Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Apokrifa

Apokrifa

(Apôkrìfa).

Avy amin’ny teny grika hoe apôkryfôs, izay nadika hoe zavatra “tsara afina” ao amin’ny andininy telo, araka ny heviny tany am-boalohany. (Mr 4:22; Lk 8:17; Kl 2:3) Io teny io koa no ilazana an’ireo asa soratra “niafina” tamin’ny hafa satria tsy novakina ampahibemaso. Lasa nidika hoe sandoka anefa izy io tatỳ aoriana, ka iantsoana an’izay boky fanampiny nolazain’ny Eglizy Katolika fa anisan’ny Baiboly, nandritra ny Konsilin’i Trente (1546). Misy mpanoratra katolika miantso an’ireo boky ireo hoe deoterôkanônika, izany hoe “boky faharoa (manarakaraka) ekena ho anisan’ny Soratra Masina”, mba hanavahana azy amin’ny hoe prôtôkanônika (“boky voalohany ekena ho anisan’ny Soratra Masina”).

Ireto avy ireo boky ireo: Tobia, Jodita, Fahendrena (An’i Solomona), Eklesiastika (tsy Eklesiasta akory), Baroka, 1 sy 2 Makabeo, fanampin’ny bokin’i Estera, ary ireo tantara telo fanampin’ny bokin’i Daniela, dia Ny Hiran’ny Sakaizan’i Daniela Telo Lahy (Hiran’ny Zaza Telo), Sozana sy Ireo Anti-dahy, ary Bela sy ilay Dragona. Tsy fantatra hoe oviana marina izy ireo no nosoratana, nefa asehon’ny porofo fa mety ho tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo T.K. tany ho any.

Porofo fa tsy anisan’ny Baiboly. Tsy voaporofo hoe anisan’ny Baiboly ireo boky ireo, na dia ahalalana zava-nitranga teo amin’ny tantara ihany aza. Vita ny Soratra Hebreo rehefa voasoratra ny bokin’i Ezra sy Nehemia ary Malakia tamin’ny taonjato fahadimy T.K. Tsy neken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Masina mihitsy àry ireo boky apokrifa ireo taloha, ary na hatramin’izao aza.

Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo ihany no tena anisan’ny Baiboly. Hoy izy: “Tsy manana boky be dia be mifanipaka sy mifanohitra izahay. Tsy misy afa-tsy roa amby roapolo [ireo boky 39 ao amin’ny Soratra Hebreo araka ny fizarana ankehitriny] ireo bokinay ekena ho anisan’ny Soratra Masina, ary voatantara ao daholo izay nitranga hatramin’izay.” Niaiky izy avy eo fa misy ny boky apokrifa, izay tsy ekena ho anisan’ny Soratra Hebreo. Hoy izy: “Nosoratana daholo ny tantara nanomboka tamin’i Artaksersesy ka hatramin’ny androntsika, saingy tsy manan-danja toy ireo boky tany aloha izy ireny, satria tsy dia nisy mpaminany firy nandritra izany fotoana izany.”​—Diso Hevitra i Apion, I, 38, 41 (8).

Nampidirina tao amin’ny “Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.” Misy milaza fa tokony hekena ho anisan’ny Soratra Masina ireo boky apokrifa, satria hita ao amin’ny ankamaroan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika) voalohandohany, izay natomboka nadika tany Ejipta tamin’ny 280 T.K. tany ho any. Tsy hay anefa raha tena nisy azy ireny ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo voalohany, satria tsy ananantsika intsony izy io. Boky apokrifa maro na ny ankamaroany mihitsy aza no nosoratana taorian’ny nanombohana ny fandikana ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo. Tsy anisan’ireo boky nofidina hampidirina tao àry izy ireo fa nampiana tatỳ aoriana.

Nampidirin’ny Jiosy miteny grika tany Aleksandria ho anisan’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo ireo boky apokrifa, izay nolazainy fa anisan’ny boky masina. Tsy neken’ny Jiosy tany Jerosalema na Palestina ho anisan’ny Soratra Masina anefa izy ireny, araka ny voalazan’i Josèphe tetsy aloha, ary tsy nanan-danja loatra tamin’izy ireo satria tsy avy amin’Andriamanitra. Nohamafisin’ny Jiosy nandritra ny Konsilin’i Jamnia (t. 90 A.K.) àry fa tsy anisan’ny Soratra Hebreo izy ireny.

Tokony hohajaina ny hevitry ny Jiosy amin’io lafiny io, raha jerena ny Romanina 3:1, 2.

Porofo fanampiny. Tsy nekena ho anisan’ny Soratra Masina koa ny boky apokrifa, satria tsy naka teny tao amin’izy ireny mihitsy ny Kristianina mpanoratra Baiboly. Marina aloha fa tsy naka teny tao amin’ny bokin’i Estera sy Mpitoriteny ary Tononkiran’i Solomona, izay anisan’ny Soratra Masina, koa izy ireo. Tsy kisendrasendra anefa ny hoe tsy nisy nakany teny na dia iray aza ireo boky apokrifa.

Tsy nanan-danja tamin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly sy “rain’ny eglizy” voalohandohany koa ireo boky apokrifa. Nanavaka azy ireny tamin’ireo boky nekena ho anisan’ny Soratra Masina, ohatra, i Origène, rehefa avy namakafaka tsara tany am-piandohan’ny taonjato fahatelo. Nanao ny lisitr’ireo boky masina koa i Athanase, Cyrille avy any Jerosalema, Grégoire avy any Nazianze, ary Amphiloque, tamin’ny taonjato fahefatra. Tsy nampidirin’izy ireo ho anisan’ny Soratra Hebreo ireny boky apokrifa ireny, na nampidiriny ihany fa natokany.

Tsy nanaiky an’ireo boky apokrifa i Jérôme, izay nolazaina fa “manam-pahaizana nikoizana momba ny teny hebreo” tao amin’ny eglizy, ary nahavita nandika ny Vulgate latinina tamin’ny taona 405. Izy koa no voalohany nampiasa an’ilay teny hoe “apokrifa” mba hilazana an’ireny boky tsy anisan’ny Soratra Masina ireny. Notanisainy ao amin’ny sasin-tenin’ny bokin’i Samoela sy ny Mpanjaka àry ireo boky nekeny ho anisan’ny Soratra Hebreo (ireo boky 39 natambatra ho 22). Hoy izy avy eo: “Roa amby roapolo àry ireo boky ireo. ... Tari-dalana azo itokisana io sasin-teny ao amin’ny Soratra Masina io, rehefa handika ny boky rehetra amin’ny teny hebreo ho amin’ny teny latinina isika. Ho fantatsika amin’izay fa apokrifa izay rehetra tsy anisan’ireo boky ireo.” Nanoratra toy izao tamin’ny vehivavy iray atao hoe Laeta i Jérôme, tamin’izy nanoro hevitra azy momba ny fianaran’ny zanany vavy: “Aza asaina mamaky an’ireo boky apokrifa izy. Raha te hamaky azy ireny ihany anefa izy noho ireo angano mahavariana ao anatiny, fa tsy noho ny fahamarinana raketiny akory, dia ilazao izy fa tsy tena ireo olona mitondra ny anaran’ireny boky ireny no nanoratra azy. Be diso koa izy ireny ka mila fahaizana be ny manavaka ny marina, toy ny hoe mitady volamena ao anaty fotaka.”​—Taratasy voafantina, CVII.

Tsy nitovy hevitra ny Katolika. I Augustin (354-430) no voalohany nampiditra an’ireny boky fanampiny ireny ho anisan’ny Soratra Masina, na dia niaiky aza izy tatỳ aoriana fa tsy mitovy amin’ireo boky anisan’ny Soratra Hebreo izy ireny. Nanaraka ny tari-dalan’i Augustin ny Eglizy Katolika, ka nampidiriny ho anisan’ny boky masina izy ireny nandritra ny Konsilin’i Carthage tamin’ny 397. Nandritra ny Konsilin’i Trente tamin’ny 1546 anefa ny Eglizy Katolika vao niaiky tamin’ny fomba ofisialy fa anisan’ny Baiboly ireny boky ireny. Nilaina natao izany satria na ny teo anivon’ny eglizy aza tsy nitovy hevitra momba azy ireny. Nampidirin’i John Wycliffe, pretra katolika sady manam-pahaizana, tao amin’ny Baiboly anglisy voalohany nadikan’izy sy Nicolas avy any Hereford ireo boky apokrifa, tamin’ny taonjato faha-14. Nilaza anefa izy tao amin’ny sasin-tenin’ilay Baiboly fa “tsy azo atao fototry ny finoana” izy ireny. Navahan’ny Kardinaly Cajetan, teolojianina katolika nalaza (1469-1534) nantsoin’ny Papa Clément Faha-7 hoe “fanilon’ny Eglizy”, koa ireo boky tena anisan’ny Soratra Hebreo sy ireo boky apokrifa. Nanahaka ny nataon’i Jérôme mantsy, hono, izy.

Tsara homarihina fa tsy neken’ny Konsilin’i Trente ho anisan’ny Baiboly daholo ireo boky neken’ny Konsilin’i Carthage teo aloha, fa nalany ny telo: Ny Vavak’i Manase ary ny 1 sy 2 Esdrasa (tsy ilay 1 sy 2 Esdrasa na ny Bokin’i Esdrasa sy Nehemia ao amin’ny Baiboly Katolika akory). Nesorina tsy ho ao amin’ny Baiboly Katolika àry ireo boky telo ireo, izay tao amin’ny Vulgate latinina nandritra ny 1 100 taona mahery.

Porofo avy ao amin’ireo boky apokrifa. Ny zavatra raketin’ireo boky apokrifa no vao mainka manaporofo fa tsy anisan’ny Soratra Masina izy ireo. Tsy misy faminaniana, ohatra, ao anatiny. Mifanohitra ny tantara sy fampianarana raketiny indraindray, ary mifanohitra koa amin’izay voalazan’ireo boky ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Diso ny ankamaroan’ny tantara sy toerana ary fotoana resahiny. Naseho ho toy ny mpanoratra fahiny nahazo ny herin’ny fanahy masina ny mpanoratra sasany. Nino an’ireo zavatra ninoan’ny Grika mpanompo sampy anefa izy ireo, ary indraindray nampiasa teny niangaliana fatratra sy fomba fanoratra tsy fahita ao amin’ny Soratra Masina mihitsy. Roa no nilaza an-kolaka fa tsy nahazo herin’ny fanahy masina ny tenany. (Jereo ny Sasin-tenin’ny Eklesiastika; 2 Makabeo 2:24-32; 15:38-40.) Ireo boky apokrifa ihany àry no tena manaporofo fa tsy anisan’ny Soratra Masina izy ireo. Hodinihintsika izao ny boky tsirairay:

Tobia. Tantaran’ny Jiosy iray tia fivavahana avy amin’ny fokon’i Naftaly. Natao sesitany tany Ninive izy, ary lasa jamba rehefa nilatsahan’ny taim-borona ny masony roa. Nirahiny nankany Media i Tobia zanany lahy mba hitaky trosa. Notarihin’ny anjely iray nitafy nofo hatrany Ekbatana (Ragesa, ao amin’ny Baiboly sasany) i Tobia. Nahita trondro izy ka nalainy ny fon’izy io sy ny atiny ary ny aferony. Nihaona tamin’ny mpitondratena iray koa izy. Efa nanambady impito io vehivavy io nefa mbola virjiny, satria novonoin’ny demonia atao hoe Asmodea foana izay vadiny ny alin’ny fampakaram-bady. Nalain’i Tobia ho vadiny ilay mpitondratena noho ny fampirisihan’ilay anjely, ary nodorany ny fon’ilay trondro sy ny atiny mba handroahana an’ilay demonia. Nohosorany tamin’ny mason-drainy kosa ny aferon’ilay trondro rehefa nody izy, ka nahita indray ny rainy.

Mety ho nosoratana tamin’ny teny aramianina ilay tantara, tamin’ny taonjato fahatelo T.K. tany ho any. Tsy Andriamanitra mihitsy no nampanoratra azy io satria mirakitra finoanoam-poana sy hevi-diso ilay izy. Voalaza, ohatra, fa hitan’i Tobia tamin’izy mbola tanora, hono, ny nikomian’ireo foko tany avaratra (997 T.K.) taorian’ny nahafatesan’i Solomona (Tobia 1:4, 5), ary anisan’ireo natao sesitany tany Ninive niaraka tamin’ny fokon’i Naftaly izy (740 T.K.). (Tobia 1:11-13) Raha izany no izy, dia velona 257 taona mahery izy. Milaza anefa ny Tobia 14:1-3 fa 102 taona izy no maty.

Jodita. Tantaran’ny mpitondratena jiosy iray tsara tarehy avy ao amin’ny tanànan’i “Betolia.” Nirahin’i Nebokadnezara hiankandrefana i Holoferina, lehiben’ny tafiny, mba hamongotra ny fivavahana rehetra ankoatra ny fivavahana tamin’i Nebokadnezara. Natao fahirano àry ny Jiosy tao Betolia. Mody niseho ho mpamadika an’ireo mpiray tanindrazana taminy i Jodita, ka nasaina nankao amin’ny tobin’i Holoferina. Nitantara zavatra tsy marina momba an’ilay tanàna izy. Nanao fanasambe i Holoferina ka mamo. Nalain’i Jodita ny sabatr’i Holoferina tamin’izay, ka notapahiny ny lohan’izy io ary nentiny nankany Betolia. Nisahotaka ny tao an-toby ny ampitson’iny, ka resin’ny Jiosy tanteraka ny fahavalony.

Hoy ny sasin-tenin’ny bokin’i Jodita, ao amin’ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara: “Ny lahatsoratra aroso eto dia tsy miraharaha loatra ny zava-nisy ara-tantara sy ara-jeôgrafia.” Voalaza ao, ohatra, fa nitranga tamin’ny andron’i Nebokadnezara, ‘mpanjakan’ny Asirianina, tao Ninive tanàna lehibe’, ilay tantara. (Jodita 1:1, 7 [1: 5, 10, Kat.]) Samy milaza anefa ny sasin-teny sy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’io Baiboly io fa mpanjakan’i Babylonia i Nebokadnezara. Tsy nanjaka tao Ninive mihitsy izy satria efa noravan’i Nabopolasara rainy ilay tanàna.

Milaza ny sasin-tenin’ny Baibolin’i Jerosalema fa “tsy marina ara-jeografia ny lalana” nalehan’ny tafik’i Holoferina. Hoy koa Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary (Boky 1, p. 76): “Tena noforonina ilay tantara matoa maro be toy izao ny zavatra tsy marina raketiny.”​—Nataon’i J. Douglas, 1980.

Misy mihevitra fa nosoratana tany Palestina ilay boky tamin’ny fotoana nampahatanjaka ny Grika, tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa na ny fiandohan’ny taonjato voalohany T.K. Toa tamin’ny teny hebreo no nanoratana azy io.

Fanampin’ny bokin’i Estera. Misy fizarana enina izy ireo. Alohan’ny toko voalohany ilay fizarana voalohany misy andininy 17 (Es 11:2–12:6, Kat.), ao amin’ny asa soratra grika sy latinina tranainy sasany. Izy io dia miresaka momba ny nofin’i Mordekay sy ny nanalany sarona ny teti-dratsin’ireo saika hamono ny mpanjaka. Aorian’ny 3:13 ilay fizarana faharoa (13:1-7, Kat.), izay ahitana ny didin’ny mpanjaka hoe haringana ny Jiosy. Ny vavak’i Mordekay sy Estera eo amin’ny faran’ny toko faha-4 no fizarana fahatelo (13:8–14:19, Kat.). Ny fizarana fahefatra (15:1-19, Kat.) kosa mialoha ny toko faha-5 ary mitantara ny nisehoan’i Estera teo anatrehan’ny mpanjaka. Aorian’ny 8:12 ny fizarana fahadimy (16:1-24, Kat.), izay ahitana ny didin’ny mpanjaka manome alalana ny Jiosy hiaro tena. Mamarana an’ilay boky kosa ny fizarana fahenina (10:4–11:1, Kat.), izay manazava ny hevitr’ilay nofy voaresaka ao amin’ny fizarana voalohany.

Misy Baiboly mametraka an’ireo fizarana fanampiny ireo any amin’ny faran’ilay boky (toy ny Baiboly nadikan’i Jérôme), fa ny hafa kosa manisika azy ireo eny anelanelan’ilay bokin’i Estera, izay ekena ho anisan’ny Soratra Masina.

Resahin’ilay fizarana voalohany fa anisan’ireo nobaboin’i Nebokadnezara tamin’ny 617 T.K. i Mordekay. Olo-nalaza tao an-dapan’ny mpanjaka, hono, izy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Ahasoerosy (Artaksersesy, hoy ny Grika), 100 taona mahery tatỳ aoriana. Mifanohitra amin’izay voalazan’ilay bokin’i Estera ekena ho anisan’ny Soratra Masina anefa izany. Jiosy nonina tany Ejipta no heverina fa nanoratra an’ireo fanampiny amin’ny bokin’i Estera ireo, tamin’ny taonjato faharoa T.K.

Fahendrena (an’i Solomona). Asa soratra manindrahindra ny soa azon’izay mitady ny fahendren’Andriamanitra. Oharina amin’ny vehivavy any an-danitra ny fahendrena ao, ary hita ao koa ny vavak’i Solomona tamin’izy nangataka fahendrena. Ny tantaran’i Adama ka hatramin’ny fandresena ny tany Kanana no resahin’ny tapany farany amin’ilay boky, izay manasongadina koa fa ahazoana fitahiana ny fahendrena ary ahitana loza ny tsy fananana azy io. Voaresaka ao koa fa hadalana ny fanompoan-tsampy.

Toa milaza ny andininy sasany fa i Solomona no nanoratra an’ilay boky, na dia tsy voatonona ao aza ny anarany. (Fahendrena 9:7, 8, 12) Manonona andininy avy ao amin’ny boky ao amin’ny Baiboly nosoratana ela be taorian’ny nahafatesan’i Solomona (t. 998 T.K.) anefa ilay boky apokrifa. Nalaina avy tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo izay natomboka nadika tamin’ny 280 T.K. tany ho any, ireo andininy ireo. Jiosy tany Aleksandria, any Ejipta, no heverina fa nanoratra an’ilay boky, teo antenatenan’ny taonjato voalohany T.K.

Hita hoe nino ny filozofia grika ilay mpanoratra. Teny fampiasan’i Platon, ohatra, no nampiasainy mba hanazavana fa manana fanahy tsy mety maty ny olona. (Fahendrena 2:23; 3:2, 4) Niresaka zavatra hafa inoan’ny mpanompo sampy koa izy, toy ny hoe efa nisy talohan’ny vatana ny fanahy sady “vesaran’ny vatana.” (8:19, 20; 9:15) Nampiana tsipiriany maro noforomporonina ilay fitantarana manomboka amin’i Adama ka hatramin’i Mosesy, ary misy amin’izy ireny mifanohitra amin’izay voalazan’ny Soratra Masina.

Misy miezaka mampiseho fa misy itovizana ny andininy sasany ao amin’ny bokin’ny Fahendrena sy ireo boky ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Kely anefa ireny fitoviana ireny matetika, ary na betsaka aza dia tsy manaporofo mihitsy hoe naka teny tao amin’io boky apokrifa io ireo mpanoratra kristianina. Naka teny tao amin’ny Soratra Hebreo kosa izy ireo, toy ny nataon’ilay mpanoratra ny bokin’ny Fahendrena ihany.

Eklesiastika. Boky antsoina koa hoe Ny Fahendren’i Jesoa, Zanakalahin’i Siràka. Izy io no lava indrindra amin’ireo boky apokrifa, ary io ihany no fantatra hoe iza no nanoratra azy, dia i Jesoa Bena-Siràka avy any Jerosalema. Nohazavain’ilay mpanoratra ny atao hoe fahendrena, sy ny fomba anehoana azy io raha te hahita soa. Nantitranteriny koa ny ilana hitandremana ny Lalàna. Nanome torohevitra momba ny fifandraisana amin’olona sy ny fiaimpiainana andavanandro izy, toy ny fahalalam-pomba rehefa misy manasa, ny nofy, ary ny dia lavitra. Ny fizarana farany kosa miresaka momba an’ireo lehilahy nalaza teo amin’ny Israely hatramin’i Simona II mpisoronabe.

Nilaza i Paoly fa avy tamin’i Adama ny ota. (Ro 5:12-19) Ny Eklesiastika kosa milaza fa “vehivavy iray no niandohan’ny fahotana: Ka izy no antony hahafatesantsika rehetra.” (25:23, Kat.) Hoy koa izy io: “Ny hasomparana rehetra anie, fa aza ny hasomparan’ny vehivavy!”​—25:12, Kat.

Nosoratana tamin’ny teny hebreo ilay boky, tany am-piandohan’ny taonjato faharoa T.K. Naka teny avy tao ny Talmoda jiosy.

Baroka (sy ny Taratasin’i Jeremia). Toa tiana haseho hoe i Baroka, naman’i Jeremia sady mpanora-dalàna, no nanoratra an’ireo toko dimy voalohany, fa taratasy nosoratan’i Jeremia kosa ny toko fahenina. Voalaza ao ny fibebahan’ireo Jiosy natao sesitany tany Babylona sy ny vavak’izy ireo mba hafahana, ny fampirisihana hitady fahendrena sy hanantena fanafahana, ary ny fanamelohana ny fanompoan-tsampy tany Babylona.

Tany Babylona, hono, i Baroka. (Baroka 1:1, 2) Ny Baiboly anefa milaza fa nankany Ejipta niaraka tamin’i Jeremia izy, fa tsy nankany Babylona. (Je 43:5-7) Milaza koa ny Baroka 6:2 fa hijanona any Babylona hatramin’ny taranaka fahafito ny Jiosy ary hafahana avy eo. I Jeremia anefa naminany fa ho lao mandritra ny 70 taona i Joda satria hatao sesitany any Babylona ny Jiosy.​—Je 25:11, 12; 29:10.

Hoy i Jérôme ao amin’ny sasin-tenin’ny bokin’i Jeremia: “Tsy hitako izay antony handikana ny bokin’i Baroka.” Milaza ny sasin-tenin’ny bokin’i Baroka (DIEM, p. 231) fa mety ho tamin’ny taonjato faharoa T.K. no nosoratana ilay boky, ka tsy voatery ho olona iray (Baroka) no nanoratra azy. Mety ho tamin’ny teny hebreo no nanoratana azy.

Ny Hiran’ny Sakaizan’i Daniela Telo Lahy. Aorian’ny Daniela 3:23 io hira misy andininy 67 io. Voaresaka ao ny vavak’i Azaria (Azariasa) tao amin’ilay lafaoro mirehitra, ny nanesoran’ny anjely iray ny lelafo, ary ny hiran’ireo Hebreo telo lahy tao anaty lafaoro. Mitovitovy amin’ny Salamo faha-148 ilay hira. Tsy mifanaraka amin’ny zava-nisy tamin’ny fotoana lazaina fa nitrangan’ilay tantara anefa ny firesahany momba ny tempoly sy mpisorona ary kerobima. Mety ho nosoratana tamin’ny teny hebreo ilay boky, tamin’ny taonjato voalohany T.K.

Sozana sy ireo anti-dahy. Tantara fohy momba izay nitranga tamin’ilay vehivavy tsara tarehy vadin’i Joakima, Jiosy mpanefohefo tao Babylona. Nasain’ny anti-dahy roa hanao firaisana tamin’izy ireo i Sozana raha mbola nandro. Tsy nanaiky anefa izy, ka nendrikendrehin’izy roa lahy. Nomelohin’ny fitsarana ho faty àry i Sozana. Noporofoin’i Daniela anefa fa nandainga ireo anti-dahy, ka afaka madiodio i Sozana. Tsy tena fantatra ny fiteny nanoratana an’ilay boky, izay heverina fa nosoratana tamin’ny taonjato voalohany T.K. Alohan’ny bokin’i Daniela izy io ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, fa aoriany kosa ao amin’ny Vulgate latinina. Daniela toko faha-13 kosa izy io ao amin’ny Baiboly sasany.

Bela sy ilay dragona. Io no fanampiny fahatelo amin’ny bokin’i Daniela, ary toko faha-14 izy io ao amin’ny Baiboly sasany. Nasain’i Kyrosy Mpanjaka nivavaka tamin’ny sampy atao hoe Bela i Daniela ao. Norarahan’i Daniela lavenona ny gorodon’ny tempoly, ka ny dian-tongotra hita teo no nanaporofoany hoe tsy i Bela, fa ireo mpisorona mpanompo sampy sy ny vady aman-janany no nihinana ny sakafo natolotra ho an’ilay sampy. Novonoina àry ireo mpisorona, ary nopotehin’i Daniela ilay sampy. Nasain’ny mpanjaka nivavaka tamin’ny dragona velona koa i Daniela. Novonoiny anefa ilay dragona, ka tezitra ny vahoaka. Natsipin’izy ireo tao an-davaky ny liona àry izy, ka nijanona tao fito andro. Nobatain’ny anjely iray tamin’ny volon-dohany i Habakoka nandritra io fotoana io, ka nentiny tany Babylona mba hitondra lasopy (“koba”, Kat.) iray vilia ho an’i Daniela. Naverin’ilay anjely tany Jodia i Habakoka avy eo, nafahana i Daniela, fa ny fahavalony kosa natsipy tao an-davaky ny liona ka laniny. Tamin’ny taonjato voalohany T.K. koa no heverina fa nanoratana an’io tantara io. “Angano noforonin’ny mpivavaka” no iantsoan’ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary (Boky 1, p. 76) an’ireo tantara fanampiny amin’ny bokin’i Daniela.

Makabeo Voalohany. Tantaran’ny tolona nataon’ny Jiosy mba hahazoana fahaleovan-tena nandritra ny taonjato faharoa T.K., nanomboka tamin’ny andron’i Antiokosa Epifana Mpanjaka (175 T.K.) ka hatramin’ny nahafatesan’i Simona Makabeo (t. 134 T.K.). Ny nandresen’i Matatiasa mpisorona sy ny zanany lahy (Jodasy sy Jonatana ary Simona) ny Syrianina no tena resahiny.

Tena manampy antsika hahafantatra ny zava-nitranga teo amin’ny tantara nandritra an’io vanim-potoana io ilay boky. “Ny fahitan’ny olona ny tantara” ihany anefa no voaresaka ao, hoy Ny Rakipahalalana Jiosy (1976, Boky Faha-8, p. 243). Tsy anisan’ny Soratra Hebreo azo avy amin’ny herin’ny fanahy masina izy io, toa an’ireo boky apokrifa hafa ihany. Toa tamin’ny teny hebreo no nanoratana azy, tany amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K.

Makabeo Faharoa. Mitantara ny ampahany amin’ilay vanim-potoana (t. 180-160 T.K.) resahin’ny Makabeo Voalohany koa izy io, na dia aorian’ilay boky voalohany aza no misy azy ary hafa ny mpanoratra azy. Nilaza ilay mpanoratra fa namintina ny bokin’i Jasona avy any Sirena izy. Notantarainy ny nanenjehan’i Antiokosa Epifana ny Jiosy, ny nandrobana ny tempoly, ary ny nitokanana azy io indray.

Nataon’i Jeremia tao anaty zohy tao amin’ilay tendrombohitra nitazanan’i Mosesy ny tany Kanana, hono, ny tranolay masina sy ny Vata misy ny fifanekena, rehefa noravana i Jerosalema. (2 Makabeo 2:1-16) Efa 420 taona teo ho eo talohan’izay anefa ny tranolay no nosoloana tempoly.

Andininy samihafa ao amin’io boky io no ampiasain’ny Katolika hanaporofoana ny foto-pinoany, toy ny sazy aorian’ny fahafatesana (2 Makabeo 6:26), ny fanelanelanan’ny olo-masina (15:12-16), ary ny fivavahana ho an’ny maty (12:41-45).

Hoy ny sasin-tenin’ny bokin’ny Makabeo momba ny Makabeo Faharoa, ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema: “Toy ny an’ny mpanoratra grika ilay fomba fanoratra, saingy tsy dia tsara loatra: Sarotra azo ilay izy indraindray, sady feno fireharehana matetika.” Miaiky ilay mpanoratra ny Makabeo Faharoa fa tsy Andriamanitra no nampanoratra azy an’ilay boky, ary hazavainy ao amin’ny toko faharoa ny antony nanafohezany ny bokin’i Jasona. (2 Makabeo 2:24-32, Kat.) Izao no namaranany an’ilay boky: “Taperiko eo koa ny tantarako. Raha vita amim-pahaizana sy voaforon’ny saina tsara ny filaharan’ny zavatra, dia izany koa no nokendreko; ary raha tsy lavorary sy ratsiratsy aza izy, dia izay no hàny azoko natao.”​—2 Makabeo 15:38, 39, Kat.

Toa nosoratana tamin’ny teny grika ilay boky teo anelanelan’ny 134 T.K. sy 70 A.K., taona nandravana an’i Jerosalema.

Boky apokrifa tatỳ aoriana. Maro be ny boky nihambo ho avy tamin’Andriamanitra sy anisan’ny Soratra Masina ary misy ifandraisany amin’ny finoana kristianina, indrindra fa nanomboka tamin’ny taonjato faharoa. Antsoina hoe “Testamenta Vaovao Apokrifa” izy ireny, ary maka tahaka an’izay voalazan’ny Filazantsara, ny Asan’ny Apostoly, ireo taratasy ary boky hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Maro amin’izy ireny no ampahany kely sisa, na tsy hita afa-tsy ao amin’ny asa soratry ny mpanoratra hafa izay naka teny avy tao amin’izy ireny na niresaka kely momba azy ireny.

Misy hevitra noforomporonina ao amin’izy ireny, mba hanaporofoana fampianarana na lovantsofina tsy hita ao amin’ny Baiboly na mifanohitra amin’izay voalaza ao. Misy fanazavana ninian’ny Soratra Grika tsy noresahina koa nefa hita ao amin’izy ireny, toy ny fiainan’i Jesosy tamin’izy mbola kely mandra-panao batisa azy. Mitantara an’ireo fahagagana nataon’i Jesosy tamin’ny mbola kely, ohatra, ny Filazantsaran’i Tomasy Mitantara ny Fahazazan’i Jesosy sy ny Filazantsara Voalohany Nosoratan’i Jakoba. Aseho ho toy ny ankizy be sitrapo sy mora tezitra i Jesosy ao, nefa nanana fahefana be. (Ampitahao amin’ilay tantara marina ao amin’ny Lk 2:51, 52.) Ny “Asan’i Paoly” sy ny “Asan’i Petera” indray manantitrantitra fa tokony hofadina ny firaisana ara-nofo, ary nampirisihin’ireo apostoly hisaraka amin’ny vadiny mihitsy aza, hono, ny vehivavy. Mifanohitra amin’ilay torohevitr’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 7 anefa izany.

Hoy Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny momba an’ireny boky apokrifa taorian’ny andron’ny apostoly ireny: “Maro amin’izy ireny no tsy misy dikany loatra, misy nitarina be, misy koa mahatsiravina na maharikoriko mihitsy aza ny zavatra raketiny.” (Boky 1, p. 166; nataon’i G. Buttrick, 1962) Hoy koa ny Diksionera Ara-baiboly Vaovao Natontan’i Funk sy Wagnalls (1936, p. 56): “Avy amin’ireny ireo angano masina sy lovantsofina ara-pivavahana. Tao amin’ireny no nakana ny sasany amin’ireo foto-pinoan’ny Eglizy Katolika.”

Tsy nekena ho anisan’ireo boky azo avy amin’ny herin’ny fanahy masina sady tsy nampidirina ho isan’ny Soratra Grika Kristianina ireny boky apokrifa tatỳ aoriana ireny, tsy misy hafa amin’ireo boky apokrifa taloha kokoa izay tsy nekena ho anisan’ny Soratra Hebreo.​—Jereo BOKY EKENA HO ANISAN’NY SORATRA MASINA.