Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Apokalypsy, Bokin’ny

Apokalypsy, Bokin’ny

Ny boky farany ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly, na dia tsy nosoratana farany aza. Antsoina koa hoe “Fampiharihariana” izy io.

Mpanoratra, fotoana sy toerana nanoratana azy. Nilaza ny apostoly Jaona fa izy no nanoratra an’ilay boky tany amin’ny nosy Patmo. Natao sesitany tany izy noho izy nitory ny Tenin’Andriamanitra sy nijoro ho vavolombelon’i Jesosy Kristy. (Ap 1:1, 9) Nosoratana tamin’ny taona 96 tany ho any angamba ilay boky.

Fomba fanoratra. Taratasy miresaka fahitana misy tsipiriany maro ny Apokalypsy. Milahatra ireo fahitana, ary izay hitranga ao amin’ny tontolo vaovao no asehon’ny fahitana farany. Mety tsara àry raha ny Apokalypsy no boky farany ao amin’ny Baiboly.

Toa mandeha tsifitofito ny zavatra resahin’ilay boky. Misy tombo-kase fito nosokafana, trompetra fito notsofina, ary loza fito nitranga. Misy koa fitoeran-jiro fito, kintana fito, kotroka fito, ary zavatra hafa miisa fito. Isa feno mantsy ny isa fito, ka asongadin’ilay boky fa ho tanteraka amin’ny fomba feno ny zava-miafina masin’Andriamanitra.​—Ap 10:7; jereo ZAVA-MIAFINA MASINA.

Ny nampanoratra azy. I Jehovah Andriamanitra ilay Mahery Indrindra no nampanoratra an’ilay boky, fa i Jesosy Kristy no nasainy nampita ny teniny. I Jesosy indray naniraka ny anjeliny hampita ilay izy tamin’i Jaona. (Ap 1:1) Niasa tamin’ny fomba feno koa tamin’izay ny fanahin’Andriamanitra, matoa nantsoina hoe “fanahy fito.” Nasain’i Jehovah nanoratra i Jaona avy eo.​—1:4, 11.

Zava-kendreny. Toa mampahatahotra ireo bibidia sy loza hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana. Tsy natao hampahatahotra anefa ilay boky, fa hampionona sy hampahery an’ireo mpamaky manam-pinoana. Ahazoana fitahiana koa ny famakiana azy io. Hoy ny Apokalypsy 1:3: “Sambatra [“Hotahina”, KJ] izay mamaky mafy sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny.” Mampahafantatra an’ireo mpanompon’Andriamanitra ny zavatra “hitranga tsy ho ela” koa ilay boky.​—1:1, 2.

Fitoriana momba an’i Jesosy. Hoy ilay anjely tamin’i Jaona: “Ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana [a.b.t.: fanahin’ny faminaniana].” (Ap 19:10) Ny hitory momba an’i Jesosy Kristy àry no antony nanoratana ny faminaniana rehetra. Tsy midika akory izany hoe tsy raharahaina i Jehovah Andriamanitra. Hoy mantsy ilay anjely tamin’i Jaona niankohoka teo anatrehany: “Andriamanitra no ivavaho.” Hoy koa ny apostoly Paoly: ‘Nasandratr’Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony kokoa [i Kristy] ary nomeny tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.’ Hahafantatra kokoa an’Andriamanitra sy ny fikasany ireo midera an’i Jesosy Kristy sy mahalala azy bebe kokoa. Andriamanitra àry no mahazo voninahitra amin’izany.​—Fi 2:9-11; jereo FAMINANIANA.

Ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana, satria amin’ny alalany no anatanterahan’Andriamanitra ny fikasany hanamasina ny anarany, handringana ny ratsy fanahy, ary hitahy ny olombelona. ‘Tsara afina ao [amin’i Kristy] tokoa ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.’ (Kl 2:3) Izy ilay Taranaka nampanantenaina izay nampiharihary an’ilay zava-miafina masina. Taorian’ny nikomian’i Adama, dia nasain’Andriamanitra nambaran’ireo mpaminany ny hiavian’i Kristy sy ilay Fanjakan’Andriamanitra hotantanan’ny Zanany.​—Ge 3:15; 22:18; Ga 3:16; 2Sa 7:12-16; Sl 2:6-12; 110:1-7; Ezk 21:27; As 2:29, 36; 3:19-26; 1Ti 3:16.

Inona no aharihary ao amin’ny Apokalypsy?

Resahin’ny toko voalohany ny momba an’i Jehovah Andriamanitra ilay Mahery Indrindra, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao, ary ilay “Alfa sy Omega” izay nampanoratra ny Apokalypsy. Hita ao amin’ilay fahitana koa i Jesosy Kristy, izay nampita ny teniny. Efa maty izy nefa velona izao, ary manam-pahefana lehibe any an-danitra. Hita ao koa ireo miombona fahoriana sy fanjakana aminy. Miahy sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’izy ireo i Jesosy, matoa mampita hafatra amin’ireo “anjelin’ny” fiangonana fito.​—Ap 1-3.

Nataon’ny fanahy nahazo fahitana ny any an-danitra i Jaona avy eo, ary nahita “izay zavatra hitranga.” Hitany ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny manodidina azy io, sy Ilay be voninahitra mipetraka eo amboniny. Manana fahefana fara tampony Izy ary tena tony.​—Ap 4.

Hitan’i Jaona koa i Jesosy Kristy, ilay ‘Zanak’ondrin’Andriamanitra’ be voninahitra, izay manarakaraka an’i Jehovah. Izy ihany amin’ireo any an-danitra sy eto an-tany no mahazo manatona an’Andriamanitra mba hampiharihary ny fikasany. Misy mpanjaka mpiady (toa i Jesosy) mitaingin-tsoavaly koa, izay ‘mivoaka handresy sy hamita ny fandreseny.’ Hisy akony eto an-tany izany, indrindra amin’ireo fahavalon’Andriamanitra, ary hamaly ny ran’ny mpanompony Andriamanitra.​—Ap 5, 6.

Sarobidy amin’Andriamanitra ny mpanompony eto an-tany nofidiny ho mpanjaka any an-danitra, matoa asainy miandry ny mpandringana mandra-panisy ‘tombo-kase eo amin’ny handrin’izy ireo.’ Miisa 144 000 ireo rehetra voaisy tombo-kase. Tsy voaisy tombo-kase kosa ny mpanompon’Andriamanitra tsy tambo isaina hafa, nefa tsy ho ringana amin’ny “fahoriana lehibe.” Homelohin’Andriamanitra ireo fahavalony samihafa eto an-tany, izay miady amin’ny vahoakany. Tsy tian’i Satana Devoly, na ilay dragona, ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra, ka saika harapany ilay “zazalahy hifehy ny firenena rehetra amin’ny tehim-by.” Mampiasa bibidia io fahavalo lehibe indrindra io mba hiadiana amin’ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy, ary mba tsy ho vita ny fanisiana tombo-kase farany.​—Ap 7-13; jereo BIBY AN’OHATRA.

Tsy hisy hahomby anefa ny tetik’i Satana. Handresy ny 144 000, ary hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona miaraka amin’ny Zanak’ondry. Manana ny anaran’ny Ray sy ny an’ny Zanak’ondry eo amin’ny handriny izy ireo, ary mihira toa hira vaovao eo anatrehan’ireo any an-danitra. Rehefa voangona izy ireo sy ny “vahoaka be” eto an-tany izay samy “vokatry ny tany”, dia hohitsakitsahina ao anaty famiazana ny “voaloboky ny tany.”​—Ap 14.

Hampiharina ny didim-pitsaran’Andriamanitra farany. Homena vilia fiton’ny fahatezeran’Andriamanitra ny anjely fito, izay hamita io asa farany io. Hitan’i Jaona koa i “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena”, “ilay tanàna lehibe izay mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany.” Anisan’ny fahavalon’Andriamanitra sy ny ‘ampakarin’i’ Kristy izy io. Hanjary hankahala azy anefa ilay bibidia manan-doha fito ka ho tezitra aminy, hanapitra ny nofony, ary handoro azy amin’ny afo. Halahelo be ireo nahazo tombony taminy, fa ny any an-danitra kosa hifaly.​—Ap 15-18.

Vao mainka ho faly ny any an-danitra, satria handamòka ny tetik’i Babylona Lehibe “renin’ny mpivaro-tena.” Tiany hotaomina hivadika amin’ilay ho vadiny (2Ko 11:2, 3; Ef 5:25-27) mba ho lasa mpivaro-tena koa mantsy ny ‘ampakarin’i’ Kristy. Tsy ho eo intsony anefa i Babylona Lehibe, ary handresy ilay ampakarina. Efa niomana hihaona amin’ilay ho vadiny izy, ary hatomboka ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Ho faly ireo rehetra nasaina. Hanomboka ilay Fanjakana vaovao voatendrin’i Jehovah, satria tsy ho eo intsony ilay mpivaro-tena lehibe fahavalon’ny fivavahana madio.​—Ap 19:1-10.

Hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany koa ireo fahavalony hafa. Hivoaka hamita ny fandreseny ilay Mpampakatra, ka haripany daholo ny fahavalony eto an-tany, na mpanao politika na tsia. Hahita ny faharesen’ireo olona rehetra nampiasainy ny Devoly, ary avy eo hofatorana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hisy fitsarana amin’ny faran’ny arivo taona. Hovahana vetivety ny Devoly, ary hotafihin’izy sy ireo ho voafitany “ny tobin’ny olona masina sy ilay tanàna malala.” Haringana tanteraka izy ireo aorian’izay.​—Ap 19:11–20:10.

Miverina kely amin’izay hitranga mandritra ny arivo taona ilay fahitana: Hanjaka i Kristy sy ny ampakariny, na i Jerosalema Vaovao. Hatsangana ny maty, ary hotsaraina ny olona. Tsara tarehy sy be voninahitra io Jerosalema na “tanàna” any an-danitra io, ary hanasitrana sy hanome fiainana.​—Ap 20:11–22:5.

Farany, milaza i Jehovah Andriamanitra fa ‘ho avy haingana izy hamaly ny tsirairay araka izay nataony.’ Manambara koa i Jesosy, “ilay vavolombelona mendri-pitokisana sy marina”, fa tanteraka ilay zava-miafina masina momba ilay Fanjakana. Hoy izy: “Izaho no faka sy taranak’i Davida, sy ilay kintan’ny maraina mamirapiratra.” Izy ilay mpandova an’i Davida araka ilay fifanekena hoe hanjaka mandrakizay ny taranany. Izy koa ilay kintana nambaran’ny Nomery 24:17. Tsy vitan’i Satana sy ny bibidia ary Babylona Lehibe (Ap 12:1-10; 17:3-14) àry ny hisakana an’io “kintana” io tsy hipoitra avy amin’ny taranak’i Davida, sy tsy hipetraka eo amin’ilay seza fiandrianana any an-danitra mandrakizay.​—Ap 22:6-16.

Asain’ny fanahy, na hery ampiasain’Andriamanitra, sy ny “ampakarina” ny olona rehetra mandre mba hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina. Mampitandrina i Jesosy hoe tsy tokony hampiana na hanesorana ny tenin’ny faminaniana. Farany, milaza izy fa efa ho avy. Hoy àry i Jaona: “Amena! Avia, Jesosy Tompo ô!”​—Ap 22:17-21.

Tena ilaina ny Apokalypsy satria manatanjaka finoana ary ahalalana zavatra maro. Asongadin’izy io fa miahy an’ireo fiangonana misy ny vahoakany Andriamanitra, ary mikarakara azy ireo amim-pitiavana i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tena Tsara. Fantatr’i Jesosy tsara mantsy izay mitranga eo anivon’ireo fiangonana sy izay tokony hatao, araka ny asongadin’ireo toko telo voalohany.

Misy milaza hoe saro-takarina ny Apokalypsy fa be sary an’ohatra, na hoe tsy azo ampiharina izay voalaza ao. Tian’i Jehovah Andriamanitra ho azon’ny vahoakany anefa ny hevitr’izay nampanoratiny ao amin’ny Baiboly, mba hitari-dalana azy ireo. Inona àry no manampy azy ireo? Hoy ny apostoly Paoly, rehefa avy nanazava fa ampahafantarin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny ny fahendrena nafenina: “Lazaintsika koa izany zavatra izany, tsy amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona anefa, fa amin’ny teny ampianarin’ny fanahy, satria teny araka ny fanahy no anazavantsika zavatra araka ny fanahy.” (1Ko 2:8-13) Raha mandalina ny Soratra Masina (ary indraindray ny fomba amam-panao fahiny) isika, dia hahita fa miresaka momba ny zavatra maro atao sary an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy izy ireny. Ny fampitahana andininy samy hafa àry matetika no ahalalantsika ny hevitr’ireo sary an’ohatra ireo. Mety hanana heviny samy hafa anefa ny teny iray na maromaro, arakaraka ny teny manodidina. Toy ny atao rehefa mandinika boky hafa ao amin’ny Baiboly ihany àry no atao rehefa mandinika ny Apokalypsy.

[Efajoro, 160-161]

HEVITRA MISONGADINA: APOKALYPSY

Resahiny ny fiheveran’Andriamanitra ny zava-mitranga, sy izay avelany hitranga sy izay hotanterahiny amin’ny alalan’i Kristy mandritra ny “andron’ny Tompo”

Fahitana maromaro nosoratan’ny apostoly Jaona tamin’ny taona 96 tany ho any

Torohevitr’i Kristy be voninahitra ho an’ireo hiara-manjaka aminy (1:1–3:22)

Niaritra ny fiangonan’i Efesosy, saingy lefy ilay fitiavany voalohany

ampirisihina tsy hivadika ny fiangonan’i Smyrna na dia niharam-pahoriana aza

Nifikitra tamin’ny anaran’i Kristy foana ny fiangonan’i Pergamosy, saingy nilefitra tamin’ny fampianaran’ny sekta

Nahavita asa bebe kokoa ny fiangonan’i Tyatira, saingy nilefitra tamin’ny fampianaran’i Jezebela

Maty ara-panahy ny fiangonan’i Sardisy ka nila nifoha

Nitana ny tenin’i Kristy ny fiangonan’i Filadelfia, ary nampirisihina hitana mafy izay nananany

Matimaty ny fiangonan’i Laodikia, ka tokony hangataka amin’i Kristy ny zavatra hahasitrana azy

Fahitana an’i Jehovah any an-danitra (4:1–5:14)

Be voninahitra i Jehovah eo ambony seza fiandrianany, voahodidin’ny anti-panahy 24 sy zavamananaina efatra; mihazona horonam-boky misy tombo-kase fito

Mendrika haka sy hanokatra an’ilay horonam-boky ny Zanak’ondry

Namaha tombo-kase enina ny Zanak’ondry (6:1-17)

Tombo-kase voalohany: Nisy soavaly fotsy ary nomena satroboninahitra ilay mitaingina azy, izay mivoaka handresy ary hamita ny fandreseny

Tombo-kase telo manaraka: Nisy mpitaingin-tsoavaly telo nitondra ady, mosary, ary fahafatesana

Ny fahadimy: Nangataka ireo maty maritiora noho ny amin’i Kristy mba hamaliana ny rany; samy nomena akanjo fotsy

Ny fahenina: Nisy horohoron-tany lehibe fa tonga ny andro fahatezeran’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry

Hazonina ny rivotra efatry ny tany (7:1-17)

Hohazonina ny rivotra efatra mandra-panisy tombo-kase ny mpanompon’Andriamanitra; 144 000 izy ireo

Vahoaka be tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra, ho tafavoaka amin’ny fahoriana lehibe

Novahana ny tombo-kase fahafito (8:1–11:14)

Fanginana antsasak’adiny; afo avy teo amin’ny alitara natsipy tamin’ny tany; anjely fito niomana hitsoka trompetra

Notsofina ny trompetra efatra voalohany: Loza ho an’ny tany, ranomasina, loharano, masoandro sy volana ary kintana

Notsofina ny fahadimy: Nisy valala maro be; notsofina ny fahenina: Nisy miaramila mpitaingin-tsoavaly mampahatahotra

Nihinana horonam-boky kely i Jaona, tsy maintsy haminany indray

Norefesiny ny toerana masina; vavolombelona roa naminany, nitafy akanjo gony, novonoina ho faty, ary natsangana

Ny trompetra fahafito: Niorina ilay Fanjakana (11:15–12:17)

Notsofina ny trompetra fahafito: Nambara ny Fanjakan’i Jehovah sy ny fahefan’ny Kristiny

Nisy vehivavy tera-dahy tany an-danitra

Nitady handrapaka an’ilay zaza ny dragona; ady tany an-danitra; natsipin’i Mikaela tetỳ an-tany ilay dragona sy ny anjeliny

Miady amin’ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy ilay dragona

Bibidia avy tao amin’ny ranomasina (13:1-18)

Bibidia manana loha fito sy tandroka folo avy tao an-dranomasina

Omen’ilay dragona fahefana izy io; manao ny sarin’izy io ny bibidia iray manana tandroka roa tahaka ny an’ny zanak’ondry; maro no terena hivavaka amin’izy io sy hasiana marika

Ny ataon’ireo mpanompon’i Jehovah (14:1-20)

Mihira hira vaovao eo amin’ny Tendrombohitra Ziona ny 144 000

Mitory hafatra lehibe ny anjely eny afovoan’ny lanitra

Mijinja vokatry ny tany ilay tahaka ny zanak’olona

Anjely manitsakitsaka voaloboka ao anaty famiazana, misy ra mandriaka

Ao amin’ny toerany masina i Jehovah, mibaiko anjely fito handraraka ny ao anatin’ny vilia fiton’ny fahatezerany (15:1–16:21)

Araraka eny amin’ny tany, ranomasina, loharano, masoandro, seza fiandrianan’ilay bibidia ary Eofrata ny ao anatin’ny vilia enina

Mila miambina ny mpanompon’i Jehovah, satria angonin’ny demonia ho amin’ny Hara-magedona ny mpanjakan’ny tany

Araraka eny amin’ny rivotra ny ao anatin’ny vilia fahafito: Loza maro

Ny hiafaran’i Babylona Lehibe (17:1–18:24)

Mamon’ny ran’ny olona masina i Babylona Lehibe, mitaingina bibidia mena midorehitra manan-doha fito sy tandroka folo; hasian’ireo tandroka folo sy horobainy

Hianjera; mila mivoaka avy ao ny vahoakan’Andriamanitra

Maro no halahelo rehefa ringana tanteraka izy

Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry (19:1-10)

Midera an’i Jah ny any an-danitra fa rava i Babylona

Feo toy ny an’ny vahoaka be milaza ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

Handresy an’ireo firenena ilay Mpanjakan’ny mpanjaka (19:11-21)

Hiady amin’ireo firenena Ny Tenin’Andriamanitra; hatsipy ao amin’ny farihy afo ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka; haripaka ny fahavalon’Andriamanitra; hohanin’ny biby ny nofony

Ho ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana; hanjaka 1 000 taona i Kristy (20:1–21:8)

Hohidiana 1 000 taona ao amin’ilay lavaka i Satana

Hitsara 1 000 taona i Jesosy sy ireo hiara-manjaka aminy; hafahana i Satana, hamitaka indray; haringana izy sy ny mpomba azy rehetra

Hatsangana ny ao amin’ny fahafatesana sy Fasana ary ranomasina, hijoro eo anatrehan’ny seza fiandrianana fotsy lehibe; hatsipy ao amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny Fasana

Lanitra vaovao sy tany vaovao

Jerosalema Vaovao (21:9–22:21)

Hidina avy any an-danitra io Jerosalema io, hanazava an’ireo firenena; reniranon’ny ranon’aina mikoriana eo afovoany, hazo fanasitranana eo amin’ny andaniny roa

Hafatra farany avy amin’i Jehovah sy Jesosy; asain’ny fanahy sy ny ampakarina hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina ny olona mangetaheta