Apolonia
(Apôlônìa) [An’i Apollon; Toeran’i Apollon].
Tanàna tany Makedonia. Avy amin’ny anaran’ny andriamanitra grika hoe Apollon (andriamanitra masoandro) ny anaran’ilay tanàna. (Fanao tany amin’ny faritr’i Mediterane ny nanome anaran’andriamanitra ho an’ny tanàna.) Tao amin’ny faritr’i Mygdonia no nisy an’i Apolonia, tokony ho 35 km avy eo Amfipolia, ary 45 km avy any Tesalonika, izany hoe lalana dia an-tongotra iray andro avy any Amfipolia sy Tesalonika. Tsy nalaza ilay tanàna na dia nandalo tany aza ny Lalana Egnatia (lalambe malaza namboarin’ny Romanina), tany atsimon’ny Farihy Bolbe. Namakivaky an’i Apolonia i Paoly sy Silasy tamin’ny dia misionera faharoa nataon’i Paoly, izay azo inoana hoe tamin’ny lohataona na fiandohan’ny vanin-taona mafana tamin’ny taona 50.—As 17:1.