Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aotirisy

Aotirisy

[Heb.: bat haiyaʽanah; renanim (mr.)].

“Zanakavavin’ilay tsy mety afa-po” na “zanakavavin’ny tany ngazana” no dikan’ny hoe bat haiyaʽanah (heb.), ka mety hahalaza tsara ny aotirisy. Mety tsara aminy koa ny hoe renanim, izay midika hoe “vorona manana feo mankarenin-tsofina.” Voalaza mantsy fa “garagara sy mitaraindraina ary mikiakiaka toy ny fieron’ny liona ny feony.”​—Andian-dahatsoratra Navoakan’ny Fikambanana Naorin’i Smithson, 1944, Boky Faha-9, p. 105; ampit. Mi 1:8.

Ny aotirisy (Struthio camelus) no lehibe indrindra amin’ny vorona fantatra ankehitriny. Misy mahatratra 2 m mahery ny haavony, ary milanja hatramin’ny 140 kg. Kely sady fisaka ny lohany, lehibe ny masony, ary azony aolana ny tendany izay mirefy 1 m eo ho eo. Tsy misy volo ny lohany sy tendany ary ny ranjony matanjaka be. Rakotra volo kosa ny vatany, ary efa hatry ny ela no be mpitia ny volon’ny elany sy rambony izay lava malefaka. Mainty sy fotsy mangirana ny volon’ny lahy, fa ny an’ny vavy kosa mivolontsôkôlà manopy volondavenona matroka. Roa ny rantsantongony, ary izany no mampiavaka azy amin’ny vorona hafa rehetra. Misy kitro hoatran’ny hoho ny iray amin’ireo rantsany, ka mety haratra izay asiany amin’iny rehefa voatery miaro tena izy. Avo sy matsilo maso anefa izy ka tazany avy lavitra matetika ny fahavalony. Mailo àry ilay vorona goavam-be, ka aleony fotsiny mandeha.

Zavamaniry no tena fihinan’ny aotirisy, nefa hohaniny daholo koa izay hitany, toy ny bibilava, androngo, na voronkely mihitsy aza. Anisan’ny biby ‘maloto’ noraran’ny Lalàna ny aotirisy. (Le 11:13, 16; De 14:12, 15) Vorona rameva no niantsoana azy taloha, satria vitany ny tsy misotro rano ela be sy ny mivelona any amin’ny tany ngazana mitokana. Miara-voatonona amin’ny alikadia sy ny karazany izy ao amin’ny andininy momba ny fiainana any an-tany efitra (Is 43:20), sy momba ny hoe ho lao i Edoma sy Babylona. (Is 13:21; 34:13; Je 50:39) Nahatsiaro tena ho nailikilika sy tsy nisy mpitia i Joba ka nipetraka teo amin’ny lavenona sy nitaraindraina, ary nilaza fa “rahalahin’ny alikadia” izy sady “naman’ny zanakavavin’ny aotirisy.”​—Jb 30:29.

Tsy toy ny vanobe. Noresahin’i Jehovah Andriamanitra tamin’i Joba avy eo ny aotirisy sy ny lafiny sasany mampiavaka azy io. (Jb 39:13-18) Tsy mba manidina izy io, tsy toy ny vanobe izay manana elatra lehibe sy matanjaka ka afaka misidina avo. Tsy mahazaka azy io ny elany, ary fisaka ny taolan-tratrany sady tsy misy an’ilay taolana mihazona ny hozatra ilain’ny voro-manidina. Tsara tarehy ny volony, saingy tsy misy an’ireo volo bitika toy ny faraingo mifampidipiditra izay mahatohitra ny rivotra ka ahafahan’ny vorona manidina.​—Jb 39:13.

Eny amin’ny tendron-kazo, na tampon-trano, na harambato avo ny vanobe no manao akany lehibe. (Sl 104:17) Ny aotirisy kosa manao lavaka kely amin’ny tany izay voahodidina tovon-tany kely. Ao no ametrahan’ny aotirisivavy ny atodiny, izay milanja 1,5 kg eo ho eo ny iray. Mety ho maromaro ny atody apetraky ny aotirisivavy (roa na telo) ao, satria manana vady maro ny aotirisy iray matetika (tsy toy ny vanobe izay malaza ho tokam-po). Ny lahy no mikotrika rehefa alina, ary ny vavy rehefa antoandro saingy mandao ny akaniny izy rehefa mahamay ny andro. Mety hisy biby na olona àry haka na hamotika an’ireo atody, na dia matevina aza ny akorany.​—Jb 39:14, 15.

“Masiaka amin-janany.” Misy milaza fa mikarakara tsara an-janany ny aotirisy, ka tsy marina ilay hoe “lozabe” (Ft 4:3) sy “masiaka amin-janany izy, toy ny hoe tsy zanany ireny” (Jb 39:16). Aotirisivavy ilay renanim (heb.) resahin’ny Joba 39:13, hoy ny mpanao diksionera sasany, na dia mety ho lahy koa aza araka ny fitsipi-pitenenana. Toa mitombina izany satria miresaka momba ny atodiny ny andininy manaraka. Azo lazaina ho “lozabe” tokoa ny aotirisy satria “lasa daholo ny aotirisivavy” rehefa foy ny atodiny, ka ny lahy sisa no “mikarakara ny zanany.” (Ny Vorona Rehetra ao Amin’ny Baiboly, nataon’i Alice Parmelee, 1959, p. 207) Maika handao ny akaniny sy ny zanany koa ny lahy sy ny vavy raha vao misy loza mananontanona, na dia matanjaka aza izy ireo ary afaka mampiasa tetika hampanalavirana ny mpiremby tsy hanatona ny akaniny. Mbola hita amin’izany koa fa “lozabe” amin’ny zanany tsy misy mpiaro izy ireo. Ny lokom-bolo nomen’ilay Mpamorona azy ihany angamba no hahavoavonjy an’ireo zanak’aotirisy tsy manam-piarovana sy nafoy ireo. Tsy mora voamariky ny biby mpiremby mantsy ilay loko, ka ny ray aman-dreniny izay vaky nandositra no enjehin’izy ireo. Azo lazaina ho “lozabe” àry ny aotirisy raha oharina amin’ny vorona maro hafa, indrindra fa amin’ny vanobe izay malaza ho tia sy miahy foana an-janany.

“Hadinony ny fahendrena.” Eken’ny mpandinika maro ilay hoe ‘hadinon’ny aotirisy ny fahendrena’ ary ‘tsy mahira-tsaina’ izy. (Jb 39:17) Misy fiteny arabo koa manao hoe “mbola vendrana noho ny aotirisy.” (Ireo Bokin’ny Baiboly Navoakan’ny Fanontam-pirinty Soncino, nataon’i A. Cohen, Londres, 1946, Joba, p. 205) Fanaon’ny aotirisy ny mihazakazaka manao faribolana lehibe, ka mora amin’ny mpanenjika maromaro ny mihodidina azy. “Ihomehezany fotsiny [kosa] ny soavaly sy ny mpitaingina azy” raha mihazakazaka mahitsy izy. (Jb 39:18) Matanjaka be mantsy ny ranjony, ka mahavita 3,5 m izy isaky ny indray mandingana ary mety hahavita 70 km/ora. Manampy ny vatany mavesatra tsy hianjera ny elany rehefa mihazakazaka izy, na dia tsy manampy azy hanidina aza.

Misy ihany anefa lafiny mampiavaka ny aotirisy ka mahavariana ny mpahay siansa, na dia lazainy aza fa anisan’ny vorona ‘tsy dia manao ahoana’ izy io. Izy ihany, ohatra, no vorona misy tatavia toy ny an’ny biby mampinono. Manana volomaso miaro ny masony tsy hidiran’izay fasika entin’ny rivotra koa izy. Hita hoe hendry àry ny Mpamorona ny aotirisy, izay vorona matanjaka sy haingam-pandeha na dia tsy misaina firy aza.

Nisy aotirisy arabo (Struthio camelus syriacus) maro be tany Palestina sy Arabia, saingy efa lany tamingana izao. Misy karazany avy atsy Afrika nampidirina indray tany Israely, nanomboka tamin’ny 1973.