mpitondra tsy refesi-mandidy”, fa hoe “Ilay Heni-kaja” (Aogosto), izay nomen’ny Antenimieran-doholona azy tamin’ny 16 Janoary 27 T.K. Maty tamin’ny taona 12 T.K. i Lépide mpisoronabe, ka i Aogosto indray no nitondra ny anaram-boninahitra hoe “Pontifex Maximus” (mpisoronabe). Nitondra fiovana tao amin’ny fitondrana sy ny tafika izy, ary nanorina sy nanamboatra tempoly maro. Izy koa no namorona an’ilay andian-tafika hoe Mpiambina an’i Kaisara.​—Fi 1:13.

“Namoaka didy hanoratana ny anaran’ny mponina eran’ilay tany i Aogosto Kaisara”, tamin’ny taona 2 talohan’ny andro kristianina. “Dia nankany amin’ny tanàna niaviany avy ny olona rehetra mba hosoratana anarana.” (Lk 2:1, 3) Izany no nahatonga an’i Jesosy ho teraka tany Betlehema. Tanteraka tokoa ny faminaniana! (Da 11:20; Mi 5:2) Tsy dia nitsabaka firy tamin’ny fitondrana faritany i Aogosto, fa izao no nataony: Namoaka an’io didy io mba hahafantarana hoe iza no tokony handoa hetra sy hantsoina ho miaramila, nanendry governora tany amin’ny faritany sasany, ary namoaka didy fanamelohana ho faty. Nanahaka ny fomba fitondrany koa ireo nandimby azy. Izany no nahatonga ny Fitsarana Avo Jiosy hanana fahefana lehibe (Jn 18:31), sy ny vahoaka tsy hikomy firy.

Tsy nanan-tsafidy firy i Aogosto fa tsy maintsy nanendry an’i Tiberio zana-badiny handimby azy. Maty daholo mantsy ny zanak’anabaviny, ny zafikeliny roa lahy, ny vinantolahiny, ary ny zana-badiny iray hafa. I Postumus zafikeliny hafa indray efa nolaviny tsy ho mpandova sady efa nataony sesitany. Maty ny 17 Aogositra taona 14 (na 19 Aogositra amin’ny kalandrie jolianina) i Aogosto, tamin’ilay volana nampitondrainy ny anarany.