Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aogosto, Andia-miaramilan’i

Aogosto, Andia-miaramilan’i

Nankinina tamin’i Jolio, manamboninahitra avy amin’ny “andia-miaramilan’i Aogosto”, ny apostoly Paoly satria nangataka ny hotsarain’i Kaisara. (As 27:1) Noraisin’ilay manamboninahitra tao Kaisaria i Paoly sy ny voafonja hafa, ary nentiny tany Roma.​—As 25:13; 26:30–27:1.

Tsy tena fantatra ny mombamomba an’ilay “andia-miaramilan’i Aogosto” nisy an’i Jolio. Misy milaza fa miaramila samaritanina izy ireo satria ny teny grika hoe Sebaste no nadika eo hoe “Aogosto.” Sebasta mantsy no anaran’i Samaria taloha. Miresaka momba “ny miaramila mpitaingin-tsoavaly nantsoina hoe ‘Sebastanianina’” tokoa i Josèphe. (Ny Adin’ny Jiosy, II, 236 [xii, 5]) Toa tsy tena voaporofo anefa hoe miaramila samaritanina no noresahin’ilay mpanoratra ny Asan’ny Apostoly.

Misy indray milaza fa ilay “andia-miaramilan’i Aogosto” dia ny frumentarii. Manamboninahitra manokana izy ireo satria karazana iraka nampifandray ny mpanjaka sy ireo miaramila tany amin’ny faritany. Izy ireo koa, hono, no nitondra voafonja. Manamarina izany, hono, ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 28:16 ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques sy ny Fandikan-teny Protestanta (f.a.p., izay tsy azo antoka ny fahamarinany), manao hoe: “Ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin’ny lehiben’ny mpiambina.” Io “lehiben’ny mpiambina” io, hono, no lehiben’ny frumentarii. Tsy misy an’io fehezanteny io anefa ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina.

Antsoin’ny Fandikan-teny Protestanta sy ny Baiboly hafa hoe “Antokon’i Aogosto” ilay andia-miaramila. Ilazana andiany misy miaramila romanina 200 (manipulus) ny teny grika hoe speira (andia-miaramila). Ilazana antoko misy miaramila romanina 400 ka hatramin’ny 600 eo ho eo (ampahafolon’ny andian-tafika iray) koa anefa ny hoe speira, ao amin’ny Soratra Grika. Ankoatra ny andian-tafika mahazatra nisy olom-pirenena romanina nozaraina ho antoko-miaramila, dia nisy koa ny antoko-miaramila ambany grady kokoa na auxilia, izay olona avy tany amin’ireo faritra nofehezin’i Roma fa tsy olom-pirenena romanina. Nahaleo tena izy ireo, nandeha an-tongotra, ary napetraka tany amin’ny sisin-tanin’ilay fanjakana. Nomena anarana izy ireo, tsy toa an’ireo antoko-miaramila tao amin’ny andian-tafika romanina mahazatra. Nisy soratra, ohatra, nahitana ny anarana hoe Cohors I Augusta (lat.) sy Speira Aogoste (gr.), nefa tsy voatery ho ny anaran’ilay “andia-miaramilan’i Aogosto” ireo.