Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Apostoly

Apostoly

Avy amin’ny matoanteny hoe apôstellô, izay midika hoe “maniraka”, ny teny grika hoe apôstôlôs. (Mt 10:5; As 7:35) Hoy mantsy i Jesosy: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, na izay irahina [apôstôlôs] noho ilay naniraka azy.” (Jn 13:16) Tsy mahagaga àry raha antsoina koa hoe “ilay apostoly sady mpisoronabe ekentsika” i Kristy Jesosy. (He 3:1; ampit. Mt 10:40; 15:24; Lk 4:18, 43; 9:48; 10:16; Jn 3:17; 5:36, 38; 6:29, 57; 7:29; 8:42; 10:36; 11:42; 17:3, 8, 18, 21-25; 20:21.) Nirahin’Andriamanitra sy notendreny hisolo tena azy sy hamita iraka mantsy izy.

Ireo mpianatra 12 nofidin’i Jesosy sy notendreny hisolo tena azy anefa no tena antsoina hoe “apostoly.” Hita ao amin’ny Matio 10:2-4 sy Marka 3:16-19 ary Lioka 6:13-16 ny anaran’izy 12 lahy ireo. Lasa mpamadika anefa ny iray taminy, dia i Jodasy Iskariota, araka ny voalazan’ny faminaniana. (Sl 41:9; 109:8) Tanisaina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:13 ny anaran’ireo apostoly 11 tsy nivadika.

Mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa taloha ny apostoly sasany. (Jn 1:35-42) Galilianina daholo izy ireo (As 2:7), afa-tsy i Jodasy Iskariota izay mety ho Jodianina. Anisan’ny vahoaka madinika izy ireo. Mpanarato ny efatra ary ny iray mpamory hetra. (Mt 4:18-21; 9:9-13) Toa zanak’olo-mpiray tam-po i Jesosy sy ny roa taminy (Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio), fara fahakeliny. ‘Tsy dia nahita fianarana sy olon-tsotra’ no fahitan’ny mpitondra fivavahana azy ireo, noho izy ireo tsy nanao fianarana ambony. Apostoly maromaro no nanambady, anisan’izany i Petera (Kefasy).​—As 4:13; 1Ko 9:5.

Toa i Petera sy Jakoba ary Jaona no tena akaiky an’i Jesosy tamin’izy 12 lahy. Izy ireo ihany no nahita ny nananganana ny zanakavavin’i Jairo (Mr 5:35-43) sy ny niovan’i Jesosy tarehy (Mt 17:1, 2), ary nentin’i Jesosy nitsofoka anatiny kokoa tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ny alina nisamborana azy. (Mr 14:32, 33) I Jaona ilay nantsoina hoe “ilay mpianatra tian’i Jesosy” satria nifandray am-po izy sy Jesosy.​—Jn 21:20-24; 13:23.

Ny nifidianana azy sy ny fanompoany. Nofidin’i Jesosy tamin’ny mpianany maro be izy 12 lahy, ary nantsoiny hoe “apostoly”, “mba hiaraka aminy sy hirahiny [apôstellei] hitory ary hanam-pahefana hamoaka demonia.” (Mr 3:13-15) ‘Niaraka taminy’ foana tokoa izy ireo mandra-pahavitan’ny fanompoany teto an-tany, ka nahazo toromarika sy fiofanana bebe kokoa momba ny fanompoana. (Mt 10:1-42; Lk 8:1) Mbola nantsoina hoe ‘mpianatr’i’ Jesosy ihany àry izy ireo, indrindra talohan’ny Pentekosta taona 33. (Mt 11:1; 14:25; 20:17; Jn 20:2) Nantsoina foana hoe “apostoly” kosa izy ireo taorian’izay. Nomen’i Jesosy hery hanasitranana sy hamoahana demonia izy ireo tamin’ny fotoana nifidianany azy, ka nampiasain’izy ireo izany fahaizany mahagaga izany nandritra ny fanompoan’i Jesosy. (Mr 3:14, 15; 6:13; Mt 10:1-8; Lk 9:6; ampit. Mt 17:16.) Ny asa fitoriana foana anefa no nataon’izy ireo vaindohan-draharaha. Tsy nisy fombafomba hafahafa na nifono mistery ny toromarika sy fampiofanana nomena azy ireo, na dia vitsy aza izy ireo.

Fahalemeny. Nanana kileman-toetra sy fahalemena toy ny olon-drehetra ihany ireo apostoly, na dia voninahitra be aza izany hoe voafidy ho apostolin’ny Zanak’Andriamanitra izany. Taitaitra, ohatra, i Petera (Mt 16:22, 23; Jn 21:7, 8); sarotra noresena lahatra i Tomasy (Jn 20:24, 25); ary i Jakoba sy Jaona kosa tsy nanam-paharetana (Lk 9:49, 54). Nifamaly izy ireo hoe iza amin’izy ireo no ho lehibe ao amin’ilay fanjakana nantenainy fa haorin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Mt 20:20-28; Mr 10:35-45; ampit. As 1:6; Lk 24:21.) Niaiky izy ireo fa nila nampitomboana ny finoany. (Lk 17:5; ampit. Mt 17:20.) Nandao an’i Jesosy izy rehetra rehefa nosamborina izy, na dia niaraka taminy foana aza izy ireo nandritra ny taona vitsivitsy ary nahalala fa izy no Mesia. (Mt 26:56) Tsy izy ireo koa fa olon-kafa no nandevina an’i Jesosy. Tsy tonga dia ninoan’izy ireo ny tenin’ireo vehivavy nahita voalohany an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (Lk 24:10, 11) Raiki-tahotra izy ireo, ka nihidy tao an-trano rehefa nivory. (Jn 20:19, 26) Nomen’i Jesosy fanazavana fanampiny anefa izy ireo rehefa natsangana izy. Faly be àry izy ireo, ka ‘tao amin’ny tempoly tsy tapaka, nidera an’Andriamanitra’, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, 40 andro taorian’ny nananganana azy.​—Lk 24:44-53.

Teo anivon’ny fiangonana kristianina. Nahazo hery be ireo apostoly rehefa nilatsahan’ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny Pentekosta. Resahin’ireo toko dimy voalohany ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa tsy natahotra izy ireo na dia naiditra am-ponja sy nokapohina ary norahonana ho faty aza, fa sahy nitory kosa ny vaovao tsara sy ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Nitombo be ny isan’ny fiangonana kristianina taoriana kelin’ny Pentekosta, satria mpitarika nafana fo ireo apostoly notarihin’ny fanahy masina. (As 2:41; 4:4) Tany Jerosalema aloha ny Kristianina no nitory, avy eo tany Samaria, ary farany, nanerana an’ireo tany fantatra tamin’izany.​—As 5:42; 6:7; 8:5-17, 25; 1:8.

Ny tena andraikitry ny apostoly dia ny ho vavolombelona hanambara fa notanterahin’i Jesosy ny fikasan’i Jehovah Andriamanitra sy ny faminaniany, indrindra fa ny momba ny nananganana azy tamin’ny maty sy ny nanandratana azy. Tokony hanao mpianatra any amin’ny firenena rehetra koa izy ireo, araka ny nohamafisin’i Jesosy talohan’ny niakarany tany an-danitra. (Mt 28:19, 20; As 1:8, 22; 2:32-36; 3:15-26) Afaka nijoro ho vavolombelon’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty izy ireo.​—As 13:30-34.

Fahaizana mahagaga. Mbola nanao fahagagana ihany ireo apostoly noho ny hery nomen’i Jesosy azy, ary nampiasa an’ireo fanomezan’ny fanahy azony tamin’ny Pentekosta, mba hampandaitra kokoa ny fitoriany. (As 5:12; 9:36-40; jereo FANOMEZANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA [Fanomezan’ny fanahy].) Tsy nahazo an’ireo fanomezana mahagaga avy amin’ny fanahy ny olon-kafa raha tsy hoe teo angaha ny apostoly iray, fara fahakeliny, na nametrahany tanana ilay olona. Nanana fahaizana mahagaga toa an’ireo apostoly 12 koa i Paoly, na dia tsy anisan’izy ireo aza, satria nofidin’i Jesosy Kristy manokana ho apostoly. (As 2:1, 4, 14; 8:14-18; 10:44; 19:6) Ny apostoly ihany àry no afaka nampita tamin’ny hafa ny fanomezan’ny fanahy. Hitsahatra ireny fahaizana mahagaga ireny rehefa maty izy ireo sy ny olona nomeny azy ireny. (1Ko 13:2, 8-11) Hoy Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary: “Tsy nahazo [hery hanaovana fahagagana] intsony ny eglizy tamin’ny taonjato faharoa. Noresahin’ny mpanoratra tamin’izany fa efa zavatra taloha izy ireny, izany hoe efa tamin’ny andron’ny apostoly.”​—Nataon’i J. Douglas, 1980, Boky 1, p. 79.

Andraikitra notanany. Ireo apostoly no tena nanorina sy nandamina ary nitarika ny fiangonana kristianina. (1Ko 12:28; Ef 4:11) Izy ireo no tena anisan’ilay filan-kevi-pitantanana nanara-maso ny fiangonana kristianina tamin’izany, na dia nisy “anti-panahy” hafa ihany aza nanampy azy. Neken’ny Kristianina voalohany hatraiza hatraiza fa io filan-kevi-pitantanana io no nampiasain’Andriamanitra hanapa-kevitra sy hitarika an’ireo fiangonana naneran-tany. (As 2:42; 8:14-17; 11:22; 15:1, 2, 6-31; 16:4, 5) Tsy ho nahavita izany ireo apostoly raha tsy notarihin’ny fanahy masin’Andriamanitra, araka ny efa nampanantenaina. (Jn 15:26, 27) Io fanahy io mantsy no nanampy azy ireo hahatadidy ny toromarik’i Jesosy sy ny fampianarany ary hanazava foto-pinoana. Io koa no nitari-dalana azy ireo tsikelikely ho amin’ny “fahamarinana rehetra” naharihary tamin’izany fotoana izany. (Jn 14:26; 16:13-15; ampit. Jn 2:22; 12:16.) Nanendry olona hanompo teo anivon’ny fiangonana izy ireo, ary nilaza izay faritra tokony hitorian’ny misionera sasany.​—As 6:2, 3; Ga 2:8, 9.

Ireo apostoly, izay miorina eo ambonin’i Kristy Jesosy vato fehizoro, àry no fototra iorenan’ny “tempoly masina ho an’i Jehovah.” (Ef 2:20-22; 1Pe 2:4-6) Tsy nisy apostoly ambony noho ny apostoly hafa teo anivon’ny fiangonana kristianina. (Jereo PETERA.) Marina fa nisongadina kokoa i Petera sy Jaona tamin’ny Pentekosta sy taoriana kelin’izay, ary i Petera no tena mpitondra teny tamin’izay. (As 2:14, 37, 38; 3:1, 4, 11; 4:1, 13, 19; 5:3, 8, 15, 29) Tsy hoe ambony noho ny hafa anisan’ny filan-kevi-pitantanana anefa izy mirahalahy, rehefa nisy fanapahan-kevitra noraisina. “I Petera sy Jaona” koa no ‘nirahin’ny [apesteilan]’ apostoly tany Jerosalema ho any Samaria, rehefa ren’izy ireo fa nisy natao batisa tany. Irak’ireo apostoly àry izy mirahalahy. (As 6:2-6; 8:14, 15) Toa i Jakoba rahalahin’i Jesosy no nitarika ny fivorian’ny filan-kevi-pitantanana, taorian’ny namonoana ny apostoly Jakoba. Io Jakoba io sy Petera (Kefasy) ary Jaona no ‘nekena ho andrin’ny fiangonana’, hoy i Paoly. (As 12:1, 2, 16, 17; Ga 1:18, 19; 2:9, 11-14) Rehefa avy nihaino an’i Petera sy Paoly ny filan-kevi-pitantanana, dia i Jakoba no nilaza ny fanapahan-kevitra noraisina momba ilay raharaha lehibe hoe tokony hoforana sa tsia ny Kristianina hafa firenena.​—As 15:1, 2, 6-21.

Iza no nisolo an’i Jodasy Iskariota?

Nivadika i Jodasy Iskariota ary maty ka 11 sisa ireo apostoly, saingy tsy nanendry olon-kafa hisolo azy i Jesosy nandritra ireo 40 andro taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty ka hatramin’ny niakarany tany an-danitra. Hita anefa hoe nila nosoloana i Jodasy talohan’ny Pentekosta (10 andro taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra), tsy noho izy efa maty fotsiny fa noho izy nivadika koa, araka ny voalazan’ireo andininy notononin’i Petera. (As 1:15-22; Sl 69:25; 109:8; ampit. Ap 3:11.) Tsy nila nosoloana kosa ny apostoly Jakoba rehefa nisy namono, satria maty tsy nivadika izy.​—As 12:2.

Olona nifanerasera tamin’i Jesosy Kristy sy nahita ny asa sy fahagagana nataony ary indrindra fa nahita azy efa natsangana tamin’ny maty no tokony hofidina ho apostoliny, araka ny tenin’i Petera. Midika izany fa tsy hisy olona hahafeno fepetra ho dimbin’ny apostoly intsony rehefa mandeha ny fotoana, raha tsy hoe Andriamanitra angaha no mahatonga azy hahafeno an’ireo fepetra ireo. Mbola nisy nahafeno an’ireo fepetra ireo anefa talohan’ny Pentekosta, ka roa lahy no azo natolotra hisolo an’i Jodasy. Natao àry ny antsapaka (angamba ho fanarahana ny voalazan’ny Ohabolana 16:33), ka i Matia no voafidy “hanampy isa an’ireo apostoly iraika ambin’ny folo.” (As 1:23-26) Anisan’ireo “roa ambin’ny folo lahy” nandamina ilay olana momba an’ireo mpianatra niteny grika izy (As 6:1, 2), ary azo inoana koa fa anisan’izy “roa ambin’ny folo lahy” nolazain’i Paoly fa nisehoan’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty. (1Ko 15:4-8) Niisa 12 àry ireo apostoly na fototra niorenan’ilay Israely ara-panahy niforona tamin’ny Pentekosta.

Apostolin’ny fiangonana. Tsy apostolin’ny fiangonan’i Jerosalema fotsiny i Matia sy ireo apostoly 11, tsy hoatran’ilay Levita atao hoe Josefa Barnabasy, izay lasa apostolin’ny fiangonan’i Antiokia any Syria. (As 13:1-4; 14:4, 14; 1Ko 9:4-6) Nisy lehilahy hafa koa nantsoina hoe “apostolin’ny fiangonana”, satria nirahin’ny fiangonana hisolo tena azy. (2Ko 8:23) Nanoratra ho an’ireo Filipianina i Paoly hoe ‘irak’izy ireo [apôstôlôn] sy mpanompo nalefany hikarakara izay ilainy’ i Epafrodito. (Fi 2:25) Tsy toa an’i Matia anefa ireo lehilahy ireo, satria tsy dimbin’ny apostoly sady tsy anisan’ireo “roa ambin’ny folo lahy.”

Manana heviny malalaka àry ny teny hoe “apostoly.” Manampy antsika izany hahazo an’ilay toa fifanoherana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 9:26, 27 sy ny Galatianina 1:17-19, izay miresaka zavatra iray ihany. Milaza ny Asan’ny Apostoly fa nentin’i Barnabasy “tany amin’ny apostoly [mr.]” i Paoly rehefa tonga tany Jerosalema. Hoy kosa i Paoly ao amin’ny Galatianina, rehefa avy nilaza fa nitsidika an’i Petera izy: “Fa tsy nahita apostoly hafa, ankoatra an’i Jakoba rahalahin’ny Tompo, aho.” Nantsoina hoe “apostoly” i Jakoba eo (i Jakoba rahalahin’i Jesosy fa tsy ny apostoly Jakoba zanak’i Zebedio na i Jakoba zanak’i Alfeo akory), satria “iraky” ny fiangonan’i Jerosalema izy. Tsy mahagaga àry raha amin’ny endriny milaza maro ilay teny hoe “apostoly” ao amin’ny Asan’ny Apostoly, rehefa nilaza i Paoly fa nentina “tany amin’ny apostoly” (Petera sy Jakoba) izy.​—Ampit. 1Ko 15:5-7; Ga 2:9.

Ny nifidianana an’i Paoly. Niova ho Kristianina i Saoly avy any Tarsosy tamin’ny taona 34 tany ho any angamba, ary lasa nantsoina hoe Paoly. Lasa tena apostolin’i Jesosy Kristy izy, ary i Jesosy natsangana tamin’ny maty sy efa tany an-danitra no nifidy azy mivantana. (As 9:1-22; 22:6-21; 26:12-23; 13:9) Ireto avy no porofo narosony mba hampisehoana fa tena apostoly izy: Nahita an’i Jesosy Kristy Tompo tafatsangana tamin’ny maty izy, nanao fahagagana, ary anisan’ireo nampiasaina mba hahazoan’ireo mpino natao batisa ny fanahy masina. (1Ko 9:1, 2; 15:9, 10; 2Ko 12:12; 2Ti 1:1, 11; Ro 1:1; 11:13; As 19:5, 6) Mbola velona ireo “roa ambin’ny folo lahy” tamin’i Paoly lasa apostoly, satria tamin’ny taona 44 tany ho any vao novonoina ny apostoly Jakoba (rahalahin’i Jaona). Tsy nilaza mihitsy i Paoly hoe anisan’ireo “roa ambin’ny folo lahy” ny tenany, nefa tsy nihevi-tena ho ambany noho ireo apostoly hafa koa izy.​—Ga 2:6-9.

Mety ny niantsoana an’i Matia sy Paoly hoe apostoly, raha araka ny hevitr’io teny io, satria samy ‘nirahina’ izy mirahalahy. Vato fototra 12 monja anefa no nisy “ny anaran’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry”, ao amin’ilay fahitana azon’ny apostoly Jaona (tamin’ny 96 tany ho any) momba an’i Jerosalema Vaovao any an-danitra. (Ap 21:14) Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe anisan’ireo “roa ambin’ny folo lahy” i Paoly. Ny anaran’i Matia àry, fa tsy ny an’i Paoly, ny iray amin’ireo “anaran’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry” voasoratra eo amin’ireo vato fototr’ilay Jerosalema Vaovao. Midika izany fa ny zava-nisy teo anivon’ilay fiangonana kristianina vao niforona tamin’ny Pentekosta taona 33 no nahariharin’ilay fahitan’i Jaona.​—Jereo PAOLY.

Rehefa maty avokoa ireo apostoly. Ny nahafatesan’ny apostoly Jakoba ihany no resahin’ny Baiboly, nefa azo antoka fa tsy nivadika mandra-pahafatiny koa ireo apostoly 11 ka tsy nila nosoloana. Milaza Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny fa “nanana heviny an’ohatra foana [ny hoe “apostoly”] tao amin’ireo boky kristianina tatỳ aoriana. Tsy nanana apostoly sahala amin’ireo voaresaka ao amin’ny Test[amenta] V[aovao] mihitsy mantsy ny eglizy, taorian’ny taonjato voalohany.”​—Nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 172.

Nisakana ny fivadiham-pinoana sy ny fidiran’ny fivavahan-diso teo anivon’ny fiangonana kristianina ny apostoly, fony fahavelon’izy ireo. Azo inoana fa izy ireo ilay resahin’ny 2 Tesalonianina 2:7 hoe “misakana.” Izao no voalaza ao: “Marina fa efa miasa sahady ilay zava-miafina ny amin’io fandikan-dalàna io, saingy mandra-panala an’ilay misakana amin’izao fotoana izao fotsiny.” (Ampit. Mt 13:24, 25; As 20:29, 30.) Nahasakana ny fivadiham-pinoana ny apostoly mandra-pahafatin’i Jaona tamin’ny taona 100 tany ho any, noho ny fahefana sy hery manokana nananan’izy ireo. (1Jn 2:26; 3Jn 9, 10) Tsy nanana fahefana toy izany intsony izay olona nihambo ho mpandimby an’ireo apostoly, matoa vetivety dia nahazo vahana ny fivadiham-pinoana sy ny fampianaran-diso ary ny fombafomban’ny mpanompo sampy, rehefa maty izy ireo.

Tsy apostoly i Androniko sy Jonia fa ‘samy tsara laza teo amin’ny apostoly’ fotsiny. (Ro 16:7) Nisy olona kosa nihambo ho “apostolin’i Kristy.”​—2Ko 11:5, 13; 12:11, 12; Ap 2:2.